2010–2019
Aza matahotra
Ôktôbra 2018


Aza matahotra

Mahereza ry rahalahy sy ranabavy. Eny, miaina ao anatin’ny fotoan-tsarotra isika, kanefa rehefa mijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika, dia tsy mila matahotra.

Ampiako ny tenivavolombeloko ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson sy ny an’ny Loholona Quentin L. Cook vao teo mikasika ny firindrana sy ny fiaraha-manaiky ny hevitry ny Filankevitry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Fantatro fa ireo filazana mifono fanambarana ireo dia ny saina sy sitrapon’ny Tompo ary hitahy sy hampatanjaka ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany mandritra ny taranaka maro ho avy izany.

Taona maro lasa izay dia nametraka fanontaniana iray tena manan-danja sy misy fiantraikany amin’ny fiainana tamin’ny tenako sy Rahavavy Rasband ny iray tamin’ireo zanakay vavy vao natao mariazy sy ny vadiny: “Mbola azo antoka sy fahendrena ve ny mitondra zanaka eto amin’ity izao tontolo izao izay toa ratsy sy mampatahotra iainantsika ity?”

Ankehitriny, izany dia fanontaniana iray manan-danja ho an’ny reny iray sy ray iray hosaintsainina miaraka amin’ireo zanany malalany izay efa nanambady. Afaka naheno ny tahotra tao amin’ny feon’izy ireo izahay ary nahatsapa ny tahotra tao am-pon’izy ireo. Matotra ny valinteninay ho azy ireo dia hoe: “Eny, mihoatra ny mety izany,” rehefa nizara ireo fototry ny fampianarana ny filazantsara sy ireo fahatsapana latsak’aty ary ireo traikefa teo amin’ny fiainana izahay.

Tsy zava-baovao ny tahotra. Ireo mpianatr’i Jesoa Kristy, raha teo amin’ny Ranomasin’i Galilia, dia natahotra ny “tafio-drivotra sy alon-drano” tao amin’ny haizin’ny alina.1 Amin’ny maha-mpianany antsika ankehitriny dia matahotra ihany koa isika. Ireo tanora tokan-tenantsika dia matahotra ny hanao fanolorantena toy ny hanambady. Ireo tanora vao nanambady, toa ireo zanakay, dia matahotra ny hitondra zanaka eto amin’ny tontolo miha-ratsy fanahy. Matahotra zavatra maro ireo misiônera, indrindra fa ny fanatonana olon-tsy fantatra. Matahotra ny handroso irery ireo manano-tena. Matahotra ny tsy hisy hanaiky ireo zatovo; matahotra ny andro voalohany ny ankizy vao hiditra hianatra; matahotra ny hanala fanadinana ireo ankizy any amin’ny oniversite. Matahotra tsy fahombiazana, fanilihana, fahadisoam-panantenana, ary ny zava-tsy hita-maso isika. Matahotra rivo-doza, horohoron-tany, ary afo izay mandrava ny tany sy ny fiainantsika isika. Matahotra ny tsy ho voafidy isika, ary matahotra ihany koa ny mifanohitra amin’izany, dia ny ho voafidy izany. Matahotra ny ho tsy ampy fahatsarana isika; matahotra isika fa tsy manana fitahiana ho antsika ny Tompo. Matahotra fiovana isika, ary mety hitombo ho lasa fihorohoroana ireo tahotsika. Voalazako daholo ve ny an’ny rehetra?

Hatramin’ny fahagolan-tany dia nametra ny fomba fijerin’ny zanak’ Andriamanitra ny tahotra. Tiako hatramin’izay ny tantaran’i Elisa ao amin’ny Mpanjaka 2. Ny mpanjakan’i Syria dia nandefa tafika ka “tonga alina ireo ary nanodidina ny tanàna.”2 Ny haka an-keriny sy hamono ny mpaminany Elisa no fikasan’izy ireo. Mamaky isika hoe:

“Ary rehefa nifoha maraina ny zatovon’ilay lehilahin’ Andriamanitra ka nivoaka, dia, indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay zatovo taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika?”3

Tahotra izany.

“Dia namaly i [Elisa] hoe: Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.”4

Fa tsy nijanona teo izy.

