2018
Loholona Matthew L. Carpenter
May 2018


Loholona Matthew L. Carpenter

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sary
Loholona Matthew L. Carpenter

Tsaroan’ny Loholona Matthew L. Carpenter ny fotoana voalohany nahafantarany fa nahatsapa ny Fanahy Masina izy. Ankizilahy teo amin’ny fito taona teo izy tamin’izay, nipetraka tao amin’ny kilasin’ny ankizy kely manana ny sokajin-taonan’ny Fidio ny Tsara tao amin’ny Kilonga. Nisy hazavana tonga tao anatin’ny efitrano ary nahatsapa hafanana anaty izay tsy tsapany teo aloha izy.

“Nahatsapa fiontanam-po aho, tsy noho ny fahatsapako hafanana akory izany,” hoy izy. “Fantatro fa misy Andriamanitra. Tsapako ilay izy.”

Tamin’izy 11 taona dia nanatrika fivoriana iray nandritra ny ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tao amin’ny Tabernakelin’i Salt Lake niaraka tamin’ny rainy izy. Io no fotoana voalohany niarahany tao anatin’ny efitra iray tamin’ny mpaminany iray, ny Filoha Joseph Fielding Smith.

“Rehefa nahita azy aho,” hoy izy, “dia nijoro ho vavolombelona tamiko ny Fanahy fa mpaminany izy.”

Ireo fanamafisana ara-panahy tsotra ireo tamin’ny fahazazany dia nanampy azy hiantehitra amin’ny Fanahy mba ho mpitarika mandritra ny androm-piainany.

“Tsy zavatra niainana indray mandeha nahitana fisehoan’anjely ny fahazoako fijoroana ho vavolombelona,” hoy ity Manampahefana Ambony notohanana tamin’ny 31 martsa 2018 ity, “fa nitombo sy nivelatra izany rehefa nandeha ny fotoana.”

I Matthew Leslie Carpenter dia naterak’i Leone Erekson sy Robert Allred Carpenter tany Salt Lake City, Utah, Etazonia, tamin’ny 21 ôktôbra 1959. Izy no zandriny indrindra amin’ireo zanak’izy mivady anankivalo, ary lehibe tao anatin’ny tokantrano iray niaraka tamin’ny zokivavy miisa dimy izy.

Nahita an’i Michelle “Shelly” Brown izy ny volana farany nianarany tany amin’ny lisea. Nanomboka nifankafantatra izy ireo saingy nampijanona kely izany nandritra ny fotoana nanompoany tany amin’ny Misiônan’i Suisse Genève nanomboka tamin’ny 1979 ka hatramin’ny 1981. Rehefa niverina izy dia nivady tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy roa tamin’ny 9 jolay 1982. Manan-janaka dimy izy ireo.

Ny Loholona Carpenter dia nahazo mari-pahaizana licence en finance avy tao amin’ny Brigham Young University ary maîtrise en gestion d’entreprise avy tao amin’ny Harvard Business School. Ny tena vao haingana, dia tale mpitantana ny Foundation Specialty Financing Fund izy.

Ny Loholona Carpenter dia efa eveka, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, filohan’ny zatovolahy teo anivon’ny tsatòka, mpanolotsaina avo, filohan’ny tsatòka, ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra.