2018
Fivoriana isaky ny alahady fahefatra
May 2018


Fivoriana isaky ny Alahady fahefatra

Isaky ny alahady fahefatra ao anatin’ny volana dia miresaka lohahevitra iray nofidian’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireo kôlejin’ny fisoronana sy ny Fikambanana Ifanampiana. Hiova ny lohahevitra amin’ny alahady fahefatra isaky ny aorian’ny fihaonambe maneran-tany. Manomboka izao ka hatramin’ny fihaonambe manaraka dia “Fanompoana ny hafa” no lohahevitra. Isam-bolana ireo mpitarika na mpampianatra dia afaka misafidy ny hitarika fifanakalozan-kevitra amin’ireto fitsipika mifandraika amin’ny fanompoana manaraka ireto.

Inona no dikan’ny hoe manompo?

Inona no dikan’ny hoe fanompoana ho an’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy na sampana misy anao? Mba hahitana izany dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Fanompoana ary asao ireo mpikambana mba hanoratra teny manodidina izany izay ampifandraisiny amin’ny fanompoana. Afaka mahita teny na andian-teny hanampy ny amin’ilay lisitra ireo mpikambana avy amin’ireto soratra masina manaraka ireto: Matio 25:34–40; Lioka 10:25–37; 2 Nefia 25:26; Môsià 18:8–9; 3 Nefia 18:25; ary Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5. Inona no zavatra ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fanompoana? Azonao angatahina ireo mpikambana mba hizara ohatra momba ny fanompoana izay hitan’izy ireo. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fanompoana ny olona amin’ny filany ara-panahy sy ara-nofo? Ahoana no hanampian’izany ny olona hanakaiky kokoa an’i Kristy?

Ny Mpamonjy no ohatra tonga lafatra ho antsika mikasika ny fanompoana.

Mba hianarana momba ny fomba hanompoana amim-pahombiazana kokoa dia azon’ireo mpikambana atao ny mizara tantara avy amin’ny soratra masina izay nanompoan’ny Mpamonjy ny hafa, afaka mahita ohatra maro amin’izany isika ao amin’ny Jaona 4–6 sy ny Marka 2:1–12. Azon’ireo mpikambana zaraina ny zavatra manaitra azy ireo momba ireo tantara ireo sy ny fitsipika ianarany momba ny fanompoana. Ohatra, ahoana no nanehoan’ny Mpamonjy ny fanompoany ny hafa? Ahoana no nanomezany ny zavatra nilain’ny olona ara-panahy sy ara-nofo ihany koa? Afaka mizara fotoana izay nahitany olona nampiasa ireo fitsipika ireo tamin’ny fanompoany ireo mpikambana.

Ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy no manosika ho amin’ny fanompoana.

Mba hamelabelarana ny herin’ny fanompoana izay atosiky ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireto fehezan-teny manaraka ireto ary asao ireo mpikambana mba hilaza fomba hamenoana ny banga: Rehefa tena tia ireo olona izay tompoiko aho dia . Raha manompo noho ny antony hafa aho dia . Inona no azontsika atao mba hahazoana antoka fa ny fanompoantsika ny hafa dia atosiky ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy? Ahoana no hampitomboantsika ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy ho an’ireo izay tendrena hotompointsika? (jereo ny Môrônia 7:45–48). Angamba afaka mizara ohatra momba ny fanompoana izay atosiky ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy ireo mpikambana.

Tian’ Andriamanitra hisy miraharaha sy mikarakara ny zanany rehetra.

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny toetra iray mampiavaka hatrany ny Fiangonan’ny Tompo izay marina sy velona dia ny asa iray voarindra sy misy mitarika hatrany hanompo ny zanak’ Andriamanitra tsirairay sy ny fianakavian’izy ireo avy,” Liahona, mey 2018, 69.). Inona no zavatra nampianarin’ny Filoha Nelson fa sasany amin’ireo fomba “voarindra sy misy mitarika” izay hanampian’ny Fiangonana antsika hikarakara olona tsara kokoa? Nahoana ireo ezaka ireo no “toetra iray mampiavaka hatrany ny Fiangonan’ny Tompo”? (jereo ny Môsià 18:21–22 sy ny Môrônia 6:4–6 mba hahitana hevitra). Inona avy ireo fitahiana tonga teo amin’ny fiainantsika na ny fiainan’ny hafa noho ny fanompoan’ny olona ao amin’ny antsony na andraikitra ato am-piangonana?

Lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra.