“Avy eo Elisa nivavaka hoe, Jehovah ô, mangataka aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason’ilay zatovolahy; ary dia nahita izy: ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’i Elisa.”5

Mety hanana na tsy hanana kalesy afo nalefa mba handroahana ireo tahotsika sy handresena ireo demony eo amintsika isika, kanefa mazava ilay lesona. Miaraka amintsika ny Tompo ary mieritreritra momba antsika sy mitahy antsika amin’ireo fomba izay Izy irery ihany no afaka manao izany. Ny vavaka dia afaka mampidina ilay tanjaka sy ilay fanambarana izay ilaintsika mba hampifotorana ny saintsika amin’i Jesoa Kristy sy ny sorona fanavotany. Fantatry ny Tompo fa hisy fotoana isika hatahotra. Efa teo aho ary ianareo ihany koa, izany no antony mahatonga ny soratra masina ho feno ny torohevitry ny Tompo hoe:

“Koa mahereza, aza matahotra.”6

“Banjino Aho amin’ ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra.”7

“Koa aza matahotra ry ondry vitsy.”8 Tiako ireo teny malefaka hoe “ondry vitsy.” Mety ho vitsy an’isa isika ato amin’ity Fiangonana ity raha amin’ny fomba hanisan’izao tontolo izao ny fitaomana, kanefa rehefa manokatra ny masontsika ara-panahy isika, dia “ny momba antsika dia be noho ny momba azy.”9 Dia notohizan’i Jesoa Kristy ilay Mpiandry Ondrintsika be fitiavana hoe: “Avelao hitambatra ny tany sy ny helo hanohitra anareo, fa raha miorina amin’ ny vatolampiko ianareo, dia tsy afaka mandresy izy ireo.”10

Ahoana no androahana ny tahotra? Ho an’ilay zatovolahy dia nijoro teo akaikin’i Elisa, mpaminanin’ Andriamanitra, izy. Manana izany fampanantenana izany koa isika. Rehefa mihaino ny Filoha Russell M. Nelson isika, rehefa mihaino ny toroheviny isika, dia mitsangana miaraka amin’ny mpaminanin’ Andriamanitra. Tsarovy ireo tenin’i Joseph Smith: “Ary ankehitriny, aorian’ ireo tenivavolombelona maro izay efa natao momba Azy, dia inty ny tenivavolombelona, ny farany amin’ ny rehetra, izay ataonay momba Azy: Fa velona Izy!”11 Velona i Jesoa Kristy. Mandroaka ny tahotra ny fitiavantsika Azy sy ny filazantsarany.

Ny faniriantsika mba “hanana mandrakariva ny Fanahiny”12 miaraka amintsika dia hanosika ny tahotra hiala mba hahitantsika bebe kokoa ny endrika mandrakizain’ny fiainantsika eto an-tany. Nampitandrina ny Filoha Nelson hoe: “Saingy ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka.”13

Hoy ny Tompo mikasika ireo ozona izay handrakotra ny tany ka hanamafy ny fon’ny maro: “Fa hitsangana eo amin’ny toerana masina ny mpianatro ary tsy hoesorina.”14

Dia avy eo ity torohevitra avy amin’ Andriamanitra ity: “Aza matahotra, fa rehefa hitranga ireo zavatra ireo, dia hahafantatra ianareo fa ho tanteraka ny fampanantenana izay efa natao taminareo.”15

Mijoroa amin’ny toerana masina—aza miroanàhana—dia ho tanteraka ireo fampanantenana. Handeha hojerentsika tsirairay ireo raha ny mahakasika ireo tahotsika.

Voalohany dia mijoroa eo amin’ny toerana masina. Rehefa mijoro eo amin’ny toerana masina isika, dia ny tokantranontsika feno fahamarinana sy ireo trano fiangonantsika voatokana ary ireo tempoly voatokana izany, dia mahatsapa ny Fanahin’ny Tompo miaraka amintsika isika. Mahita valiny isika amin’ireo fanontaniana izay mampikorontana antsika na mba hitoeran’ny fiadanana fotsiny ihany. Izany no fiasan’ny Fanahy. Ireny toerana masina ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany ireny dia miantso ny fanajantsika lalina, ny fanajantsika ny hafa, ny tsara indrindra vitantsika amin’ny fiainana ny filazantsara, ary ireo fanantenantsika mba hanary ireo tahotsika ka hikatsaka ny hery manasitran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

