2010–2019
Fiovam-po lalina sy maharitra ao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo
Ôktôbra 2018


Fiovam-po lalina sy maharitra ao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo

Ny tanjonay dia ny hampitovy lanja ny zavatra iainana any am-piangonana sy any an-tokantrano amin’ny fomba izay hampivelatra be tokoa ny finoana sy ny fiainam-panahy ary hampahalalina ny fiovam-po.

Araka ny efa nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny fomba tena tsara sy mazava vao teo, dia nandritra ny fotoana ela no efa nandrafetan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana “drafitra izay manome sehatra ny fiainana sy ny fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana, mba hianarana fotopampianarana sy mba hampatanjahana ny finoana ary mba handrisihina ny fitsaohana bebe kokoa ataon’ny tena manokana.” Nanambara fanovana iray avy eo ny Filoha Nelson mba hanatanterahana “fomba vaovao hampitovian-danja sy fampifandraisana ny fianarana ny filazantsara any an-tokantrano sy any am-piangonana.”1

Mba hanatanterahana ireo tanjona ireo, izay nofaritan’ny Filoha Russell M. Nelson sy eo ambany fitarihany ary taorian’ny fanapahan-kevitry ny Filankevitry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia hovaina araka izao manaraka izao ny fandaharam-potoan’ny fivoriana alahady manomboka amin’ny volana janoary 2019.

Fandaharam-potoan’ny fivoriana isaky ny alahady

Ireo fivoriam-piangonana isaky ny alahady dia hahitana fivoriana fanasan’ny Tompo mandritra ny 60 minitra isaky ny alahady, izay hifantoka amin’ny Mpamonjy sy amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo ary amin’ireo hafatra ara-panahy. Aorian’ny fotoana hiomanana mba hirosoana amin’ny fotoam-pianarana, dia hanatrika fotoam-pianarana mandritra ny 50 minitra izay hiovaova isaky ny alahady ireo mpikamban’ny Fiangonana.

  • Ny Sekoly Alahady dia hotanterahina isaky ny alahady voalohany sy fahatelon’ny volana.

  • Ireo fivorian’ny kôlejin’ny fisoronana, sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana ary ny an’ny Zatovovavy dia hotanterahina ny alahady faharoa sy fahefatra.

  • Ireo fivoriana mandritra ny alahady fahadimy dia ho eo ambany fitarihan’ny eveka.

Ny Kilonga dia hisy isan-kerinandro mandritra io fotoana 50 minitra io ary hahitana fotoana fihirana sy fotoam-pianarana.

Sary
Fandaharam-potoana isaky ny alahady

Mahakasika ny fandaharam-potoan’ny fivoriana isaky ny alahady, dia efa nahatsapa ireo mpitarika ambony ato amin’ny Fiangonana nandritra ny taona maro fa sarotra ho an’ny sasany amin’ireo mpikambana mamintsika ilay fandaharam-potoana maharitra adiny telo isaky ny alahady. Marina izany, indrindra ho an’ireo ray aman-dreny manan-janaka kely sy ho an’ireo ankizy any amin’ny Kilonga sy ireo mpikambana efa zokiolona sy ireo mpikambana vaovao ary ireo hafa.2

Saingy mifono zavatra bebe kokoa ity fanovana ity noho ny hoe fanafohezana ny fandaharam-potoana any amin’ny trano fiangonana isaky ny alahady fotsiny. Ny Filoha Nelson dia nankasitraka ny habetsak’ireo zavatra vita vokatry ny fahatokiana nasehonareo teo anatrehan’ireo fanasana teo aloha. Izy sy ny mpitarika rehetra ao amin’ny Fiangonana dia maniry ny hitondra fifaliana lehibe kokoa avy amin’ny filazantsara ho an’ny ray aman-dreny, ny zanaka, ny zatovo, ny tokan-tena, ny zokiolona, ny mpikambana vaovao ary ireo olona izay ampianarin’ireo misiônera amin’ny alalan’ny ezaka mitovy lanja eo amin’ny fanomezana sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana. Ireo tanjona sy fitahiana mifandray amin’ity fanovana ity sy ireo fanovana hafa vao haingana dia ahitana izao manaraka izao:

  • Fitondrana fiovam-po lalina ao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo ary fampatanjahana ny finoana Azy ireo.

