2018
Fivorian’ny filankevitra isaky ny alahady voalohany
May 2018


Fivorian’ny filankevitra isaky ny Alahady voalohany

Isaky ny alahady voalohan’ny volana ny ao amin’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana dia tsy ahitana lesona izay ampianarin’ny mpampianatra. Ho solon’izany dia mitarika fivorian’ny filankevitra ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana. Mandritra ireo fivoriana filankevitra isaky ny alahady voalohany ireo ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana tsirairay dia ifanakalo hevitra momba ireo andraikitra sy fahafahana ary olana misy eo an-toerana; hifampianatra avy amin’ny hevitra sy ny traikefan’ny tsirairay; ary hanomana drafitra hanatanterahana ireo fahatsapana voaray avy amin’ny Fanahy. Tokony hifototra amin’ny soratra masina manan-danja sy ny fampianaran’ireo mpaminany velona ireo fifanakalozan-kevitra ireo.

Tsy voatery hitovy avokoa ny fivoriana filankevitra rehetra. Ireto misy torolalana vitsivitsy hanampiana ireo fiadidiana hitarika filankevitra mahomby.

Mialoha ny fivorian’ny filankevitra

Atao:

  • Mijery ireo filana sy fahafahana ary olana misy eo an-toerana.

  • Misafidy ombam-bavaka lohahevitra hifanakalozana hevitra.

  • Manasa ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana mba ho tonga hanatrika ny fotoam-pianarana am-pahavononana.

Tsy atao:

  • Manomana lesona.

  • Mitondra vahaolana manokana na drafitr’asa ao an-tsaina.

Mandritra ny fivorian’ny filankevitra

Atao:

  • Manasa ireo mpikambana mba hizara traikefa nananan’izy ireo tamin’ny fotoana nanaovany zavatra araka ireo fahatsapana sy drafitra nananany tamin’ny lesona teo aloha.

  • Mampahafantatra ny lohahevitry ny fivoriana ary mamporisika ireo mpikambana mba hifampila hevitra momba izany, ary hikatsaka vahaolana sy fitarihana avy amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany ary ny Fanahy Masina.

  • Mamolavola drafitra mba hanao zavatra araka ny zavatra nifanakalozana hevitra. Mety ho drafitra volavolaina ao anatin’ny vondrona izany na drafitra volavolain’ny isam-batan’olona manokana.

Tsy atao:

  • Mibahan-dresaka mandritra ny fifanakalozan-kevitra.

  • Miezaka mandresy lahatra ny hafa amin’ny hevitrao.

  • Miresaka zavatra tsy azo resahina na tsiambaratelo.

  • Mampianatra lesona.

  • Manery olona mba handray anjara.

Aorian’ny fivorian’ny filankevitra

Atao:

  • Manara-maso ireo drafitra sy andraikitra nomena nandritra ny fivorian’ny filankevitra.

  • Mitady fomba hampidirana ireo izay tsy afaka nanatrika ny fivoriana noho ny antsony na zavatra hafa. Ampahafantaro azy ireo ny drafitra izay novolavolaina.

  • Manome fahafahana ireo mpikambana mba hizara traikefa amin’ny fivoriana manaraka.

Ireo lohahevitra mandritra ny fivorian’ny filankevitra isaky ny alahady voalohany

Ny hevitra ho an’ny lohahevitra entina ifanakalozana hevitra mandritra ny fivorian’ny filankevitra dia mety ho azo avy amin’ny fivorian’ny fiadidiana, fivorian’ny filankevitry ny paroasy, ny drafitry ny vondrom-paritra, ny fahatsapana azon’ireo mpitarika rehefa manompo ny mpikambana izy ary ireo bitsika avy amin’ny Fanahy Masina. Ireto lohahevitra eto ambany ireto dia sosokevitra fotsiny ihany. Mety misy filàna hafa fantatr’ireo mpitarika izay ahazoan’izy ireo fitaomam-panahy hoe tokony horesahina.

  • Inona no azontsika atao mba hanompoana ireo manodidina antsika? (jereo ny Môsià 23:18).

  • Ahoana no handaharantsika araka ny laharampahamehana ireo andraikitra isan-karazany ananantsika?

  • Ahoana no hizarantsika ny filazantsara amin’ny namantsika sy ny mpiara-monina amintsika? (jereo ny Almà 17).

  • Ahoana no ahafahantsika miaro ny tenantsika sy ny fianakaviantsika amin’ny haino aman-jery tsy mendrika sy ny pôrnôgrafia?

  • Inona no hataontsika mba hanaraha-maso sy hampatanjahana ny ankizy sy ny tanorantsika ao amin’ny paroasintsika?

  • Ahoana no ahafahantsika mandray anjara bebe kokoa amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny fitsaohana any amin’ny tempoly?

  • Ahoana no hanasantsika ny fanampian’ny Tompo eo am-pikatsahantsika ny valin’ireo fanontaniantsika momba ny filazantsara ka hahazo fahatakarana lalina kokoa momba ny filazantsara?

  • Ahoana no ahafahantsika manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Tompo sy ny filazantsarany ka hanampy ny fianakaviantsika hanana fizakan-tena ara-panahy?