2018
Hatramin’ny fito-polo im-pito
May 2018


Hatramin’ny fito-polo im-pito

Eo anivon’ny fiainana feno sakana sy tsy fahalavorariana, dia feno fankasitrahana avokoa isika noho ireo fahafahana mamerina manandrana indray.

Zavatra miseho isan’andro ny fahadisoana. Tsy azo heverina mihitsy ny hianatra hitendry pianô amim-pahakingana kanefa tsy manao fahadisoana an’arivony, mety ho iray tapitrisa mihitsy aza. Raha hianatra teny vahiny iray dia tsy maintsy miatrika ny henatra noho ny fanaovana fahadisoana an’arivony ny olona iray. Mety ho iray tapitrisa mihitsy aza. Na ireo atleta mahay indrindra eto an-tany aza dia tsy mitsahatra manao hadisoana.

“Ny fahombiazana” araka ny voalaza, “dia tsy hoe tsy fisian’ny tsy fahombiazana, fa ny fandalovana amin’ny tsy fahombiazana misesisesy kanefa mbola mafana fo hatrany.”1

Rehefa avy namorona ny takamoa i Thomas Edison dia nilaza tamim-pahasahiana hoe: “Tsy hoe tsy nahomby in’arivo aho. Fa asa famoronana nila dingana 1.000 ilay takamoa.”2 I Charles F. Kettering dia niantso ny tsy fahombiazana hoe “fitaovana manondro ny lalan-kaleha mankamin’ny fahombiazana.”3 Enga anie ny fahadisoana tsirairay ataontsika ka ho lasa lesona hahazoana fahendrena, izay mamadika ny vatomisakana ho lasa tohatra fiakarana.

Ny finoana tsy voahozongozona nananan’i Nefia dia nanampy azy handalo tsy fahombiazana hatrany hatrany mandra-pahazoany ireo takela-barahina nony farany. Nila nanao andrana im-polo i Mosesy talohan’ny nahitany fahombiazana ihany nony farany tamin’ny fitsoahana an’i Egypta niaraka tamin’ny zanak’Isiraely.

Mety hanontany tena isika hoe raha samy iraky ny Tompo i Nefia sy i Mosesy dia nahoana ny Tompo no tsy nirotsaka an-tsehatra ka nanampy azy ireo hahita fahombiazana tamin’ny andrana voalohany nataon’izy ireo? Nahoana Izy no namela azy ireo, ary nahoana Izy no mamela antsika handalo zava-tsarotra sy olana maro ary tsy ho tafita rehefa miezaka hahomby isika? Ireto misy valin-teny vitsivitsy amin’ireo valin-teny manan-danja maro azo hamaliana io fanontaniana io:

  • Voalohany, ny Tompo dia mahafantatra fa “ireo zavatra rehetra ireo dia hanome [antsika] traikefa ary ho soa ho [antsika] izany.”4

  • Faharoa, mba hamelana antsika “hanandrana ny mangidy mba hahaiza[ntsika] mankamamy ny tsara.”5

  • Fahatelo, mba hanaporofoana fa “an’i Jehovah ny ady,”6 ary amin’ny alalan’ny fahasoavany ihany no ahafahantsika manatanteraka ny asany sy hahatongavantsika ho tahaka Azy.7

  • Fahefatra, mba hanampiana antsika hanana sy hampitombo toetra tahaka ny an’i Kristy maro dia maro, izay tsy ho azo raha tsy amin’ny alalan’ny fifanoherana8 sy ny “memin’ny fahoriana.”9

Ka noho izany, eo anivon’ny fiainana feno sakana sy tsy fahalavorariana, dia feno fankasitrahana avokoa isika noho ireo fahafahana mamerina manandrana indray.

