2018
Loholona Terence M. Vinson
May 2018


Loholona Terence M. Vinson

Fiadidian’ny Fitopololahy

Sary
Loholona Terence M. Vinson

Ny Loholona Terence M. Vinson dia mino fa tsy lavitra velively ny Mpamonjy. “Eo akaiky eo foana Izy, indrindra ao amin’ireo toerana masina sy amin’ny fotoana ilàna Azy,” hoy izy nijoro ho vavolombelona nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2013. “Indraindray amin’ny fotoana tena tsy ampoiziko indrindra, toa mahatsapa aho hoe mikapoka mora eo amin’ny soroko Izy hampahafantarana ahy hoe tiany aho.”

Indray mandeha raha nandeha an-tongotra niaraka tamin’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Loholona Vinson dia nosakambinin’ny Loholona Holland ny Loholona Vinson ary nilaza taminy hoe tiany izy. Hoy ny Loholona Vinson hoe: “Mino aho fa raha toa isika afaka manana tombontsoa hiaraka hamindra ara-bakiteny amin’ny Mpamonjy dia hahatsapa ny sandriny isika hisakambina antsika tsy misy hafa amin’izany.

Nilaza ny Loholona Vinson, izay notohanana ho mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy tamin’ny 31 martsa 2018 fa ny fitiavan’ Andriamanitra “no fahatsapana tena mamy indrindra.”

Ny Loholona Vinson izay handray ny antso vaovao amin’ny 1 aogôsitra 2018, dia notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 6 aprily 2013. Tamin’izany fotoana izany dia mpikambana tao amin’ny Kôlejy Fahavalo ao amin’ny Fitopololahy tao amin’ny Vondrom-paritra Pasifika izy. Filohan’ny Vondrom-paritra Afrika Andrefana izy amin’izao fotoana izao.

Nahazo mari-pahaizana licence en mathématique sy statistiques ny Loholona Vinson, sy manana diplaoma momba ny fianarana sy fampianarana, ary maîtrise en finance appliquée. Tafiditra tao anatin’ny asany ny fampianarana, ny fanofanana ary ny famelabelaran-kevitra tany amin’ireo oniversite. Ny asa tena nataony dia mpanorohevitra ara-bola sy mpitantana kitapom-bola.

Raha teo am-panadihadiana mikasika ny Fiangonana ny Loholona Vinson fony izy tanora, dia nandray fahatsapana ara-panahy mahery vaika izy. Nanana fahatsapana mazava tsara izy fa tokony hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana mba hahafahany mivoatra sy mahita ny valin’ireo fanontaniana mbola tsy voavaly. Natao batisa sy noraisina ho mpikambana izy herinandro taorian’izay.

Nanomboka tamin’izay dia, “fantatro ny zavatra andrasan’ny Tompo mba hataoko ary hitako fa voavaly daholo ireo fanontaniako.”

Hatramin’ny batisany tamin’ny 1974, ny Loholona Vinson dia efa mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, eveka, mpanolotsaina avo, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, solontenan’ny faritra, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny misiôna, mpanatanteraka ôrdônansy tany amin’ny tempoly ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra.

Teraka tany Sydney, Australie izy tamin’ny 12 martsa 1951. Nanambady an’i Kay Anne Carden izy tamin’ny mey 1974. Manan-janaka enina izy ireo.