2018
Fanavaozana ny lamin’ireo Kôlejy
May 2018


Fanavaozana ny lamin’ireo Kôlejy

Ny vondron’ny mpisorona avo sy ny kôlejin’ny loholona ao amin’ny paroasy (na sampana) dia hatambatra ho kolejin’ny loholona anankiray amin’izao fotoana izao, hoy ny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson tao anatin’ny fivoriamben’ny fisoronana nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Ny fiadidian’ny tsatòka dia hanohy hanompo ny fiadidian’ny kôlejin’ny mpisorona avo eo anivon’ny tsatòka, saingy ny hany ho ao anatin’io kôlejy io dia ireo mpisorona avo manompo ankehitriny ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, ao amin’ireo episkôpà, sy ao amin’ny filankevitra avo, ary ireo patriarika am-perinasa.

Ny kôlejin’ny loholona dia hotarihin’ny fiadidiana iray izay mety hahitana loholona sy mpisorona avo. Ny filohan’ny kôlejin’ny loholona dia hanao tatitra amin’ny filohan’ny tsatòka ary hihaona tsy tapaka amin’ny eveka. Ireo anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana dia hitoetra tahaka ny teo aloha ihany. Hisaorana ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny mpitarika ny mpisorona avo any amin’ny paroasy (na sampana) amin’izao fotoana izao, ary hiantso fiadidian’ny kôlejin’ny loholona vaovao ny filohan’ny tsatòka.