2018
Becky Craven
May 2018


Becky Craven

Mpanolotsaina Faharoa, Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany

Sary
Becky Craven

Misy fomba fiteny izay nozarain’ny Rahavavy Becky Craven matetika fony izy misiônera: “Rehefa fantatrao hoe iza ianao, dia mitondra tena amin’ny fomba hafa ianao.”

“Ary eo amin’ny lafiny rehetra izany, manomboka any amin’ny fomba fiakanjonao, ny fomba firesakao, ny fomba fampahafantaranao ny tenanao, ireo hetsika andraisanao anjara,” hoy ny Rahavavy Craven, izay niaraka nanompo tamin’i Ronald L. Craven vadiny, rehefa niahy ny Misiônan’i Charlotte Caroline du Nord izy nanomboka tamin’ny 2012 ka hatramin’ny 2015.

Ny Sister Craven dia notohanana ho mpanolotsaina faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany tamin’ny 31 martsa 2018. “Rehefa mahita ny tenany ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra ireo zatovovavy dia ho afaka ny hanana fahitana ho an’ny tenany izy ireo,” hoy izy. “Ilainao ny fananana fahitana. Raha tsy manana fahitana ianao dia tsy fantatrao izay halehanao ary tsy fantatrao izay hatao mba hahatongavanao any.”

I Rebecca Lynn Craven dia naterak’i Walter Mitchell sy Linda Louise Kazsuk Mitchell tamin’ny 26 ôktôbra 1959, tany Chardon, Ohio, Etazonia. Izy dia mirehareha amin’ny maha-“zanaka miaramila” azy ka lehibe tany Texas, Etazonia izay toerana nidiran’ny fianakaviany ho mpikamban’ny Fiangonana; tany Allemagne izay nisian’ny fotoana namehezana ny fianakaviany tany amin’ny Tempolin’i Suisse; tany Angleterre; tany Utah USA, izay toerana nanaovana batisa azy nandritra ny fotoana voalohany nandehanan’ny rainy niady tany Vietnam; ary tany amin’ireo faritanin’i Etazonia dia i Maryland, Kentucky, Missouri, ary Kansas izany.

Nivady tao amin’ny tempolin’i Salt Lake tamin’ny 5 aogôsitra 1980 ry Craven mivady ary manan-janaka dimy.

Talohan’ny nanohanana azy tamin’ilay antsony vaovao dia mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana tao amin’ny paroasiny izy ary mpanatanteraka ôrdônansy tany amin’ny Tempolin’i Bountiful Utah. Izy koa dia efa filohan’ny Zatovovavy teo anivon’ny paroasy, mpikambana tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Fikambanana Ifanampiana teo anivon’ny tsatòka, misiônera teo anivon’ny tsatòka ary mpitarika ny Webelos.

Nahazo mari-pahaizana licence en aménagement intérieur avy tao amin’ny Brigham Young University ny Rahavavy Craven, izay nanompoany tao amin’ny kômity mpanorohevitra misahana ny fanatanjahan-tena. Izy koa dia efa mpikambana tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny CHOICE Humanitarian, izay fikambanana mpanao asa soa maneran-tany ary any Utah ny foibeny.

Izy dia tia mandehandeha an-tongotra any an-tendrombohitra, tia fanatanjahan-tena anaty rano, mandehandeha amin’ny ranomandry amin’ny alalan’ny fanaovana kiraro manokana ho amin’izany, mandeha manao dia lavitra, manamboatra bodofotsy bemiray, manao kilalao sy manao zavatra miaraka amin’ny fianakaviany.