2018
Ireo fivoriana isaky ny alahady faharoa sy fahatelo
May 2018


Fivorian’ny filankevitra isaky ny Alahady faharoa sy fahatelo

Isaky ny alahady faharoa sy fahatelo amin’ny volana ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana dia hianatra avy amin’ireo fampianaran’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany indrindra. Ny hafatra avy amin’ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no tena tokony hifantohana. Azo resahina daholo anefa izay mety ho hafatra avy amin’ny fihaonambe farany indrindra, araka izay filàna eo an-toerana sy ny fitaoman’ny Fanahy.

Amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona, na ny Fikambanana Ifanampiana no hifidy hafatra avy amin’ny fihaonambe mba hohalalinina miainga avy amin’ny zavatra ilain’ireo mpikambana, na dia afaka manome sosokevitra aza ny eveka na ny filohan’ny tsatòka. Ny mpitarika dia afaka mifidy hafatra iray mifandray amin’ny lohahevitra noresahina tao amin’ny fivorian’ny filankevitra tamin’ny alahady voalohany vao tsy ela, na afaka mifidy hafatra miresaka lohahevitra hafa miainga avy amin’ny fitarihan’ny Fanahy izy ireo.

Ny mpitarika sy ny mpampianatra dia tokony hitady fomba hamporisihana ny mpikambana hamaky mialoha ny hafatra voafidy ka ho tonga hanatrika ny fotoam-pianarana am-pahavononana ny hizara fahamarinana ara-pilazantsara sy hevitra momba ny fomba hanaovana zavatra mifanaraka amin’izany. Ireo asa hoenti-mianatra naroso etsy ambany, izay mifototra amin’ireo fitsipika ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy dia afaka manampy ny mpikambana hianatra avy amin’ireo hafatra tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
President M. Russell Ballard

M. Russell Ballard, “Fanomezana sarobidy avy amin’ Andriamanitra,” 9–11

Milaza lohahevitra isan-karazany ny hafatry ny Filoha Ballard, tafiditra amin’izany ny mpaminany, ny finoana an’i Kristy, ny fanasan’ny Tompo, ary ny asa fanompoana, ary mety hahita lohahevitra tena manan-danja manokana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na ny Fikambanana Ifanampiana. Asao ny mpikambana mba hizara zavatra avy amin’io hafatra io izay manome fitaomam-panahy azy ireo. Inona no fanasana na fitahiana nampanantenaina hitantsika ao amin’ny hafatry ny Filoha Ballard? Asao ireo mpikambana mba hisaintsaina ao anatin’ny minitra vitsy ny zavatra tsapany fa itaoman’ny Fanahy azy mba ho ataony noho ity fifanakalozan-kevitra ity.

Sary
Elder Gary E. Stevenson

Gary E. Stevenson, “Ny fon’ny mpaminany,” 17–20

Mba hanampiana ireo mpikambana “hahatakatra hoe hatraiza ny lanjan’ny” fiantsoana mpaminany iray vaovao, dia azonao asaina ireo mpikambana hikaroka ao amin’ny hafatry ny Loholona Stevenson mba hitady fahamarinana sy hevi-baovao izay manampy azy ireo hahatakatra ny maha-zava-dehibe sy ny maha-masina an’io dingana masina io. Asao ireo mpikambana mba hizara ny zavatra tsapan’izy ireo nandritra ilay fivoriana masina izay nanohanana ny Filoha Nelson ho Filohan’ny Fiangonana. Azonao atao ihany koa manao sarina fo eny amin’ny solaitrabe dia hangataka ireo mpikambana mba hanoratra ao anatin’izany teny na andian-teny izay manoritsoritra ny fo sy ny toetran’ny Filoha Nelson. Inona no zavatra nampianariny izay nitahy antsika?

Sary
Elder Neil L. Andersen

Neil L. Andersen, “Ilay mpaminanin’ Andriamanitra,” 24–27

Ny fifanakalozana hevitra momba ny hafatry ny Loholona Andersen dia afaka mampatanjaka ny finoan’ny mpikambana ny mpaminany velona. Azonao asaina izy ireo mba hitady ao amin’io hafatra io zavatra izay manampy azy ireo hahatakatra ny antony ananan’ Andriamanitra mpaminany eto an-tany sy ny antony hanarahantsika azy ireny. Tamin’ny fomba ahoana no naha-voatahy antsika noho ny fananantsika mpaminany? Azon’ny mpikambana zaraina ny fomba nahazoany fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny hoe ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminanin’ny Tompo sy Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Sary
Elder David A. Bednar