  • Fanamafisana orina ny isam-batan’olona sy ireo fianakaviana amin’ny alalan’ny fandaharam-pampianarana manome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana, izay mandrisika ny fiainana ny filazantsara amim-pifaliana.

  • Fanajana ny andro Sabata miaraka amin’ny fifantohana amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo.

  • Fanampiana ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra eo amin’ny lafiny roa amin’ny voaly amin’ny alalan’ny asa fitoriana ny filazantsara sy fandraisana ireo ôrdônansy sy ireo fanekempihavanana ary ireo fitahiana any amin’ny tempoly.

Fianarana ny filazantsara izay manome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana

Io fandaharam-potoana isaky ny alahady io dia manome fotoana bebe kokoa hanaovana takariva iarahana any an-tokantrano sy ny fandalinana ny filazantsara any an-tokantrano isaky ny alahady, na amin’ny fotoana hafa araka izay safidy ataon’ny olona tsirairay sy ny fianakaviana. Azo tanterahina isaky ny alatsinainy ny takariva fiarahan’ny fianakaviana mientana na amin’ny fotoana hafa. Noho izany antony izany dia tokony hotohizan’ireo mpitarika ny tsy fanaovana fivoriam-piangonana sy fiaraha-mientana an’ny Fiangonana isaky ny alatsinainy hariva. Na izany aza ny fotoana hanaovana takariva iarahana any an-tokantrano sy fandalinana ny filazantsara ary fiaraha-mientana ho an’ny olona tsirairay sy ny fianakaviana dia azo alamina arakaraka ny toe-javatra iainan’izy ireo.

Sary
Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana

Ny fandalinan’ny fianakaviana sy ny isam-batan’olona ny filazantsara any an-tokantrano dia hivelatra tokoa amin’ny alalan’ilay fandaraham-pampianarana voarindra tsara sy ilay [fitaovana] vaovao Avia, hanaraka Ahy ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana izay narindra hifanaraka amin’ny zavatra ampianarina ao amin’ny Sekoly Alahady sy Kilonga.3 Amin’ny volana janoary, ny kilasin’ny Sekoly Alahadin’ny zatovo sy ny olon-dehibe ary ny an’ny Kilonga dia handalina ny Testamenta Vaovao. Ilay fitaovana vaovao Avia, hanaraka Ahy ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ho an’ny fandalinana any an-tokantrano, ary miompana amin’ny Testamenta Vaovao koa, dia natao mba hanampy ireo mpikambana hianatra ny filazantsara any an-tokantrano. Izany dia manazava hoe: “Ity fitaovana ity dia ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ato amin’ny Fiangonana. Natao hanampiana [antsika] hianatra [tsara kokoa] ny filazantsara izany, na izany ho [antsika] manokana na miaraka amin’ny fianakavian[tsika]. … Ny rindran-damina ao anatin’ity fitaovana [vaovao] ity dia narafitra mifanaraka amin’ny lamina … isan-kerinandro.”4

Ireo lesona vaovaon’ny Kilonga ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy izay ampianarina any am-piangonana dia hanaraka ilay fandaharam-potoana napetraka isan-kerinandro ihany. Ny fampianarana atao mandritra ny Sekoly Alahadin’ny olon-dehibe sy ny zatovo isaky ny alahady voalohany sy fahatelo dia harindra mba hanohanan’izy ireo ilay fitaovana vaovao Avia, hanaraka Ahy ho an’ny tokantrano. Mandritra ny alahady faharoa sy fahefatra dia hanohy handalina ireo fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ireo olon-dehibe ao amin’ny fisoronana sy Fikambanana Ifanampiana, ka mifantoka amin’ireo hafatra farany nozarain’ireo mpaminany maoderina izany.5 Ireo zatovovavy sy ireo zatovolahy ao amin’ny Fisoronana Aharôna dia handalina lohahevitra momba ny filazantsara mandritra ireo alahady ireo.

Ilay fitaovana fandalinana vaovao ho an’ny tokantrano dia manolotra “Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy.”6 Ilay rindran-damina isan-kerinandro dia ahitana hevitra enti-mandalina sy asa atao tena manampy ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Ilay fitaovana Avia, hanaraka Ahy ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana koa dia ahitana fanehoana ohatra na sary maro izay hanampy amin’ny fampivelaran’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ny fianarana, indrindra ho an’ny ankizy.7 Io fitaovana vaovao io dia homena ny tokantrano tsirairay mialoha ny faran’ny volana desambra amin’ity taona ity.

