2018
Loholona Mathias Held
May 2018


Loholona Mathias Held

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sary
Loholona Mathias Held

Ny Loholona Mathias Held sy ny vadiny dia azo antsoina tsara ho toy ny ohatra maneho ilay maha-Fiangonana maneran-tany. Samy avy any Colombie izy ireo ary Alemana ny razamben’izy ireo. Ny asa sy ny fianarana dia nampiala azy ireo tany amin’ilay tanindrazany tany Amerika Atsimo hankany Kanadà, Allemagne, Guatemala, Brésil, ary farany niverina tany Colombie. Tsy maintsy nianatra ny fiteny sy ny kolotsaina tany amin’ny ireo firenena tsirairay ireo izy ireo.

“Kanefa ny Fiangonana dia tena nitovy daholo na taiza na taiza nandehananay,” hoy ny Loholona Held, izay notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 31 martsa 2018.

Izany “fitoviana” ara-panahy izany dia nanamafy orina azy mivady teo am-pitaizan’izy ireo zanaka telo sy teo am-pivoaran’izy ireo tao anatin’ny filazantsara.

Ry Held mivady dia mpiara-mianatra tany amin’ny sekoly miteny Alemana tamin’ny fahazazany tao amin’ny tanàn’i Bogotá, Colombie izay nahalehibe azy ireo. Nofehezina tamin’ny 13 jona 1989 tany amin’ny Tempolin’i Franckfort Allemagne izy ireo, taorian’ny nahazoan’i Mathias mari-pahaizana momba ny ingénierie mécanique tany Bogotá sy maîtrise en gestion d’entreprise tany Kanadà.

Nampifindra an’ireto mpivady vao herotrerony tany Hanovre Allemagne ny fahitana asa tsara, ka tany no nahazoan-drahavavy Held fahatsapana mahery vaika fa hiova ny fiainan’izy ireo.

“Nilaza tamin’i Mathias aho fa handray hafatra avy any an-danitra izahay,” hoy izy. Tonga tamin’ny tolakandro nanorana iray tamin’ny 1987 tamin’ny alalan’ny fandondonana tao amin’ny varavarana fidirana izany hafatra avy any an-danitra izany. Nisy misiônera Môrmona anankiroa teo ivelany niteny Alemana fa nanonona izany tamin’ny fiteny amin’ny Amerikana.

Nianatra niaraka tamin’ireo misiônera ry Held mivady nandritra ny 10 volana manaraka ary nahazo namana teo anivon’ireo mpiangona OAF. Rehefa avy nivavaka imbetsaka izy ireo dia nahazo fanamafisana ara-panahy mikasika ny fahamarinan’ny filazantsara ary natao batisa tamin’ny 1988.

Ny Loholona Held dia niasa nandritra 25 taona mahery ho an’ilay orinasa mpanamboatra fiara Daimler-Benz, ka nampitety azy an’izao tontolo izao ireo andraikiny teo amin’ny fitantanana. Niantehitra tamin’ny Tompo ry Held mivady tany amin’ny firenena tsirairay nipetrahan’izy ireo.

“Tsy mampaninona izay fitsapana atrehanao,” hoy izy. “Raha mifandray amin’ny lanitra ianao dia hilamina ny zava-drehetra.”

Naterak’i Michael sy Elisabeth Held tamin’ny 5 jona 1960 ny Loholona Held. Izy dia efa mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra tany amin’ny Vondrom-paritra Andrefana atsinanan’i Amerika Atsimo.