David A. Bednar, “Malemy fanahy sy mietry am-po,” 30–33

Mba hanomezana fitaomam-panahy momba ny hafatry ny Loholona Bednar dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Ny fahalemem-panahy dia … sy ny hoe Ny fahalemem-panahy dia tsy … Afaka mikaroka ao amin’ny hafatry ny Loholona Bednar avy eo ny mpikambana ka hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo andian-teny hitan’izy ireo izay mameno ireo filazana ireo. Inona no zavatra ianarantsika avy amin’io hafatra io izay mitaona antsika mba halemy fanahy kokoa? Inona no ohatry ny fahalemem-panahy izay azontsika eritreretina? Ahoana no hampiharantsika ny torohevitry ny Loholona Bednar mba ho lasa malemy fanahy kokoa?

Sary
Sister Bonnie L. Oscarson

Bonnie L. Oscarson, “Zatovovavy ao anatin’ilay asa,” 36–38

Ny fametrahana fanontaniana dia fomba iray mba hanasana ny fisaintsainana. Manorata fanontaniana vitsivitsy eny amin’ny solaitrabe izay valian’ny hafatry Rahavavy Oscarson, toy ny hoe Ahoana no hampandraisantsika anjara ny zatovovavy ao amin’ny asan’ny Tompo? Asao ireo mpikambana mba hikaroka ao amin’ny hafany ny valin’ireo fanontaniana ireo ka hifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany. Inona no fitahiana tonga rehefa mandray anjara ao amin’ny fanompoana ny zatovovavy. Angamba afaka mizara zavatra niainana niarahana tamin’ireo zatovovavy ny mpikambana ao amin’ny kilasy. Raha miainga avy amin’ny fifanakalozan-kevitra nataontsika, inona itaoman’ny Fanahy mba hataontsika?

Sary
Elder Dale G. Renlund

Dale G. Renlund, “Tantarampianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: Famehezana sy fanasitranana,” 46–49

Niresaka momba ny fahitan’i Ezekiela ny tempoly iray izay nisy rano niboiboika avy tao aminy ny Loholona Renlund (jereo ny Ezekiela 47:8–9). Angamba afaka manao ny sarin’ity fahitana ity eny amin’ny solaitrabe ny mpikambana iray ao amin’ny kôlejy na ny Fikambanana Ifanampiana. Inona no mampitovy ireo fitahiana avy amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asan’ny tantaram-pianakaviana amin’ilay rano ao amin’ny fahitan’i Ezekiela? Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara fitahiana niainany avy tamin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asan’ny tantaram-pianakaviana. Inona no azontsika atao mba hahatonga ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asan’ny tantaram-pianakaviana ho zavatra fanaontsika mahazatra kokoa eo amin’ny fiainantsika?

Sary
Elder D. Todd Christofferson

D. Todd Christofferson, “Ny kôlejin’ny Loholona,” 55–58

Ao amin’ny kôlejin’ny loholona dia azonao asaina ireo mpikambana mba hamaky ilay fizarana ao amin’ny hafatry ny Loholona Christofferson mitondra ny lohateny hoe “Ny tanjon’ireo fanovana ireo.” Inona no azontsika atao mba hahazoana antoka fa manatanteraka ireo tanjona ireo isika? Ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia azonao atao ny mangataka olona iray mba hamintina ireo fiovana amin’ny kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka izay nofaritan’ny Loholona Christofferson. Azon’ireo rahavavy fantarina avy eo ireo fitsipika mivoitra avy amin’ireo fiovana ireo izay azo ampiharina amin’ny asan’ny Fikambanana Ifanampiana izay misy anao. Ao amin’ny kôlejin’ny loholona na ny Fikambanana Ifanampiana dia afaka mifanakalo hevitra ireo mpikambana momba ny zavatra ianarany avy amin’ny tantaran-dRahalahy Goates sy ny fomba hampiharana izany amin’ny asany.