Ny Filoha Nelson tao anatin’ny lahateniny voalohany ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny volana janoary, dia nanentana antsika mba hiomana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany amin’ny alalan’ny fandehanana eo amn’ilay lalan’ny fanekempihavanana.8

Ny toe-javatra misy eto amin’izao tontolo izao dia mampitombo ny fitakiana ny fiovam-po lalin’ny tena manokana sy ny fampatanjahana ny finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo ary ny Sorompanavotany. Ny Tompo dia nanomana antsika andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra amin’izao andro mahory atrehantsika izao. Tao anatin’ireo taona vitsy lasa izay dia nitarika antsika ny Tompo mba handray an-tanana ireo olana manan-danja mifandray amin’izany, izay ahitana:

  • Fanajana ny andro Sabata sy ny ôrdônansy masin’ny fanasan’ny Tompo izay nohamafisina indray tao anatin’ny telo taona lasa izay.

  • Eo ambany fitarihan’ny eveka, dia mifantoka amin’ny tanjon’ny Fiangonana ireo kôlejin’ny loholona nampatanjahina sy ireo Fikambanana Ifanampiana9 ary manampy ireo mpikambana hanao fanekempihavanana masina sy hitandrina izany.

  • Nekena amim-pifaliana ny fanompoana amin’ny fomba ambony sy masina kokoa.

  • Noho ny fihazonana ao an-tsaina hatrany am-boalohany ilay tanjona any amin’ny farany, dia lasa ampahany tena ilaina eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ireo fanekempihavanan’ny tempoly sy ireo asa atao mikasika ny tantaram-pianakaviana.

Ny fanovana nambara androany maraina dia ohatra iray hafa koa ahitana fitarihana mba hiatrehana ireo fanamby amin’izao androntsika izao.

Ny fandaharam-pampianaran’ny Fiangonana nahazatra hatrizay dia nanamafy ny fahafahana miaina zavatra tsara isaky ny alahady any am-piangonana. Fantatsika fa rehefa manana fampianarana tsara kokoa isika sy mpianatra ao amin’ny kilasy izay niomana ara-panahy tsara kokoa dia miaina zavatra tsara kokoa isika isaky ny alahady any am-piangonana. Voatahy isika satria matetika ny Fanahy dia mampitombo sy manamafy orina ny fiovam-po mandritra ny fotoana anatrehana any am-piangonana.

Ilay fandaharam-pampianarana vaovao izay manome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana dia ilaina mba handrisika bebe kokoa ny fiainana ny finoana sy ny fitondran-tena masina eo anivon’ny fianakaviana ary ny fiainana ny finoana sy ny fitondran-tena masina eo amin’ny tena manokana. Fantatsika ny fiantraikany ara-panahy sy ny fiovam-po lalina sy maharitra izay afaka miseho ao an-tokantrano. Taona maro lasa izay dia nisy fanadihadiana iray namoaka fa ho an’ny zatovolahy sy zatovovavy, ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia tena matetika miaraka amin’ny fandalinana ny soratra masina sy ny vavaka ataon’ny tena manokana any an-tokantrano. Ny tanjonay dia ny hampitovy lanja ny zavatra iainana any am-piangonana sy any an-tokantrano amin’ny fomba izay hampivelatra be tokoa ny finoana sy ny fiainam-panahy ary hampahalalina ny fiovam-po ao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo.

Ao anatin’ilay ampahany amin’ity fanovana ity izay ahitana ny fanomezana sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana, dia malalaka ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba hanapa-kevitra ombam-bavaka ny fomba sy ny fotoana hanatanterahana izany. Ohatra, satria tena hitahy tokoa ny fianakaviana rehetra izy ity, izay mifototra amin’ireo zavatra ilaina eo an-toerana, noho izany dia tena tsara raha miara-mivory any ivelan’ny fotoam-pivavahana mahazatra isaky ny alahady ireo tanora sy olon-dehibe tokan-tena, ireo olona hany mpikambana ao anatin’ny fianakaviany, sy ireo mpikambana vaovao,10 ary ny hafa mba hianoka ao anatin’ny fifaneraserana amin’ny alalan’ny filazantsara sy hahazo hery amin’ny alalan’ny fiarahana mandalina ilay fitaovana manome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana. Azo tanterahina amin’ny fomba tsotsotra izany ho an’ireo izay maniry ny hanao izany.

