2018
Loholona Takashi Wada
May 2018


Loholona Takashi Wada

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sary
Loholona Takashi Wada

Indray andro mangatsiaka iray nandritra ny volana nôvambra dia tratran’ny fanontaniana tampoka avy tamin’ny misiônera Amerikana iray izay nanontany ny lalana mandeha any amin’ny biraon’ny paositra teo an-toerana i Takashi Wada.

Efa nampitandreman’ny rainy ity zatovolahy 15 taona ity mba hanalavitra ireo Môrmôna, izay niresaka tamin’ireo olona teo amin’ny araben’i Nagana, Japon, izay telo minitra niala avy teo amin’ny tranony. Saingy variana tamin’ny fitenin’ilay Amerikana teny Japôney i Takashi.

Andro vitsy taty aoriana dia nisy misiônera iray hafa nampijanona an’i Takashi. Vao haingana izy no tonga tao Japon. Niezaka nizara tamiko ny tantaran’i Joseph Smith tamin’ny fiteny Japôney mbola tsy nazava tsara izy.

Tsy nahatakatra ny zava-drehetra i Takashi, “saingy tsapako fa tokony hihaino aho,” hoy izy nitantara.

Nampianatra azy ireo dingana arahina rehefa mivavaka sy ireo lesona ny misiônera. Nanatrika ireo fivoriam-piangonana izy ary tohina tamin’ireo fijoroana ho vavolombelona nananan’ireo mpikambana teo an-toerana. Nahatsapa ho tsy afa-manoatra izy noho ireo zavatra antenain’ilay fianakaviany izay Bodista avy aminy, ka namerimberina tamin’ny misiônera i Takashi hoe: “Tsy afaka miditra ho mpikamban’ny Fiangonana aho, saingy te hianatra bebe kokoa aho.”

Roa taona taty aoriana, talohan’ny nandehanan’i Takashi nianatra tany Etazonia fony izy 17 taona, dia nanaiky ny hidirany ho mpikamban’ny Fiangonana ny ray aman-dreniny.

Ny Loholona Wada dia naterak’i Kenzo sy i Kazuko Wada tamin’ny 5 febroary 1965. Nahazo mari-pahaizana licence en linguistique izy tamin’ny 1990 ary maîtrise en gestion d’entreprise tamin’ny 1996, samy avy tao amin’ny Brigham Young University no nahazoany izany.

Nanao asa fitoriana tany amin’ny Misiônan’i Salt Lake City Avaratra Utah izy ary nanambady an’i Naomi Ueno tamin’ny 18 Jona 1994 tany amin’ny Tempolin’i Tokyo Japon. Manan-janaka lahy anankiroa izy mivady.

Ny asa nataon’ny Loholona Wada dia ahitana fihazonana toerana maro tao anatin’ireo orinasa manana sampana any amin’ny firenena maro tany Etazonia sy Japon, ary koa ny toeran’ny talen’ny raharaha ara-nofo tao amin’ny Fiangonana tany amin’ireo vondrom-paritra Andrefan’i Amerika Avaratra, sy Avaratra andrefan’i Amerika Avaratra ary Azia Avaratra.

Ny Loholona Wada dia efa eveka teo aloha, mpanolotsaina avo ary mpampianatra tao amin’ny seminera. Filohan’ny Misiônan’i Tokyo Avaratra Japon izy nanomboka tamin’ny 2013 ka hatramin’ny 2016. Notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 31 martsa 2018 izy.