Sary
Elder Ronald A. Rasband

Ronald A. Rasband, “Endrey! Ny tafiky ny mpanjaka,” 58–61

Angamba mety hanampy amin’ny hitarihana fifanakalozan-kevitra momba ny hafatry ny Loholona Rasband ny fiarahana mihira na mihaino na mamaky ny tonon’ilay fihirana hoe “Behold! A Royal Army” (Hymns, no. 251). Inona no mampitovy ny kôlejin’ny fisoronana sy ny Fikambanana Ifanampiana amin’ny tafiky ny mpanjaka iray? Azon’ireo mpikambana tadiavina sy ifanakalozana hevitra ihany koa ireo “fitahiana marobe” izay resahin’ny Loholona Rasband fa azo avy amin’ny fanavaozana ny firafitry ny kôlejin’ny fisoronana. Inona no fitahiana hafa efa azontsika, na antenaintsika mba ho azo, avy amin’ny fanatanterahana ireo fiovana ireo? Ahoana no ahafahan’ireo Fikambanana Ifanampiana handray bebe kokoa ireo fitahiana toy ny “karazana fanomezam-pahasoavana” sy ny “fanofanana”?

Sary
President Henry B. Eyring

Henry B. Eyring, “Asa fanompoana entanim-panahy,” 61–64

Miresaka momba ny lahateny anankiroa tamin’ny fivoriana Fanasan’ny Tompo mikasika ny fanompoana izay nahatalanjona azy ny Filoha Eyring. Angamba azonao angatahina ny antsasaky ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na ny Fikambanana Ifanampiana mba hamerina hijery ireo teny nolazain’ilay zazalahy 14 taona ary ny antsasany hafa hijery ny tantaran’ilay mpampianatra isan-tokantrano. Eo am-pamakian’izy ireo dia afaka mieritreritra torohevitra izay mety homeny ny zatovolahy na ny zatovovavy iray izay vao notendrena hanompo olona iray izy ireo. Ahoana no ahafahantsika ho lasa “entanim-panahy sy be fiantrana kokoa eo amin’ny … asa fanompoana ataontsika”?

Sary
President Dallin H. Oaks

Dallin H. Oaks, “Ny herin’ny fisoronana,” 65–68

Mba hitarihana ny fifanakalozan-kevitra dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny lohatenin’ireo fizarana efatra ao amin’ny hafatry ny Filoha Oaks. Dia asao ny mpikambana tsirairay mba hamaky fizarana iray amim-pahanginana ary avy eo dia hanoratra fehezan-teny iray izay mamintina ny hafatra fototr’ilay fizarana eo amin’ny solaitrabe. Afaka mizara ny zavatra tsapany fa itaoman’ny Fanahy azy mba hataony noho ny zavatra vakiny avy eo ireo mpikambana. Amin’ny fomba ahoana no hampivoatra ny fanompoana ataontsika amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana na amin’ny maha-rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana antsika rehefa mampihatra ireo fampianarana ao amin’ny hafatry ny Filoha Oaks isika?

Sary
President Russell M. Nelson

Russell M. Nelson, “Manompo amin’ny Hery sy Fahefan’ Andriamanitra,” 68–75

Manasa ireo mpihazona ny fisoronana ny Filoha Nelson mba “hifoha” sy hampiasa ny fisoronana hitahiana ireo Zanaky ny Ray any An-danitra. Asao ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na ny Fikambanana Ifanampiana misy anao mba hikaroka amin’ireo ohatra nomeny ary hifanakalo hevitra ny amin’ny fomba hanampian’izy ireo antsika hahatakatra ny fomba azo ampiasaina ny fisoronana mba hitahiana ny fianakaviany sy ny hafa. Inona no traikefa azontsika zaraina rehefa notahiana tamin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana isika? Ahoana no ahafahantsika manampy ny hafa na ny tenantsika mba hanana finoana hampiasa ny fisoronan’ Andriamanitra mba “hanompo amin’ny anarany”?

Sary
Sister Reyna I. Aburto

Reyna I. Aburto, “Niray saina,” 78–80

Ny hafa-dRahavavy Aburto dia manome fahafahana ny kôlejy sy ny Fikambanana Ifanampiana misy anao mba hanombatombana ny hatsaran’ny fiasanareo amim-piraisan-kina mba hanao ny asan’ny Tompo. Mba hanampiana ny mpikambana hanao izany dia azonao atao ny maneho sarina lolo monarque, sy ny fitsidihan’ny Mpamonjy an’ireo Nefita (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, 82, 83, 84), ary ny asa fanampiana olona ataon’ny Fiangonana (jereo ny LDS.org). Afaka mikaroka ao amin’ilay hafatra ny mpikambana ary hahita ny fomba nampiasain-dRahavavy Aburto ireo hafatra ireo mba hampianarana momba ny tanjona sy ny fitahian’ny fiasana ao anatin’ny firaisan-kina. Inona no azontsika atao mba “hiray saina” rehefa manao zavatra?