Any amin’ny faritra maro manerana an’izao tontolo izao dia misafidy ny hijanona ao amin’ny trano fiangonana ny olona aorian’ny fandaharam-potoana mahazatra isaky ny Alahady mba hifaneraserana amin’ny hafa. Tsy misy na inona na inona ao anatin’ity fanovana nambara ity izay hanembantsembana izany fomba fanao mahafinaritra sy mitondra soa izany.

Mba hanampiana ireo mpikambana hiomana amin’ny Sabata dia misy paroasy sasany efa mandefa fampahalalana amin’ny alalan’ny email, na hafatra fohy amin’ny finday na amin’ny alalan’ny tambazotran-tserasera eny antenantenan’ny herinandro. Eo anatrehan’ity fanovana ity dia mamporisika mafy ny hanaovana izany fomba fifandraisana izany izahay. Ireo fanasana ireo dia hampahatsiahy ireo mpikambana mikasika ny fandaharam-potoan’ny fivoriana isaky ny alahady ho an’izany herinandro izany, ka tafiditra ao anatin’izany ny lohahevitry ny lesona hianarana, ary hanohana ny fanohizana ny fifanakalozan-kevitra any an-tokantrano. Ankoatra izany, ao anatin’ireo fivorian’ny olon-dehibe isaky ny Alahady no hanomezana koa fampahalalana mba hampifandraisana ny fandalinana any am-piangonana sy any an-tokantrano isan-kerinandro.

Ilay fivoriana fanasan’ny Tompo sy ilay fotoana hianarana any amin’ny kilasy dia hitaky fandinihana ombam-bavaka mba hahazoana antoka fa ireo laharam-pahamehana ara-panahy no homena lanja fa tsy ny asa fitantanana izany. Ohatra, ireo filazana mikasika ny ankamaroan’izany dia azo tanterahina ao anatin’ilay fanaovana fanasana eny antenantenan’ny herinandro na ao anatin’ny fandaharam-potoana natao printy. Ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia tokony hisy vavaka fanokafana sy vavaka famaranana, fa vavaka famaranana fotsiny no ilaina ho an’ilay fivoriana faharoa.11

Araka ny efa voalaza tany aloha dia tsy hanomboka raha tsy amin’ny volana janoary 2019 ilay fandaharam-potoana vaovao isaky ny alahady. Misy antony maro mahatonga izany. Misy zavatra anankiroa tena manan-danja indrindra. Ny voalohany, dia mba hananana fotoana hizarana ny fitaovana Avia, hanaraka Ahy ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary, faharoa, mba hanomezana fotoana an’ireo filohan’ny tsatòka sy eveka handrindran’izy ireo ireo fotoam-pivoriana miaraka amin’ilay tanjona mba hisian’ny paroasy bebe kokoa hivory aloha ao anatin’ny andro iray.

Rehefa nikatsaka fanambarana ireo mpitarika, ny fitarihana azo tao anatin’izay taona vitsy lasa izay dia ny fanamafisana orina ny fivoriana fanasan’ny Tompo, ny fanajana ny andro Sabata, ny famporisihina sy fanampiana ny ray aman-dreny sy ny olona tsirairay mba hanao ny tokantranony ho toy ny loharanon’ny hery ara-panahy sy ny fitomboan’ny finoana, toerana iray ahitana fifaliana.

Fitahiana mahatalanjona

Inona no dikan’ireo fanovana ireo ho an’ireo mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany? Matoky izahay fa ho voatahy amin’ny fomba mahatalanjona ireo mpikambana. Ny alahady dia afaka ny ho andro fianarana sy fampianarana ny filazantsara any am-piangonana sy any an-tokantrano. Rehefa mirotsaka amin’ny fanaovana filankevitry ny fianakaviana, tantaram-pianakaviana, fanompoana, fitsaohan’ny tena manokana ary fotoam-piarahana mahafinaritra amin’ny fianakaviana ny olona tsirairay sy ny fianakaviana, dia ho tena fahafinaretana tokoa ny Sabata.

