2018
Fanoroam-pejin’ireo tantara nandritra ny fihaonambe
May 2018


Fanoroam-pejin’ireo tantara nandritra ny fihaonambe

Ity manaraka ity dia lisitr’ireo zavatra niainana nofantenina izay notantaraina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Ny tarehimarika hita eto dia maneho ny pejy voalohan’ilay lahateny.

Mpandahateny

Tantara

Reyna I. Aburto

(78) Ireo Olomasin’ny Andro Farany any Chili sy Pérou ary Mexique dia nanolotra fanampiana taorian’ny loza nitranga.

Neil L. Andersen

(24) Mamaky ireo lahatenin’ny Filoha Nelson tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana taloha i Kathy Andersen, ary mivavaka izy mba hahazo antoka lalindalina kokoa ny amin’ny anjara asan’ny Filoha Nelson amin’ny maha-mpaminany azy.

M. Russell Ballard

(9) Rehefa nahita ny hakelin’ny voan-tsinapy iray tany Jerosalema i M. Russell Ballard, dia nahatsiaro ireo fampianaran’ny Mpamonjy momba ny finoana izy.

David A. Bednar

(30) Nanaraka ny fanasan’ny Filoha Thomas S. Monson mba handalina ny Bokin’i Môrmôna sy hampihatra ny fahamarinana ao aminy i Russell M. Nelson sy i Henry B. Eyring.

Jean B Bingham

(104) Ny rahavavy iray ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia nanompo ny reny tanora “very sy irery” iray. Ny rahavavy Afrikana iray dia nanompo ny rahavavy iray izay voakapoka sy voaroba. Mikarakara ny rahavavy iray izay miady amin’ny homamiadana ny mpikamban’ny paroasy iray. Miasa mba hanolorana ny zavatra ilain’ny mpiray monina aminy ireo zatovovavy.

Gérald Caussé

(111) Mialoha ny nankatoavana ny fananganana ny Tempolin’i Paris, Frantsa, dia manatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo iray ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra monisipaly. Fony izy filohan’ny tsatòka dia nifaly tamin’ny fahatokian’ireo mpikambana tao amin’ny tsatòka tamin’ny Mpamonjy sy ny finoan’izy ireo Azy izay nitombo tokoa i Gérald Caussé. Nilaza amin’ny namana iray i Gérald Caussé fa ny fianakaviana rehetra dia mila mpihazona ny fisoronana ao an-tokantrano.

D. Todd Christofferson

(55) Ny kôlejin’ny loholona iray dia nijinja ny volin’ny mpamboly iray taorian’ny nahafatesan’ny olona maro tao amin’ny fianakaviany noho ny valan’aretina gripa.

Quentin L. Cook

(114) Mitondra hafaliana amin’ny mpikambana ny fisehoana masina nitranga tamin’ny fitokanana ny Tempolin’i Kirtland. Mahatsapa fitiavana sy fiadanana ao amin’ny Tempolin’i Oakland, Californie i Quentin L. Cook.

Massimo De Feo

(81) Nolazain’ny zanak’i Massimo De Feo tamin’ny mpiara-mianatra taminy fa ny rainy no “lehiben’izao rehetra izao.” Ny renin’i Massimo De Feo izay eo am-pialan’aina dia naneho fa tia azy mihoatra noho ny tenany izy.

Devin G. Durrant

(42) Ny kilalao atao iray nandritra ny takarivan’ny mpianakavy dia nanorina ny fahatokian-tenan’i Devin G. Durrant fony izy zazalahy. Maka sary eo ivelan’ny tempoly ny fianakaviana Durrant.

Larry J. Echo Hawk

(15) Ny fianakaviana Echo Hawk dia mampionona ny ray aman-drenin’ny mpamily mamo iray izay nahafaty ny rahalahy sy ny zaobavin’i Larry J. Echo Hawk.

Henry B. Eyring

(61) Ny ray aman-drenin’ny raiben’i Henry B. Eyring dia niraiki-pitia nandritra ny fiampitana lohasaha. Mahatakatra ny zavatra mety ho vitan’ny mpihazona ny fisoronana amin’ny fanompoana ny Tompo ny zatovolahy iray. Ny mpampianatra isan-tokantrano entanim-panahy iray dia manompo ny fianakaviana iray izay tena nila fanampiana.

(86) Taorian’ny nahafatesan’ny renin’i Henry B. Eyring dia mandray fampiononana avy amin’ny Fanahy Masina ny rainy.