Tsy misy toerana ho an’ny tahotra ao amin’ireny toerana masin’ Andriamanitra ireny na ao am-pon’ny zanany. Nahoana? Noho ny fitiavana. Tia antsika Andriamanitra, mandrakizay izany, ary tia Azy isika. Mandresy ny tahotra rehetra ny fitiavantsika an’ Andriamanitra, ary manenika ireo toerana masina ny fitiavany. Eritrereto izany. Rehefa halaim-panahy isika ao amin’ireo fanolorantenantsika ho an’ny Tompo, rehefa miala eo amin’ny lalany mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay isika, rehefa mametra-panontaniana na miahiahy momba ny lanjantsika ao amin’ny drafiny masina isika, rehefa mamela ny tahotra hanokatra ny varavarana mankany amin’ireo naman’izany rehetra isika: ny fahakiviana, ny fahatezerana, ny fahasorenana, ny fahadisoam-panantenana, dia mandao antsika ny Fanahy, ary tsy miaraka amintsika ny Tompo. Raha fantatrareo hoe toy ny ahoana izany dia fantatrareo fa tsy toerana tsara hitoerana izany. Mifanohitra amin’izany, rehefa mijoro amin’ny toerana masina isika, dia afaka mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra, ary “ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra rehetra.”16

Ny fampanantenana manaraka dia “Aza miroanàhana.”17 Na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny faharatsiana sy korontana mameno ny tany dia ampanantenaina antsika noho ny fahatokiantsika isan’andro an’i Jesoa Kristy ny “fiadanan’ Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra.”18 Rehefa tonga amin’ny hery sy voninahitra rehetra i Kristy dia hifarana ny ratsy sy ny fikomiana ary ny tsy fahamarinana.

Naminany momba ny androntsika ny Apôstôly Paoly fahiny ela be, raha nilaza tamin’i Timoty fony izy tanora hoe:

“Fa any am-parany any dia hisy andro mahory.

“Fa ny olona dia ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, …

“… tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’ Andriamanitra.”19

Tsarovy fa, “ireo izay momba antsika” eo amin’ny lafiny roa amin’ny voaly, ireo izay tia ny Tompo amin’ny fony, ny sainy, ny eritreriny, ary ny tanjany rehetra, “dia be noho ny momba azy.”20 Raha toa ka matoky amim-pahavitrihana ny Tompo sy ireo lalany isika, raha toa ka mandray anjara amin’ny asany isika, dia tsy hatahotra ireo fironan’izao tontolo izao na hiroanàhana noho izy ireny. Miangavy anareo aho mba hanaisotra ireo fitaomana sy faneren’izao tontolo izao ka hikatsaka aim-panahy eo amin’ny fiainanareo isan’andro. Tiavo izay tian’ny Tompo—tafiditra ao amin’izany ireo didiny, ireo tranony masina, ireo fanekempihavanana masina nataontsika taminy, ny fanasan’ny Tompo isaky ny andro Sabata, ny fifandraisantsika amin’ny alalan’ny vavaka—dia tsy hiroanàhana ianareo.

Ny teboka farany dia: matokisa ny Tompo sy ireo fampanantenany. Fantatro fa ho tanteraka avokoa ireo fampanantenany. Fantatro izany tahaka ny hijoroako eto anoloanareo amin’ity fivoriana masina ity.

Nanambara ny Tompo hoe: “Fa ireo izay hendry ary efa nandray ny fahamarinana sy nandray ny Fanahy Masina ho mpitari-dàlana azy ka tsy voafitaka—lazaiko aminareo marina tokoa, fa tsy hokapaina ireo ka hatsipy any anaty afo fa hahatanty ny andro.”21

