2018
Loholona José A. Teixeira
May 2018


Loholona José A. Teixeira

Fiadidian’ny Fitopololahy

Sary
Loholona José A. Teixeira

Nitantara lesona nianarany anankiray fony izy ankizilahy tany Portugal ny Loholona José A. Teixeira. Nandritra ny fivoriam-pianakaviana iray dia lasa nitsoriaka nanjono izy. Tsapany fa tokony hiteny amin’ny ray aman-dreniny izay halehany izy, kanefa nanapa-kevitra izy ny tsy hiteny izany satria mbola variana niresaka izy ireo.

Ora maro taty aoriana dia hitan’ireo ray aman-dreniny feno tebiteby teo amoron’ny ony iray. Nianatra izy tamin’ny alalan’izay zavatra nianarana izay fa tsy hoe ny ray aman-dreny ihany no tokony hankatoavina fa ny bitsiky ny Fanahy Masina koa.

Nanomboka tamin’izay dia nizatra nanaraka ilay feo tony sy malefaka ny Loholona Teixera. Tamin’ny taona 1976 no naneken’izy ireo ny filazantsara, taorian’ny nisokafan’ny fanaovana asa fitoriana tany Portugal. Natao batisa izy tamin’ny faha-16 taonany ary taty aoriana dia lasa misiônera tao amin’ny Misiônan’i Lisbonne Portugal.

“Ireo safidy ataontsika dia manana hery tsy azo lavina izay manova ny fiainantsika,” hoy ny Loholona Teixeira, izay notohanana ho mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy tamin’ny 31 martsa 2018. Nampianatra izy nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny volana aprily 2009 hoe: “Io fanomezana io dia marika tena miavaka ny fahatokiana antsika sady andraikitra sarobidy an’ny tena manokana mba ho ampiasaina amim-pahendrena.”

Ny Loholona Teixeira dia manana mari-pahaizana momba ny comptabilité sy ny gestion des affaires ary niasa ho an’ny Fiangonana izy ka mpanamarina ny fampiasam-bola maneran-tany ny asany. Nanompo tao amin’ny tafika ana habakabaka Pôrtôgey koa izy tao anatin’ny vondrona irain’ny OTAN. Nandritra izany fotoana izany dia voantso ho talen’ny fifandraisana amin’ny any ivelany an’ny firenena ho an’ny Fiangonana izy. Fotoana fohy taorian’izay dia nahita ny vadiny izy, dia i Maria Filomena Lopes Teles Grilo izany. Nivady tany amin’ny Tempolin’i Berne Suisse izy ireo tamin’ny 1984 ary manan-janaka telo.

I José Augusto Teixeira da Silva dia teraka tany Vila Real, Portugal, tamin’ny 24 febroary 1961. Izy dia efa mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, filohan’ny distrika, filohan’ny tsatòka, Fitopololahin’ny Vondrom-paritra ary filohan’ny Misiônan’i São Paulo Atsimo Brésil. Notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 5 aprily 2008 izy. Amin’izao fotoana izao izy dia Filohan’ny Vondrom-paritra Atsimon’i Amerika Atsimo ary hanomboka ny asa fanompoany ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy amin’ny 1 aogôsitra 2018.

Ankoatra izany dia nanoro hevitra antsika ny Loholona Teixeira tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2015 mba “hampahalalina ny fahatakarantsika ny Mpamonjy. … Aoka tsy ho avelantsika ho amin’ny rahampitso izay azontsika atao anio. Izao isika no tsy maintsy manatona an’i Kristy.”