2018
Tantaram-pianakaviana: Mahita, Manangona, Mifandray
May 2018


Tantaram-pianakaviana: Mahita, Manangona, Mifandray

Ireo mpanorohevitra mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana eo an-toerana dia afaka manampy ireo mpikamban’ny Fiangonana sy ireo olona hafa mba hahita fifaliana avy amin’ny fahitana sy fanangonana ary fifandraisana amin’ireo razambeny, araka ny Loholona Bradley D. Foster, Fitopololahy Manampahefana Ambony ary Tale mpanatanteraky ny Departemantan’ny Fiangonana misahana ny tantaram-pianakaviana.

Ny olona tsirairay dia manana tantara avy amin’ny tantaram-pianakaviany. Ary misy zavatra mahafinaritra afaka mitranga rehefa manomboka mikaroka sy mahita azy ireo ianao.

“Ny tanjonay amin’ny herintaona dia ny hanampy ireo mpanorohevitra mba hahita ny anjara asany eo amin’ny fanampiana ireo mpikambana hiaina izany zavatra izany,” hoy ny Loholona Foster. “Ataonay mandeha tsirairay izany. Mandeha any amin’ireo [olona] izahay na aiza na aiza misy azy ireo, ka ifantohanay manokana kokoa ireo izay feno 12 taona sy ireo mpikambana vaovao.” Ireo vondrona roa ireo dia mahazo tombontsoa haingana avy amin’ny fahitana ny fanamafisan’ny asa atao any amin’ny tempoly orina an’ireo fianakaviana hatrany amin’ny mandrakizay, ary matetika izy ireo no mampiseho fientanentanana eo anivon’ny naman’izy ireo sy ny fianakavian’izy ireo.

Na ireo izay tsy mpikamban’ny Fiangonana aza dia afaka miaina ilay mahita, manangona, mifandray amin’ny alalan’ny fanampiana atao isaky ny olona tsirairay any amin’ireo ivon-toeran’ny tantaram-pianakaviana maneran-tany misahana ny FamilySearch izay miisa 5.000 mahery.