Ny zavatra niainan’ireo zanak’i Môsià dia maneho fa ny fomba fahitantsika ny olona dia misy fiantraikany amin’ny fomba fanompoantsika azy ireo. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Fahitan’ireo Nefita ny Lamanita sy Fahitan’ireo zanakalahin’i Môsià ny Lamanita. Dia asao ireo mpikambana hikaroka ao amin’ny Môsià 28:1–3 sy ny Almà 26:23–26 mba hitady ireo teny sy andian-teny hosoratana eo ambanin’ireo filazana ireo. Inona no zavatra ampianarin’io fampitahana io antsika momba ny fiantraikan’ny fomba fijerintsika olona amin’ny fomba fanompoantsika azy ireo? Ahoana no hianarantsika hijery ny olona ho tahaka ny fijerin’ Andriamanitra azy ireo kokoa? (jereo ny F&F 18:10–16).

Ny tena mpanompo dia mifantoka amin’ny zavatra ilain’ny hafa.

Mba hanampiana ireo mpikambana hahatakatra tsara kokoa ny lanjan’ny fifantohana amin’ny filàn’ny hafa rehefa manompo dia azonao ampitahaina amin’ny fanolorana sy fahazoana fanomezana ny fanompoana. Efa nandray fanomezana manan-danja avy tamin’ny olona iray izay nahafantatra tsara ny zavatra nilaintsika na tiantsika ve isika? Amin’ny fomba ahoana no itovizan’ny fanompoana amin’ny fanomezana voahevitra iray? Mifanakaloza hevitra mikasika ireo tantara avy tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany vao haingana indrindra izay maneho ny fomba nanampian’ny olona mifanaraka amin’ny filàn’ny hafa (jereo, ohatra, ny Jean B. Bingham, “Mannompo tahaka ny ataon’ny Mpamonjy,” Liahona, mey 2018). Afaka mizara tantara hafa maneho io fitsipika io ihany koa ireo mpikambana.

Ahoana no ahafantarantsika ny filàn’ny hafa? Asao ny mpikambana tsirairay hanao ny lisitr’ireo olona sasany izay tompoiny. Eo akaikin’ny anarana tsirairay dia azon’izy ireo soratana ny valin’ny fanontaniana hoe “Inona no ilain’ity olona ity mba hanakaikezana kokoa an’i Kristy?” Raha azo atao dia amporisiho ny mpikambana hampiditra ny ôrdônansy mety hilain’ny olona tsirairay. Asao ireo mpikambana mba hanohy handinika io fanontaniana io ary hikatsaka fitaomam-panahy hanampiana azy ireo hanatanteraka ny zavatra ilain’ny hafa.

Tian’ny Tompo hanaiky ny fanompoana ataon’ny hafa isika.

Nilaza ny Loholona Robert D. Hales hoe: “Ny drafitry ny filazantsara dia mitaky fanomezana sy fandraisana. … Ny olona iray izay ao anatin’ny fahasahiranana matetika dia milaza hoe: –Ataoko irery ity,– … –Mahavita tena aho.– Voalaza hoe tsy misy olona manan-karena be loatra ka tsy mila ny fanampian’ny hafa, tsy misy olona mahantra loatra ka tsy misy ilan’ny mpiara-belona azy. Ilay fironana hangataka fanampiana amim-pahasahiana amin’ny hafa sy hanome izany amin-katsaram-panahy dia tokony ho ao anatin’ny toetrantsika” (“We Can’t Do It Alone,” Ensign, nôv. 1975, 91, 93). Nahoana isika indraindray no misalasala handray ny fanampiana avy amin’ny hafa? Amin’ny fomba ahoana no hitahiana ireo izay manompo antsika amin’ny fahavononantsika hanaiky ho ampiana? Omeo fotoana fohy ny mpikambana mba hisaintsaina ireo fomba ahafahan’izy ireo hisokatra bebe kokoa amin’ny fandraisana ny fanompoan’ny hafa. Inona no ambaran’ny 1 Korintiana 12:13–21 mikasika ny antony ifampilantsika?

Maro ireo fomba ahafahantsika manompo ny hafa.

Mba hanampiana ny mpikambana handinika ireo fomba maro azontsika hanompoana ny hafa dia azonao asaina izy ireo hijery ny hafatry ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe “Miaraka amin’izy ireo sy manatanjaka azy” (Liahona, mey 2018, 101–3; jereo ihany koa ny “Fitsipika momba ny fanompoana” ao amin’ireo laharana mbola ho avy amin’ny Liahona). Afaka mizara ho vondrona kely maromaro ireo mpikambana, ary ny vondrona tsirairay dia afaka mieritreritra rafi-tantara maromaro izay ahitana olona iray mila fanampiana. Afaka mieritreritra fomba maro samihafa ahafahan’ny olona manompo amin’ny filàna ara-panahy sy ara-nofon’ireo olona ao amin’ireo rafi-tantara ireo avy eo izy ireo. Asao ireo vondrona mba hizara ny hevitr’izy ireo ary hisaintsaina raha toa ka afaka hitahy ny olona tompoiny ny hevitra izay nifampiresahana.