2018
Fanamafisana ny Fanompoana
May 2018


Fanamafisana ny Fanompoana

Hitsahatra ny fampianarana isan-tokantrano sy ny famangiana isan-tokantrano hoy ny fanambaran’ny Filoha Russell M. Nelson nandritra ny fivoriana Alahady tolakandron’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Ny “Fanompoana,” izay “fomba vaovao sy masina kokoa” mba hikarakarana ny hafa miaraka amin’ny toetra tahaka ny an’i Kristy, dia hanolotra ezaka ifandrimbonana mba hanomezana izay zavatra ilain’ny mpikambana ara-panahy sy ara-nofo.

Ny Rahavavy Jean B. Bingham, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany sy ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza fa io fomba vaovao io dia hampifantoka tsara kokoa ireo ezaka ataon’ireo Kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka sy ireo Fikambanana Ifanampiana eo amin’ny fanompoana toy ny nataon’ny Mpamonjy (jereo ny pejy 101 sy 104).

Ny Ravintsara sy ny Farimbona amin’izao fotoana izao dia afaka ny ho mpiara-manompo amin’ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Isaky ny dinidinika isan-telo volana, dia hiaraka hifandinika amin’ireo mpitarika ireo rahalahy sy rahavavy manompo mikasika ireo zavatra ilain’ireo olona nampiandraiketina azy ireo sy ny tanjak’izy ireo. Ny isan’ny tafa sy dinika nataon’ireo mpitarika nandritra ny telo volana no ho hany tatitra ôfisialy atao. Manan-danja ny famangiana rehefa azo atao izany, saingy ny manompo dia tsy ahitana fomba tsy maintsy arahina mba hihazonana ny fifandraisana isam-bolana.

“Mizara ny fanomezam-pahasoavany manokana sy mitombo ara-panahy ny zatovo rehefa manompo miaraka amin’ny olon-dehibe ao amin’ny asan’ny famonjena,” hoy ny Rahavavy Bingham. Ny fampandraisana anjara ny zatovo koa dia mampitombo ny isan’ny mpikambana mikarakara ny hafa ary manampy ny zatovo “hiomana bebe kokoa amin’ny fanatanterahana ireo andraikiny amin’ny maha-mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy eo amin’ny fiarahamonina ary amin’ny maha-mpiara-miasa mitondra anjara biriky ao amin’ny fianakaviany.”

Izahay aty amin’ny foiben’ny Fiangonana dia tsy mila mahafantatra ny fomba na ny toerana na ny fotoana izay nifandraisanareo tamin’ny olona sahaninareo,” hoy ny Loholona Holland; “ilainay fotsiny ny mahafantatra sy miraharaha fa tena manao ianareo ary mitahy azy ireo amin’ny fomba rehetra azonareo atao.”

Araka ny taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany dia mety hitaky fotoana elaela ireo fanamboarana atao momba ny fanompoana saingy tokony efa mipetraka haingana araka izay azo atao anefa izany. Ny Ministering.lds.org dia manome antsipiriany fanampiny, ka tafiditra ao anatin’izany ireo valin’ireo fanontaniana misy mpametraka matetika. Hisy horonan-tsary enti-mampianatra sy loharano hafa ho ampidirina ao amin’io tranonkala io ato anatin’ny herinandro maromaro ho avy.

Manomboka amin’ny volana jona dia ho hita ao anatin’ny Liahona ny lahatsoratra mivoaka isam-bolana antsoina hoe “Ireo fitsipiky ny fanompoana” mba hanampiana ireo mpikambana hahatakatra ny fomba hananana toetra tahaka ny an’i Kristy bebe kokoa rehefa mifanompo izy ireo.