2018
Elder Kyle S. McKay
May 2018


Loholona Kyle S. McKay

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sary
Elder Kyle S. McKay

Ankoatra ny fianakaviany sy ny Fiangonana, dia ny fitaingenany ny soavaly mandehandeha eny an-tendrombohitra no zavatra tena tian’ny Loholona Kyle S. McKay.

“Tsy izany akory no finoana arahiko,” hoy izy, “saingy tsy isalasalana fa nanamafy orina ny [finoako] izany. Ampifandimbiasiko eo ny fandehanana any amin’ny tendrombohitry ny Tompo sy ny tendrombohitry ny tranon’ny Tompo. Mihaona amiko any amin’ireo toerana roa ireo izy.”

Ampitovian’ny Loholona McKay amin’ny rano sy alan’i Môrmôna ary ny maha-zava-dehibe azy ireo ho an’ny vahoakan’i Almà, ireo tendrombohitra eny ambonin’i Huntsville, Utah, USA. Teny fony mbola zatovo no nahazoany fahalalana momba ny Mpanavotra azy.

Ny Loholona McKay dia teraka tamin’ny 14 febroary 1960, tany Chicago, Illinois, Etazonia. Zanak’i Barrie Gunn McKay sy Elaine Stirland McKay izay ankasitrahany noho ny famolavolan’izy ireo azy.

Natsahany kely ny fianarany tany Brigham Young University tamin’ny 1979 mba hanaovany asa fitoriana mandritra ny fotoana feno tany Kobe, Japon. Fotoana fohy taorian’ny fiverenany avy nanao asa fitoriana raha namita ny fianarany mba hahazoana mari-pahaizana momba ny teny Anglisy ny Loholona Mckay, dia nahita an’i Jennifer Stone izy, izay avy nahavita ny asa fitoriany tany amin’ny Misiônan’i Bristol Angleterre. Nianatra mikasika ny teny Anglisy koa izy. Nivady tany amin’ny Tempolin’i Oakland Californie izy roa tamin’ny 12 jona 1984.

Satria ny fianakaviana no ivon’ny fiainany, dia nilaza ny Loholona McKay fa avy amin’ireo taranak’izy ireo no ahazoan’izy sy Rahavavy Sister fifaliana lehibe indrindra. Na dia monina any Kaysville, Utah, Etazonia aza ry McKays mivady, dia manokana fotoana tsy tapaka iarahana amin’ireo zanany sivy any Huntsville izy ireo izay toerana nipetrahan’ireo razambeny tany amin’ny voalohandohan’ireo taona taorian’ny taona 1860.

Ny Loholona McKay dia nahazo mari-pahaizana doctorat avy tao amin’ny J. Reuben Clark School of Law tao BYU tamin’ny 1987 ary tonga dia nanaiky ny hiasa tao amin’ny orinasam-paritra lehibe misahana ny lalàna tany Portland, Oregon, Etazonia. Taty aoriana dia niverina tany Utah izy mba hanohy asa tsara iray tao amin’ny orinasa iray hafa misahana ny lalàna talohan’ny nanekeny toerana tao amin’ny Kroger Company. Filoha lefitr’i Smith’s sy Fry’s izy, izay rantsana roa an’ny Kroger any Utah sy Arizona, Etazonia, nanomboka tamin’ny 2000 ka hatramin’ny 2017.

Teo aloha ny Loholona McKay dia efa eveka, mpanolotsaina avo, filohan’ny tsatòka ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra.