2018
Ireo zavatra nisongadina nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-taona faha-188
May 2018


Ireo zavatra nisongadina nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-taona faha-188

Ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ity dia nanan-tantara noho ny antony maro, tafiditra amin’izany ny fanamboarana ny rafitra ao amin’ireo kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka ary ny fiantombohan’ny vanim-potoana fanompoana vaovao. Saingy ny fotoana nandrandraina indrindra angamba dia ny nahafahantsika tsirairay nanohana ny Filoha Russell M. Nelson ho Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany faha-17.

Fivoriana masina iray

Rehefa nijoro sy nanohana mpaminany sy Filoha vaovao isika dia tsy nisain’olombelona mpisahana firaketana ny tanantsika natsangana; izany dia noraketina tany an-danitra ho toy ny fanekempihavanana amin’ Andriamanitra.

Nandritra ny fihaonambe manontolo dia hitantsika taratra fa ity no Fiangonan’ny Mpamonjy, tarihiny amin’ny alalan’ny mpanompony. Nanatri-maso ny toerana raisin’ny mpaminany velona manoloana antsika tsirairay isika; dia tsy hoe mijoro eo anelanelantsika sy ny Mpamonjy fa mijoro kosa eo anilantsika ary manondro ny lalana mankamin’ny Mpamonjy. Niaina ny fahafahana handray “teny vavolombelona ho an’ny tena manokana avy amin’ Andriamanitra [isika] ny amin’ny antson’ny Filoha Nelson” ary ny fampifikirana “ny fanahintsika amin’i Jesoa Kristy Tompo [amin’] ny fihainoana ireo izay hirahany” (jereo ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny pejy 26).

  • Afaka mianatra misimisy kokoa ny mombamomba ny Filoha Nelson ianao ao amin’ilay tovana manokana misy 16 pejy izay ampiarahana amin’ny Ensign sy ny Liahona mey 2018.

Fanohanana ireo mpitarika vaovao

Ankoatra ny fanohanana ny Filoha Nelson dia nanohana mpitarika vaovao mihoatra ny 70 isika.

  • Hitanao ao amin’ny pejy 6–8, 28–29 ny lisitra ahitana ireo mpitarika notohanana ireo, tafiditra amin’izany ireo Fitopololahin’ny Vondrom-paritra vaovao.

  • Vakio ny tantaram-piainana fohin’ireo mpitarika vaovao manomboka ao amin’ny pejy 121.

Fanovana ao amin’ireo kôlejy ary Fanompoana

Na dia teo ambany fitantanan’ireo mpaminany aza ireo fanovana nambara nandritra ny fihaonambe dia “ohatra amin’ny fanambarana izay efa nitarika ity Fiangonana ity hatrany amboalohany,” hoy ny Loholona Jeffrey R. Holland (jereo ao amin’ny pejy 101).

  • Vakio ireo torolalana momba ny fanamboarana ny rafitra ao amin’ireo kôlejy izay nomen’ny Filoha Nelson, ny Loholona D. Todd Christofferson, ary ny Loholona Ronald A. Rasband, manomboka ao amin’ny pejy 54.

  • Vakio ireo torolalana momba ny fanompoana izay nomen’ny Filoha Nelson, sy ny Loholona Holland, ary Rahavavy Jean B. Bingham, manomboka ao amin’ny pejy 100.

  • Hitanao ao amin’ny fizarana ahitana ireo vaovao ao amin’ny pejy 132–33 ny fampahalalana misimisy kokoa momba ireo fanovana ireo ary ireo loharano mirakitra torolalana.

Tempoly fanampiny

Mba hanamafisana “ny hafatsika ho an’izao tontolo izao,” fa isika dia “manasa ny zanak’ Andriamanitra rehetra ao amin’ny andaniny roa amin’ny voaly mba hanatona ny Mpamonjy azy ireo, handray ireo fitahian’ny tempoly masina, sy hanana fifaliana maharitra, ary ho mendrika hahazo ny fiainana mandrakizay,” dia nanambara tempoly fito vaovao ny Filoha Nelson.

  • Fantaro hoe aiza no hisy an’ireo tempoly fito vaovao ireo ao amin’ny pejy 133.