2018
Tempoly vaovao fito no nambara
May 2018


Tempoly vaovao fito no nambara

Hisy tempoly aorina any Salta, Argentine; Bengaluru, Inde; Managua, Nicaragua; Cagayan de Oro, Philippines; Layton, Utah, Etazonia; Richmond, Virginia, Etazonia; ary any amin’ny tanàna lehibe iray izay mbola ho fantarina any Russie hoy ny nambaran’ny Filoha Nelson tany amin’ny fiafaran’ny fivoriana Alahady tolakandro nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Taloha kelin’ny fihaonambe dia nambaran’ny Fiadidiana Voalohany fa ny Tempolin’i Rome Italie dia hotokanana ny alahady 10 martsa 2019 ka hatramin’ny alahady 17 martsa 2019. Ny Fiangonana koa dia namoaka fanambarana mikasika ny fanehoana an-tsary ny Tempolin’i Bangkok Thailand.

Tamin’ny ôktôbra 2017, dia natao ny fangadiana fototra ny Tempolin’i Port-au-Prince Haiti. Notokanana tamin’ny nôvambra 2017 ny Tempolin’i Meridian Idaho ary ny Tempolin’i Cedar City Utah (Etazonia) dia notokanana tamin’ny desambra 2017.

Hisy tempoly anankiroa haverina tokanana ato ho ato: ny Tempolin’i Houston Texas ny alahady 22 aprily 2018, taorian’ny fanamboarana natao vokatry ny tondra-drano; ary ny Tempolin’i Jordan River Utah ny alahady 20 mey 2018, taorian’ny fanavaozana natao. Ary hisy tempoly anankiroa fanampiny izay haverina hotokanana any amin’ny faramparan’ity taona ity: Tempolin’i Concepción Chili, ny alahady 28 ôktôbra 2018; ary ny Tempolin’i Barranquilla Colombie, ny alahady 9 desambra 2018.

Ny Tempolin’i Hamilton Nouvelle Zélande dia hakatona amin’ny volana jolay 2018 noho ny fanaovazana lehibe hatao ary haverina hotokanana amin’ny 2021.

Amin’izao fotoana izao dia misy tempoly 159 am-perin’asa manerana izao tontolo izao ary 30 no ambara fa hatsangana na eo andalam-piorenana.