2018
Lisa L. Harkness
May 2018


Lisa L. Harkness

Mpanolotsaina Voalohany, Fiadidian’ny Kilonga Maneran-tany

Sary
Lisa L. Harkness

I Lisa L. Harkness dia efa tia mianatra hatrizay sy tia ny tontolo manodidina azy, izay zavatra azony avy tamin’ny ray aman-dreniny. Nianatra science politique izy ary nianatra ny fomba hifehezana ireo biby mandady aza rehefa niasa tao amin’ny Monte L. Bean Life Science Museum nandritra ny fotoana naha-tao amin’ny Brigham Young University azy, ka tafiditra tao anatin’izany ireo bibilava.

“Manana ny maha-izy azy izy ireo na mino izany isika na tsy mino,” hoy izy. “Nisy anankiray izay nahafantatra ahy isaky ny mitazona azy aho.” I Howard, izay boa mangeja manana rambo miloko mena, dia nandadilady teny amin’ny sorony, nihodinkodina teny amin’ny tendany ary nampandry ny lohany teo amin’ny azy rehefa nampianatra vondron’olona izay tonga tao amin’ny tranom-bakoka izy.

Amin’izao fotoana izao izy dia mbola mora mahafantatra na afaka mamantatra karazana bibilava, rehefa tsy misioka azy fotsiny izy ireo.

Rahavavy Harkness dia naterak’i Ronald sy LaRae Long tamin’ny 13 janoary 1965 tany Los Angeles, Californie, Etazonia. Izy no zokiny indrindra tamin’ireo zanaka miisa dimy ary izy sy ny fianakaviany dia “mazoto foana amin’ny fandehanana manao zavatra an-kisendrasendra, amin’ny fandehanana mivoaka ary amin’ny famantarana an’izao tontolo izao.” Nilaza izy fa noho ny fahafahany foana mametraka fanontaniana amin’ny ray aman-dreniny dia “nino sy natoky tanteraka aho fa afaka manatona ny Ray any An-danitra ary mahazo valiny.”

Taorian’ny fanaovany asa fitoriana tany amin’ny misiôna iray miteny Espaniôla tany amin’ny Misiônan’i Baton Rouge Louisianne, dia nahazo mari-pahaizana licence en science politique sy enseignement secondaire avy tao amin’ny BYU ny Rahavavy Harkness. Nanambady an’i David S. Harkness tamin’ny 22 aprily 1988, tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy. Manan-janaka dimy izy ireo ary zafikely roa.

Ny Rahavavy Harkness, izay notohanana ho mpanolotsaina voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany tamin’ny 31 martsa, dia efa mpikambana tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Kilonga maneran-tany, filohan’ny Zatovovavy teo anivon’ny tsatòka, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana teo anivon’ny paroasy, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy teo anivon’ny paroasy, mpanorohevitra ny Farimbona, talen’ny lasin’ny Zatovovavy, talen’ny tantaram-pianakaviana teo anivon’ny tsatòka, mpanorohevitra mikasika ny tantaram-pianakaviana teo anivon’ny paroasy ary mpampianatra Fotopampianaran’ny Filazantsara.

Nanao asa an-tsitrapo niaraka tamin’ny fikambanan’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra teo amin’ny toerana nisy azy izy, tao anatin’ny filankevitry ny tanàna, sy tao anatin’ny Utah Symphony, ary tao anatin’ny Timpanogos Storytelling Festival, ary koa tao anatin’ny fitondram-panjakana tany amin’ny toerana nisy azy ka nihazona toerana samihafa izy.