Tamin’ny 1970, fony aho mpianatra vaovao tao BYU, dia nisoratra anarana tamin’ny taranja fototra iray momba ny fizika fototra aho izay nampianarin’i Jae Ballif, izay prôfesora tena mahay. Isaky ny vita ny fizarana tsirairay tamin’ilay taranja dia nampanao fanadinana izy. Raha nisy mpianatra nahazo 11/20 ka naniry hahazo naoty tsara kokoa, dia navelan’ny Prôfesora Ballif nanao fanadinana nasiam-panovana mahakasika ireo zavatra efa nanadinana ihany ilay mpianatra. Raha nahazo 14/20 ilay mpianatra tamin’ny andrana faharoa ka tsy mbola afapo, dia afaka namerina ilay fanadinana fanintelony izy, sy faninefany, sns. Noho ny nanomezany ahy fahafahana marobe hamerina hanandrana, dia nanampy ahy hivoatra izy ka nahazo 18/20 tamin’ilay taranjany aho.

Sary
Prôfesora Jae Ballif

Prôfesora tena hendry izy, izay nitaona ny mpianany hiezaka hatrany, ka handray ny tsy fahombiazana toy ny zavatra hianaran-javatra, fa tsy toy ny zavatra mampalahelo, ary tsy hatahotra ny tsy fahombiazana fa hianatra avy amin’izany.

Vao haingana aho no niantso an’io lehilahy manana ny maha-izy azy io 47 taona taorian’ny nianarako ny taranja fizika nampianariny. Nanontaniako azy ny antony nahatonga azy vonona ny hanome fahafahana hanaovana andrana tsy voafetra ho an’ny mpianatra hanatsarana ny naotin’izy ireo. Izao no navaliny: “Te hiaraka amin’ireo mpianatra aho tao anatin’ilay ady.”

Raha toa isika ka feno fankasitrahana noho ny fahafahana manandrana indray omena antsika aorian’ny fahadisoana, na ny tsy fahatakaran’ny saintsika, dia mampitolagaga antsika kosa ny fahasoavan’ny Mpamonjy amin’ny fanomezany antsika fahafahana manandrana indray eo amin’ny fandresena ny fahotana, na ny tsy fahaizantsika misafidy.

Tsy misy na iza na iza maniry kokoa ny fahombiazantsika mihoatra noho ny Mpamonjy. Mamela antsika hanandrana sy hamerina hanandrana hatrany Izy hanehoantsika izay zavatra azontsika atao. Ny fahatongavana ho tahaka Azy dia mitaky fahafahana mamerina indray marobe ao anatin’ny ady ataontsika isan’andro amin’ilay maha-olona araka ny nofo antsika, toy ny fifehezana ny filàna, ny fianarana faharetana sy famelana heloka, ny fandresena ny hakamoana, ary ny fisorohana ny fahotana noho ny tsy fanaovana izay zavatra tokony hatao, raha tsy hitanisa afa-tsy vitsivitsy. Raha toa ka efa toetran’olombelona ny fanaovana fahadisoana, dia tsy fahombiazana firy izany no ho lalovantsika mandra-pahatongan’ny toetrantsika ho tsy araka ny nofo intsony fa ho masina? An’arivony ve? Iray tapitrisa angamba raha ny marina kokoa.

Satria fantatry ny Mpamonjy fa ilay lalana ety sy tery dia feno fisedrana ary ny tsy fahombiazana dia zava-mitranga eo amintsika isan’andro, dia nanefa sarany tsy misy fetra Izy mba hanomezana fahafahana vaovao betsaka araka izay ilaintsika mba hahatontosantsika am-pahombiazana ny fitsapana antsika eto an-tany. Ny fifanoherana izay avelany hisy dia matetika mety toa tsy ho hay resena ary saika tsy hay zakaina, kanefa tsy mamela antsika tsy hanana fanantenana Izy.

