2018
Drafitra vaovao, Lamina arahina, Vokany
May 2018


Lamina vaovao, Fandrindrana, Vokany

Ny zatovo sy ny asa atao any amin’ny tempoly. Ny Fiadidiana Voalohany dia nanambara fanovana ao anatin’ireo lamin’ny tempoly izay manome fahafahana bebe kokoa ny zatovolahy sy zatovovavy hanao asa any amin’ny tempoly sy hanampy ny ankizy ao amin’ny Kilonga mba hiomana tsara kokoa hanompo any amin’ny tempoly.

Misoroka sy mamantatra ny herisetra ary mitondra fanampiana eo anatrehan’izany. Ao anatin’ny fanohizana ny ezaka mba hanoro hevitra ireo mpitarika hisoroka sy hamantatra ny herisetra ary hitondra fanampiana eo anatrehan’izany, dia nandefa taratasy iray sy antontan-taratasy hanovozan-kevitra ho an’ireo mpitarika tany Etazonia sy Kanadà ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Io antontan-taratasy io dia ahitana torolalana nohavaozina mikasika ny fomba tokony hanoroan’ireo eveka sy filohan’ny tsatòka hevitra an’ireo olona niharan’ny herisetra ara-nofo sy ny fomba tokony hitarihana ny dinidinika amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana.

Fanovana mikasika ny lasin’ny Zatovovavy. Ireo fanovana tao anatin’ny fandaharan’asan’ny Fiangonana momba ny lasin’ny Zatovovavy izay tafiditra ao anatin’ny torolalana vaovao mikasika ny lasy izay havoaka ao anatin’ireo volana ho avy, dia ahitana ny fanesorana ny fanomezana mari-pankasitrahana sy ny fifantohana amin’ireo mpitarika ny zatovo.

Ilay Young Women Camp Guide (Torolalana momba ny lasin’ny Zatovovavy) izay natao mba ho “azo ampiharin’ny” zatovovavy “rehetra” mipetraka any amin’ireo faritra rehetra manerana an’izao tontolo izao dia misy amin’ny teny Anglisy amin’izao fotoana izao (ary hisy amin’ny fiteny miisa 23 amin’ny farany) ao amin’ny youngwomen.lds.org mba ho fitaovana ho an’ireo fiadidian’ny Zatovovavy sy ireo tompon’andraikitra amin’ny lasy ary ireo mpitarika ny lasin’ny zatovo.

Fandefasana hira. Ireo fanovana vao haingana mikasika ny dingana arahina amin’ny fanolorana hira ao amin’ny Fiangonana dia manafaingana izany sy mampamora ny fandefasan’ny mpikambana hira masina avy any ifotony ho an’ny Fiangonana. Ny hira dia azo alefa any amin’ny apps.lds.org/artcomp.

Lalan’onja ahitana horonan-tsary izay antsoina hoe “How To.” Ny Fiangonana dia nanokatra lalan’onja vaovao ao amin’ny YouTube antsoina hoe “How To” izay manolotra fanampiana tsotra sy mora atao hiatrehana ireo olana tena misy eo amin’ny fiainana. Izany lalan’onja noraisina ho toy ny “lalan’onja iray izay ahitana ny fanampiana ilainao rehefa mila izany ianao,” dia manana horonan-tsary mihoatra ny 600 amin’izao fotoana izao izay nozaraina ao anaty sokajy miisa sivy, ka ny tsirairay amin’izany dia ahitana lisitry ny horonan-tsary maro izay ahitana karazana lohahevitra mifandray amin’izany amin’ny teny Anglisy ary ny sasany misy amin’ny teny Espaniôla sy Pôrtogey. Jereo ao amin’ny HowTo.lds.org izany.

Fandikana soratra masina. Ny Fiangonana dia nanambara ny fandrafetana tetikasa fandikan-teny amin’ny fiteny miisa 34 fanampiny, miaraka amin’ny lamina vaovao izay hanome fahafahana ny olona tsirairay mba handalina ampahany amin’ny dikanteny voalohany mialoha ny hamoahana ny dikanteny farany. Izany dia midika hoe hanana fahafahana mialoha kokoa hamaky ny soratra masina amin’ny fiteniny ireo mpikambana.