Sary
President Henry B. Eyring

Henry B. Eyring, “Ny Fanahiny miaraka aminareo,” 86–89

Mba hampitomboana ny faniriantsika sy ny fahafahantsika mandray ny Fanahy Masina, dia nizara zavatra niainana manokana maromaro ny Filoha Eyring ary nanome fitarihana manokana. Rehefa avy nijery ireo zavatra niainana ireo ianao, inona no fahatsiarovana mitovitovy amin’izany izay azon’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na ny Fikambanana Ifanampiana misy anao zaraina rehefa nanohina ny fon’izy ireo na nanamafy fahamarinana tamin’izy ireo ny Fanahy Masina? Angamba azon’ireo mpikambana atao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny fitarihana izay nozarain’ny Filoha Eyring mba hanampy “hanokatra ny fontsika handraisana ny fiasan’ny Fanahy.” Amin’ny fomba ahoana no anampian’ny fanarahana ny fitarihany antsika eo amin’ny fiainantsika manokana sy amin’ny fiainan’ny fianakaviantsika? ao amin’ny kôlejy na ny Fikambanana Ifanampiana misy antsika?

Sary
President Dallin H. Oaks

Dallin H. Oaks, “Zava-madinika sy tsotra,” 89–92

Ny hafatry ny Filoha Oaks dia ahitana fanoharana izay mampianatra ny fomba ahafahan’ny zavatra tsotra sy madinika hitondra fiantraikany mahery vaika tsara na ratsy. Anisan’ireo fanoharana ireo ny fakan’ny hazo, ekipa mpivoy lakana, tsiratsiraky ny tady, ary rano mitete. Azon’ny mpikambana atao ny mamaky ireo fanoharana ireo ary hifanakalo hevitra ny amin’ny zavatra ampianarin’izy ireo momba ny herin’ny fanaovana zavatra madinika sy tsotra. Inona avy ireo zavatra madinika sy tsotra izay mitondra ny fitaoman’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika? Asao ireo mpikambana mba hisaintsaina ny zavatra itaoman’ny fanahy mba hataon’izy ireo hanarahana ny torohevitry ny Filoha Oaks.

Sary
President Russell M. Nelson

Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” 93–96

Ao amin’ity hafatra ity ny Filoha Nelson dia miangavy antsika hampitombo ny “fahafahan[tsika] ara-panahy mandray fanambarana.” Mba hanampiana ny mpikambana hanaraka io torolalana io dia azonao atao ny manoratra fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe: Nahoana isika no mila fanambarana? Ahoana no ahafahantsika mampitombo ny fahafahantsika mandray fanambarana, na izany manokana na rehefa mifampila hevitra isika? Inona ireo fitahiana nampanantenain’ny Filoha Nelson raha toa ka mikatsaka fanambarana isika? Zarao ho vondrona maromaro ny mpikambana, ary asao ny vondrona tsirairay mba hitady sy hizara valin’ny iray amin’ireo fanontaniana ireo.

Sary
Elder Gerrit W. Gong

Gerrit W. Gong, “Tafatsangana i Kristy,” 97–98

Inona no zavatra azon’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na Fikambanana Ifanampiana misy anao ianarana avy amin’ny hafatry ny Loholona Gong momba ny fanekempihavanantsika sy ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy? Azonao atao ny manasa ireo mpikambana mba hikaroka ao amin’ilay hafatra ka hitady ireo fitahiana atolotry ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny fanekempihavanantsika, izay miasa miaraka, ho antsika. Dia mametraha fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto mikasika ny zavatra hitany: Manao ahoana ny fiasan’ny fanekempihavanantsika sy ny Sorompanavotana miaraka mba “hanandratra kokoa” antsika? Manampy antsika mba hifikitra amin’ny inona sy hanatsahatra inona izany?

