2018
Loholona Juan Pablo Villar
May 2018


Loholona Juan Pablo Villar

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sary
Loholona Juan Pablo Villar

Ny Loholona Juan Pablo Villar dia nahafantatra ny Fiangonana tany Santiago, Chili, rehefa nanambara tamin’ny fianakaviana i Ivan zokiny lahimatoa fa natao batisa tsy nangataka fahazoan-dalana tamin’ny ray aman-dreniny izy ary taty aoriana dia nilaza fa mikasa ny handeha hanao asa fitoriana. Rehefa nanontaniana ny antony i Ivan dia nozarainy ny fijoroana ho vavolombelona nananany sy ny faniriany hanompo.

“Tsy takatro ny dikan’izany rehetra izany,” hoy ny Loholona Villar nitantara, izay 17 taona tamin’izany. “Saingy tamin’izay fotoana izay dia namboly voa tao am-poko izy.”

Nomena fahafahana hitombo izany voa izany rehefa nampihaonan’ny rahalahiny tamin’ny misiônera izy. Nandritra ny fizarana ny lesona voalohany taminy, dia nahazo fijoroana ho vavolombelona ho azy manokana momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ny Loholona Villar.

“Ho ahy dia tsy nilaina ny nandohalika sy nivavaka, satria raha vao nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany izy ireo dia fantatro tao am-poko fa marina izany,” hoy izy. “Rehefa nahafantatra aho fa marina izany dia tsy maintsy marina ny zavatra hafa rehetra.”

Nahazo lalana hanao batisa ny Loholona Villar i Ivan tamin’ny 1988, izay nanompo tany amin’ny misiôna teo akaiky teo ihany. Taty aoriana dia niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ihany koa ny reniny sy ny rahalahiny iray hafa.

Herintaona taorian’ny batisany dia nanomboka nanompo tany amin’ny Misiônan’i Viña del Mar Chili ny Loholona Villar. Nanomboka fiainana nifono fanompoana izy nanomboka tamin’izay, ka tao anatin’izany izy dia efa filohan’ny tsatòka, eveka, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, mpanolotsaina tao amin’ny Misiônan’i Santiago Chili Avaratra, ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra tany Vondrom-paritra Atsimon’i Amerika Atsimo. Notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony izy tamin’ny 31 martsa 2018.

Teraka tamin’ny 11 septambra 1969 tany Valparaiso, Chili ny Loholona Villar. Zanak’i Sergio Villar Vera sy Genoveva Saaverdra. Nanambady an’i Carola Cristina Barrios tany amin’ny Tempolin’i Santiago Chili izy tamin’ny 31 martsa 1994. Manan-janaka telo izy ireo.

Taorian’ny nahazoany mari-pahazana licence en communications sociales et relations publiques ary maîtrise en marketing, dia niasa tany amina orinasa mpamokatra fanafody sy fitaovana fitsaboana izy. Tamin’ny 2007 dia nampiany maîtrise en gestion d’entreprise avy tao amin’ny Brigham Young University ny mari-pahaizany. Dia niverina tany Chili izy hiasa tao amin’ny Orica, orinasa misahana fitrandrahana akoran-javatra, ka lasa mpitantana ela niasana indrindra izy vao haingana.