Izany no antony tokony tsy hahatonga antsika hiroanàhana noho ireo korontana amin’izao andro izao, noho ireo ao amin’ny trano lehibe sy mijoalajoala, noho ireo izay mandrabiraby ny ezaka amim-pahamarinan-toetra sy fanompoana feno fanolorantena ho an’i Jesoa Kristy Tompo. Ny fibanjinana ny tsara, ny risi-po, eny ny fiantrana dia avy amin’ny fo tsy vesaran’ny korontana. Ny Filoha Nelson, izay “mahita ny tsara foana momba ny ho avy,” dia nampahatsiahy antsika hoe: “Raha te hanana fanantenana ny hahay hifantina tsara izay mahasoa ao anatin’ireo hafatra tsy tambo isaina sy ireo filôzôfian’olombelona izay manafika ny fahamarinana isika, dia tsy maintsy mianatra mandray fanambarana.”22

Mba hahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana, isika dia tsy maintsy mametraka ho laharam-pahamehana ny fiainana ny filazantsara sy ny fandrisihana ny hafa sy ny tenantsika hanana fahatokiana sy aim-panahy.

Anisan’ireo mpaminany tamin’ny fahatanorako i Spencer W. Kimball. Nandritra ireo taona vitsy lasa, rehefa avy nantsoina ho Apôstôly aho, dia nahita fiadanana tao amin’ny hafatra voalohany nataony tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny ôktôbra 1943. Nentanim-po noho ny antsony izy; haiko hoe toy ny ahoana izany. Nilaza ny Loholona Kimball hoe: “Nieritreritra sy nivavaka be aho, dia nifady hanina sy nivavaka.” Nisy hevitra nifanohitra nipoitra tao an-tsaiko, toa feo milaza hoe: -Tsy afaka manao ilay asa ianao. Tsy mendrika ianao. Tsy afaka manao izany ianao’—, dia amin’ny farany foana vao tonga ilay eritreritra mandresy hoe: ‘Tsy maintsy manao ny asa nanirahana anao ianao, tsy maintsy manao izay hahatonga ny tenanao hanana fahafahana hahavita zavatra sy ho mendrika ary hanana ny fahaiza-manao ilaina ianao.’ Dia mafy tokoa ny ady.”23

Nahafaly ahy ny fijoroana ho vavolombelona tamin’ny fo madio nataon’io Apôstôly izay ho tonga Filoha faha-12 an’ity Fiangonana lehibe ity io. Niaky izy fa tsy maintsy nanary ireo tahony mba “hanao ny asa nanirahana” ary tsy maintsy niantehitra tamin’ny Tompo izy hahazoana tanjaka mba “hanana fahafahana hahavita zavatra sy ho mendrika ary hanana ny fahaiza-manao ilaina.” Afaka manao izany koa isika. Mbola ho mafy ny ady saingy hiatrika azy ireny miaraka amin’ny Fanahin’ny Tompo isika. “Tsy hatahotra” isika satria rehefa mijoro miaraka amin’ny Tompo ary mijoro amin’ireo fitsipiny sy ny drafiny mandrakizay isika, dia mijoro amin’ny toerana masina isika.

Ahoana ary ny momba ilay zanakavavy sy vinantolahy izay nametraka fanontaniana avy tamin’ny fo sy lalina tokoa, ary niankina tamin’ny tahotra, taona maro lasa izay? Nosaintsainin’izy ireo tamim-pahamatorana ny resaka nataonay tamin’io alina io, nivavaka sy nifady hanina izy ireo ka nanapa-kevitra samirery. Fifaliana ho azy ireo sy ho anay, raibe sy renibe, fa manan-janaka mahafinaritra miisa fito izy ireo amin’izao sady mandroso amim-pinoana sy fitiavana.

Sary
Ny fito amin’ireo zafikelin’ny Loholona sy Rahavavy Rasband

Mahereza ry rahalahy sy ranabavy. Eny, miaina ao anatin’ny fotoan-tsarotra isika, kanefa rehefa mijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika, dia tsy mila matahotra. Mitsodrano anareo aho fa rehefa manao izany ianareo, dia tsy hatahotra noho ireo fotoana izay iainantsika amin’izao na ireo olana izay tonga eo aminareo. Mitsodrano anareo aho mba hisafidy ny hijoro eo amin’ny toerana masina ka tsy hihetsika eo. Mitsodrano anareo aho mba hino ireo fampanantenan’i Jesoa Kristy, fa velona Izy, mijery antsika Izy, miraharaha antsika ary mijoro eo akaikintsika. Amin’ny anaran’ny Tompo sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy, amena.