Sary
Ny fianakaviana Carvalho

Misy fianakaviana anankiray avy any Brésil izay mpikambana ao amin’ny tsatòka iray nanaovana fanandramana an’ilay fitaovana vaovao ho an’ny tokantrano Avia, hanaraka Ahy. I Fernando, ilay raim-pianakaviana, izay efa nahavita asa fitoriana ny filazantsara, sy i Nancy vadiny, ary manan-janaka kely efatra izy mivady, dia nanambara hoe: “Rehefa nampidirina tato amin’ny tsatòkanay ilay fandaharan’asa Avia, hanaraka Ahy, dia tena faly aho ary nieritreritra fa -hiova ny fomba fandalinanay ny soratra masina any an-tokantrano.- Tena nitranga tokoa izany tao an-tokantranonay ary amin’ny maha-mpitarika ahy ao amin’ny Fiangonana dia hitako fa nitranga izany tany amin’ireo tokantrano hafa. … Nanampy anay mba tena hifanakalo hevitra mikasika ny soratra masina izany tao an-tokantranonay. Nanana fahatakarana lalina an’ilay lohahevitra nohalalinina izaho sy ny vadiko. … Nanampy anay … mba hanatevina ny fahalalanay ny filazantsara izany sy hampitombo ny finoanay sy ny fijoroana ho vavolombelona anananay izany. … Mijoro ho vavolombelona aho … fa fantatro fa fanentanam-panahy avy amin’ny Tompo no nahatonga ny fandalinana tsy tapaka sy mahomby ireo fitsipika sy fotopampianarana hita ao amin’ny soratra masina, hitondra finoana sy fijoroana ho vavolombelona ary hazavana bebe kokoa ho an’ireo fianakaviana … ao anatin’ity tontolo efa mihalavo ity.”12

Nahazoana valinteny tena tsara mikasika ilay fitaovana vaovao ho an’ny tokantrano Avia, hanaraka Ahy avy tany amin’ireo tsatòka manerana an’izao tontolo izao izay nanaovana fanandramana an’ilay fandaharan’asa. Maro no nanao tatitra fa nivoatra izy ireo, ka raha namaky soratra masina teo aloha dia lasa nandalina ny soratra masina izao. Samy nahatsapa koa ny rehetra fa nampivoatra ny finoana sy nisy fiantraikany tena tsara teo amin’ny paroasy ilay zavatra niainana.13

Fiovam-po lalina sy maharitra

Ny tanjon’ireo fanovana ireo dia ny hahazoan’ireo olon-dehibe sy ny tanora vao misondrotra fiovam-po lalina sy maharitra. Ny pejy voalohan’ilay fitaovana ho an’ny fianakaviana sy ny isam-batan’olona dia manazava hoe: “Ny tanjon’ny fianarana sy fampianarana ny filazantsara dia ny mba hampahalalina kokoa ny fiovam-pontsika ary ny mba hanampiana antsika hitovy bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy. … Midika izany fa miantehitra amin’i Kristy mba hanova ny fontsika isika.”14 Izany dia tanterahina amin’ny alalan’ny fanoloran-tanana “mivoaka ny efitrano fianarana ka mankany amin’ny fo sy ny tokantranon’ny tsirairay. Mitaky fiezahana mahatakatra sy miaina ny filazantsara tsy tapaka sy isan’andro izany. Ny tena fiovam-po dia mitaky ny fitarihan’ny Fanahy Masina.”15

Ny tanjona tena manan-danjan’ny fiovam-po lalina sy maharitra ary ny fitahiana faratampony avy amin’izany dia ny fandraisana ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.16

Matoky anareo izahay eo amin’ny fiarahana mifanakalo hevitra sy mikatsaka fanambarana mba hametrahana ireo fanovana ireo, ka tsy hibanjina ny any ivelan’ny tanjona na hanandrana hanery ny olona tsirairay na ny fianakaviana tsy maintsy hanao izay tokony hataony. Hisy fampahalalana fanampiny hozaraina ao anatin’ireo filazana izay ho avy, ka tafiditra ao anatin’izany ny taratasy iray avy amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny taratasy fanampiny