Sary
Elder Ulisses Soares

Ulisses Soares, “Miteny amin’ny herin’ny Fanahy Masina ireo mpaminany,” 98–99

Afaka mitondra fanentanam-panahy ho antsika ny hafatry ny Loholona Soares mba hiasa am-pinoana rehefa mahatsapa ho tsy ampy fahaizana eo amin’ny fanaovana ny sitrapon’ Andriamanitra isika. Tamin’ny fomba ahoana no nahazoan’ny Loholona Soares fankaherezana sy toky rehefa nahazo ny antsony vaovao amin’ny maha-Apôstôly azy izy? Inona no zavatra nianarany avy tamin’ny zavatra niainany tamin’ny niantsoana azy ho filohan’ny misiôna? Inona no zavatra azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainany? Omeo fotoana ireo mpikambana mba hizara zavatra niainana izay nahatsapan’izy ireo ho tsy natoky tena tamin’ny zavatra tian’ny Tompo nataon’izy ireo. Inona no nataon’izy ireo mba hahita ny finoana nentina nandroso?

Sary
Elder Jeffrey R. Holland

Jeffrey R. Holland, “Miaraka amin’izy ireo sy manatanjaka azy,” 101–3

Rehefa nahare ireo fiovana amin’ny “fijery ny fanompoan’ny fisoronana sy ny Fikambanana Ifanampiana” ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na ny Fikambanana Ifanampiana misy anao, inona no fanontaniana nananan’izy ireo? Mety mitondra valinteny ny hafatry ny Loholona Holland. Azon’ireo mpikambana atao ny mijery ireo fitsipiky ny filazantsara izay ampianarin’ny Lohona Holland fa fototr’ireo fiovana ireo. Inona no fanasana hitantsika ao amin’ny hafany? Inona avy ireo fitahiana nampanantenaina antsika? Amin’ny fomba ahoana ireo fomba vaovao entina manompo ireo no manampy antsika ho lasa “tena mpianatr’i Kristy”?

Sary
Sister Jean B. Bingham

Jean B. Bingham, “Manompo tahaka ny ataon’ny Mpamonjy,” 104–7

Ao amin’ny hafany, ny Rahavavy Bingham dia manasa antsika mba hametraka fanontaniana amin’ny tenantsika izay afaka mitarika ny ezaka ataontsika amin’ny fanompoana. Azon’ireo mpikambana atao ny mifanakalo hevitra momba ny fomba hitarihan’ireo fanontaniana ireo ny ezaka ataony ary avy eo dia tadiavo ny valin’ny fanontanian-dRahavavy Bingham hoe: “Koa manao ahoana ary izany [fanompoana izany]?” Azonao atao ny mandany fotoana mijery ireo ohatra izay zarain-dRahavavy Bingham momba ny olona manompo ary asao ireo mpikambana mba hizara ohatra avy amin’izy ireo. Inona no zavatra hitantsika ao amin’ny hafa-dRahavavy Bingham izay mampitombo ny fahatakarantsika ny antony sy ny fomba hanompoantsika?

Sary
Elder Dieter F. Uchtdorf

Dieter F. Uchtdorf, “Indro ny Lehilahy!,” 107–10

Ahoana no mety hanampiantsika olona iray mba hahatakatra fa ny sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty no tranga manan-danja indrindra teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao? Asaivo misaintsaina io fanontaniana io ny mpikambana eo am-pamakian’izy ireo ny ampahany amin’ny hafatry ny Loholona Uchtdorf. Inona no zavatra hitan’izy ireo izay hanampy amin’ny fanazavana ny antony maha-tena manan-danja aminy ireo tranga ireo? Aorian’io fifanakalozan-kevitra io dia azon’iray kilasy atao ny miresaka momba ny dikan’ny fanarahana ny filazana hoe “indro ny lehilahy.” Tamin’ny fomba ahoana no nianarantsika nanaraka ny filazana hoe “indro ny lehilahy”?

Sary
Elder Quentin L. Cook

Quentin L. Cook, “Miomàna hihaona amin’ Andriamanitra,” 114–17

Azonao atomboka amin’ny fanasana mpikambana iray hamintina ny famerenana amin’ny laoniny ny fanalahidin’ny fisoronana tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ny fifanakalozan-kevitra ataonareo momba ny hafatry ny Loholona Cook. Araka ny hafatry ny Loholona Cook, inona no andraikitry ny Fiangonana izay mifandraika amin’ireo fanalahidy ireo? Amin’ny fomba ahoana no isehoan’ireo andraikitra ireo ato amin’ny Fiangonana ankehitriny? Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe fahamarinana, firaisan-kina, ary fitoviana, dia asao ireo mpikambana mba hizara ireo hevi-baovao voarain’izy ireo momba ny tsirairay amin’ireo fitsipika avy amin’ny hafatry ny Loholona Cook ireo. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo fitsipika ireo antsika hanatanteraka ireo andraikitra masina sahanin’ny Fiangonana?