Taylor G. Godoy

(34) Ny fahafatesan’ny zanakalahin’ny namany iray dia nandrisika an’i Taylor G. Godoy mba hampiasa ny “andro iray sisa” tsirairay eo amin’ny fiainana amim-pahendrena. Ny rahavavy ao Pérou iray dia nandray ny fanekempihavanany tamim-pahamatorana tanteraka taorian’ny fahafoizan-tena nataony mba hankanesana any amin’ny tempoly. Naniry ny ho lasa ilay mpianatra mahay indrindra i Taylor G. Godoy taorian’ny fahafoizan-tena nataon’ny reniny mba hahafahany mandrato ny fianarana ho mpitsabo nify.

Gerrit W. Gong

(97) Nitantara tantara ho an’ireo zananilahy sy nihira ho azy ireo mba hatorian’izy ireo i Gerrit W. Gong.

Jeffrey R. Holland

(101) Ny rahalahy iray izay lasa marary ny vadiny dia niantso avy hatrany ny mpampianatra isan-tokantranony mba hahazo fanampiana.

Douglas D. Holmes

(50) Ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna dia mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo amin’ireo namany. Mianatra ny dikan’ny hoe “manana ny fahefana avy amin’i Jesoa Kristy” ireo zatovolahy ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona iray.

Russell M. Nelson

(68) Tsy tena nanome tsodrano ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviany na ireo rahavavy mahazo antso vaovao ireo mpihazona fisoronana. Nanampy ny lehilahy iray hiverina ao amin’ny Fiangonana i Russell M. Nelson.

(93) Fony izy zazalahy dia tia mianatra momba ny filazantsara sy sondriana ny hofehezina amin’ny fianakaviany i Russell M. Nelson. Natonton’i Russell M. Nelson ho vaky teo amin’ny tany ny tavoahangy rehetra nisy zava-pisotro misy alikaola satria naniry izy ny hiainan’ny ray aman-dreniny ny Tenin’ny Fahendrena.

Dallin H. Oaks

(65) Ny filohan’ny kôlejin’ny loholona iray dia nanoro hevitra ny mpikambana iray ao amin’ny kôlejiny mba tsy hanajanona ny fianarany.

Bonnie L. Oscarson

(36) Fony izy zatovovavy dia nangatahana mba hanatanteraka andraikitra sy antso izay ataon’olondehibe raha ny tokony ho izy i Bonnie L. Oscarson.

Dale G. Renlund

(46) Ny fitiavan’i Parley sy Orson Pratt ny razamben’izy ireo no nanampy azy ireo handravona ny tsy fifankahazoana teo amin’izy ireo. Ireo fitahian’ny tempoly dia nanampy tamin’ny fanasitranana ny fianakaviana iray izay nafindra ny fon’ny zanak’izy ireo efa nodimandry.

Lynn G. Robbins

(21) Ny profesoran’i Lynn G. Robbins iray tany amin’ny oniversite dia namporisika ny mpianatra handray ny tsy fahombiazana ho mpampianatra ary tsy hilavo lefona hatrany.

Ulisses Soares

(98) Nahazo visa i Ulisses Soares sy ny vadiny taorian’ny nanehoana finoana fa ny Tompo dia hanatanteraka fahagagana ho azy ireo.

Gary E. Stevenson

(17) Nahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’ireo mpaminany nifanesy i Gary E. Stevenson taorian’ny nahafatesan’ny Filoha David O. McKay. Ny mpianany taloha iray dia nidera ny fomba fampianaran’ny Dr. Russell M. Nelson.

Brian K. Taylor

(12) Nahatsiaro ireo mpampianatra azy feno faharetana tao amin’ny Kilonga i Brian K. Taylor. Taorian’ny lozam-piarakodia iray nitranga noho ny tenany, dia nahita fiadanana ny zatovovavy iray amin’ny fahafantarana fa zanakavavin’ Andriamanitra izy.

Taniela B. Wakolo

(39) Rehefa niangona tao amin’ny fiangonana nandritra ny 39 taona ny lehilahy iray dia natao batisa sy nofehezina tamin’ny vadiny tao amin’ny tempoly taty aoriana.

Larry Y. Wilson

(75) Tamin’ny alalan’ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy, ny mpitondra fivavahana OAF iray dia nanampy tamin’ny famonjena ny sambo fitaterana iray ary ny ekipa tao amin’izany nandritra ny rivo-doza iray.

Claudio D. Zivic

(83) “Mahareta, dia handresy ianao,” hoy ny Filoha Thomas S. Monson tamin’i Claudio D. Zivic sy ny vadiny. Ny fitresahana nisy tao amin’ny kayak an’i Claudio D. Zivic dia nahatonga izany ho sarotra nofehezina.