Mba hihazonana ny fanantenantsika ho matanjaka hatrany eo am-piatrehantsika ireo fisedran’ny fiainana dia vonona lalandava sy eo foana ny fahasoavan’ny Mpamonjy. Ny fahasoavany dia “fomba hanampiana sy hanomezana tanjaka avy any an-danitra, … hery manampy izay manome fahafahana ny lehilahy sy ny vehivavy mba hahazo ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana rehefa nanao ezaka tsara indrindra avy aminy izy ireo.”10 Ny fahasoavany sy ny masony feno fitiavana dia mitsinjo antsika mandritra ny androm-piainantsika manontolo rehefa manentana ny fanahy Izy, manamaivana ny enta-mavesatra, mampatanjaka, manafaka, miaro, manasitrana, ary koa “[manampy] ny vahoakany,” na dia rehefa mianjera eo amin’ny lalana ety sy tery aza izy ireo.11

Ny fibebahana no fanomezan’ Andriamanitra azo ampiasaina mandrakariva izay mamela antsika sy manome fahafahana antsika handalo amin’ny tsy fahombiazana misesisesy kanefa mbola mafana fo hatrany. Ny fibebahana dia tsy hoe drafitra atao fiandry sao dia ho lavo isika. Ny fibebahana no drafiny, satria fantany fa hanao fahadisoana isika. Izany no filazantsaran’ny fibebahana, ary araka ny voalazan’ny Filoha Russell M. Nelson dia “ho zavatra ianarana mandritra ny fiainana iray manontolo izany.”12

Ao anatin’io zavatra ianarana mandritra ny fiainana manontolo momba ny fibebahana io, dia ny fanasan’ny Tompo no fomba notendren’ny Tompo hanomezany fahafahana tsy tapaka handray ny famelan-keloka atolony. Raha mandray izany amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina isika, dia manome antsika famelan-keloka isan-kerinandro Izy rehefa mandroso hatrany isika na dia mandalo tsy fahombiazana misesisesy aza eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Fa “na dia eo aza ny fahotany, dia feno fangorahana aminy ny kiboko.”13

Fa ny fanontaniana dia hoe im-piry Izy no hamela antsika? Hatramin’ny oviana ny fahari-pony? Indray mandeha i Petera dia nanontany ny Mpamonjy hoe: “Tompoko, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin’ny im-pito va?”14

Sary
Petera sy i Jaona

Tsy hisalasalana fa i Petera dia nieritreritra fa ny fito dia isa ampy hanamafisana ny maha-hadalana ny famelana im-betsaka loatra, ka tokony hisy fetrany ny hatsaram-panahy. Ho valin’izany dia nilaza indrindra indrindra tamin’i Petera ny Mpamonjy mba tsy hanisa akory aza, mba tsy hanisy fetra ny famelana heloka.

“Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny [fito-polo im-pito].”15

Mazava tsara fa tsy hoe nametraka fetra farany ambony ho 490 akory ny Mpamonjy. Fa izany dia ho azo ampitahaina amin’ny filazana fa ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia voafetra ho in-490, ary eo amin’ny faha-491 dia hiditra an-tsehatra ny olona iray avy any an-danitra ka hiteny hoe: “Tena miala tsiny aho fa tsy manan-kery intsony ny karatry ny fibebahanao. Manomboka eto dia miady irery ianao.”

Ny Tompo dia nampiasa ny kajin’ny im-pitopolo im-pito ho toy ny sarin-teny hilazana ny Sorompanavotany tsisy fetra, ny fitiavany tsisy fetra, ary ny fahasoavany tsisy fetra. “Eny, ary isaky ny mibebaka ny oloko dia Izaho hamela ny fahadisoany Tamiko.”16

Tsy midika akory izany hoe lasa fanomezana lalana hanota ny fanasan’ny Tompo. Izany no antony iray nampidirana ity fehezan-teny ity tao amin’ny bokin’i Môrônia hoe: “Nefa arakaraka ny nibebahany sy ny nitadiavany famelana tamin’ny finiavana marina, no namelana azy.”17

Ny finiavana marina dia midika hoe miaraka amin’ny ezaka marina sy fiovana marina. “Fiovana” no teny fototra nampiasain’ny Torolalana ho an’ny soratra masina mba hamaritana ny fibebahana: “Fiovan-tsaina sy fiovam-po izay miteraka fihetsika vaovao amin’ Andriamanitra, amin’ny tena, ary amin’ny fiainana ankapobeny.”18 Izany karazana fiovana izany dia lasa fivoarana ara-panahy. Noho izany, ny fahombiazantsika dia tsy fandalovana amin’ny tsy fahombiazana misesisesy fa fivoarana avy amin’ny tsy fahombiazana misesisesy kanefa mbola mafana fo hatrany.”