Mijoro ho vavolombelona aho fa tao anatin’ireo fifanakalozan-kevitra nandritra ny Filankevitry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roaminifolo tany amin’ny tempoly ary taorian’ny fangatahan’ny mpaminany malalantsika fanambarana mba hirosoana amin’ny fanaovana ireo fanovana ireo, dia nisy fanamafisana mahery vaika voarain’ny rehetra. I Russell M. Nelson no Filohantsika sy mpaminanintsika velona. Ireo fanambarana natao androany dia hiteraka fitahiana lalina ho an’ireo izay mandray amim-pientanentanana ireo fanovana ireo ary mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Hanakaiky bebe kokoa ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika isika, ary izaho dia vavolombelony azo antoka. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Lahateny fanokafana,” Liahona, nôv. 2018, 8.

  2. Fantatsika koa fa eo amin’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny, dia efa tena nafohezina ny ankamaroan’ny fotoana ho an’ny fampahalalana sy ny fianarana ary na ny fialamboly aza.

  3. Hisy amin’ny endrika elektrônika sy endrika vita printy ity fandaharam-pampianarana ity.

  4. Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana (2019), 6.

  5. Jereo ny “Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kôlejin’ny Loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana,” Liahona, mey 2018, 140. Raha tokony ho isaky ny alahady faharoa sy fahatelo izany dia ho lasa isaky ny alahady faharoa sy fahefatra.

  6. Jereo ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, 4. Ny olona tsirairay sy ny fianakaviana no mamaritra hoe inona ao amin’ny fandalinana ny filazantsara ao an-tokantrano sy ny takariva iarahana ao an-tokantrano ary ireo fiaraha-mientan’ny mpianakavy no ho lasa takarivan’ny mpianakavy (izay efa antsoin’ny maro hoe takariva iarahana ao an-tokantrano). Satria ny olona tsirairay sy ny fianakaviana no hanapaka izany dia samy nampiasaina ao anatin’ireo fanovana nambara takariva iarahana ao an-tokantrano sy ny takarivan’ny mpianakavy.

  7. Jereo ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, 29.

  8. Jereo ny Russell M. Nelson, “Eo am-pandrosoantsika miaraka,” Liahona, apr. 2018, 7.

  9. Jereo ny Manuel 2: Administration de l’Église (2010), 2.2. Ireo andraikitra masina nanendrena “dia ahitana ny fanampiana ireo mpikambana mba hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny alalan’ny asa fitoriana, ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana, ary ny fanatanterahana ny famonjena ny maty amin’ny alalan’ny fanorenana tempoly sy fanaovana ôrdônansy isoloana tena.” Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110, izay ahitana ny tantaran’ny famerenana ireo fanalahidy tena ilaina.

  10. Mifantoha manokana amin’ireo ankizy izay tsy mpikambana ny ray aman-dreniny na indraindray vao miangona ny ray aman-dreniny. Afaka miaraka mivory koa amin’ny fianakaviana iray ireo tanora sy olon-dehibe tokan-tena sy ireo olona hafa raha toa ka mahasoa ny rehetra izany.

  11. Raha ny tokony ho izy dia tsy hisy mandritra ny fivoriana faharoa ny fotoam-panokafana.

  12. Fianakavian’i Fernando sy Nancy de Carvalho, Brésil.

  13. Ireo olona tsirairay sy fianakaviana izay nandray anjara tao anatin’ilay fanandramana, dia tamin’ny ankapobeny nandalina ny filazantsara matetika kokoa sy niaina fandalinana ny soratra masina sy fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara tany an-tokantrano tamin’ny fomba mafonja kokoa. Nitatitra izy ireo fa niaina fifanakalozan-kevitra tsotsotra bebe kokoa momba ny filazantsara niaraka tamin’ny fianakaviana sy ireo mpikambana tao amin’ny paroasy ary nankafy ny fandalinana ireo andian-tsoratra masina ireo koa niaraka tamin’ny fianakavian’izy ireo. Tena marina izany, indrindra ho an’ny zatovo.

  14. Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, v; jereo koa ny 2 Korintiana 5:17.

  15. Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, v.

  16. Jereo ny Russell M. Nelson, “Eo am-pandrosoantsika miaraka,” 7.