Mahakasika ny fiovana, dia diniho ity hevitra tsotra ity: “Ny zavatra tsy miova dia mijanona amin’izay toetrany eo ihany.” Izany fahamarinana mibaribary izany dia tsy fiheverana anareo ho vendrana akory fa fahendrena lalina an’ny Filoha Boyd K. Packer, izay nanampy an’izao avy eo hoe: “Ary rehefa tsy miova intsony isika—dia tsy hivoatra intsony.19

Satria tsy maniry ny tsy hivoatra intsony isika mandra-pahatongavantsika ho tahaka ny Mpamonjy,20 dia mila manohy miarina isika isaky ny lavo, manam-paniriana hitombo sy handroso hatrany na eo aza ireo fahalementsika. Amin’ny fahalementsika dia nanome toky antsika Izy hoe: “Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena.”21

Amin’ny alalan’ny fanaovana indray mijery ny vanimpotoana maharitra na ny kisary maneho fivoarana ihany no ahafahantsika mamantatra ny fitomboantsika ara-batana. Toy izany koa, ny fivoarantsika ara-panahy dia mazàna tsy hita akory raha tsy hoe manao jery todika izay nitranga tany aloha isika. Ho fahendrena ny mandini-tena amin’ny fijerena matetika ny lasa tahaka izany mba hahafantarana ny fivoarantsika sy hanentanana antsika “hibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy, amin’ny fananana fanantenana mamirapiratra.”22

Feno fankasitrahana mandrakizay aho noho ny lemim-panahy, sy ny faharetana, ary ny faharipo feno fitiavana ananan’ireo Ray aman-dreny any an-danitra sy ny Mpamonjy, izay manome antsika fahafahana marobe hamerenana indray eo amin’ny dia ataontsika hiverenana eo anatrehan’Izy ireo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Io teny nindramina io dia voalaza fa avy amin’ny mpanoratra isan-karazany, anisan’izany i Abraham Lincoln sy i Winston Churchill.

  2. Thomas Edison, ao amin’ny Zorian Rotenberg, “To Succeed, You Must Fail, and Fail More,” 13 Nôv 2013, -insightsquared.com.

  3. Charles F. Kettering, ao amin’ny Thomas Alvin Boyd, Charles F. Kettering: A Biography (1957), 40. Io teny io dia matetika no voalaza koa hoe avy amin’i C. S. Lewis.

  4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:7. Na ny Mpamonjy aza dia “nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny” (Hebreo 5:8). Raha toa ireo soratra masina ireo ka miresaka ny fahoriana sy ny fijaliana noho ny tontolo iainantsika na ny toe-javatra tsy manjary iainantsika, ireo fahadisoana ataontsika dia natao ihany koa hahasoa antsika raha misintona lesona avy amin’izy ireny isika.

  5. Mosesy 6:55.

  6. 1 Samoela 17:47; jereo koa ny 1 Nefia 3:29.

  7. Jereo ny Jakôba 4:7.

  8. Jereo ny 2 Nefia 2:11.

  9. Isaia 48:10; 1 Nefia 20:10.

  10. Bible Dictionary, “Grace”; nampiana fanamafisana.

  11. Almà 7:12.

  12. Russell M. Nelson, ao amin’ny Dallin H. Oaks and Neil L. Andersen, “Repentance” (lahateny natolotra nandritra ny seminera iray ho an’ireo filohan’ny misiona vaovao, 26 Jona 2015), 11.

  13. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:9.

  14. Matio 18:21.

  15. Matio 18:22.

  16. Môsià 26:30; nampiana fanamafisana.

  17. Môrônia 6:8; nampiana fanamafisana.

  18. Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fibebahana,” scriptures.lds.org.

  19. Boyd K. Packer (Kingsland Georgia Stake conference, Aug. 1997).

  20. Jereo ny 3 Nefia 27:27.

  21. 2 Korintiana 12:9; jereo koa ny Etera 12:27.

  22. 2 Nefia 31:20