2010–2019
Ray aman-dreny sy zanaka
Ôktôbra 2018


Ray aman-dreny sy zanaka

Ny drafitra lehiben’ny Raintsika any An-danitra ho an’ny fahasambarana dia milaza aminareo hoe iza ianareo ary inona no tanjon’ny fiainanareo.

Ry anabaviko malala isany, tena mahafinaritra ery ny manatrika ity fivorian’ny fihaonambe maneran-tany vaovao ity izay ahitana ireo vehivavin’ny Fiangonana valo taona no ho miakatra. Nahare hafatra tena tsara avy amin’ireo rahavavy mpitarika sy ny Filoha Henry B. Eyring isika. Tena tian’ny Filoha Eyring sy ny tenako ny miasa eo ambany fitarihan’ny Filoha Russell M. Nelson, ary tsindrindaona isika handre ny hafany feno faminaniana.

I.

Ireo zanaka no fanomezana tsara indrindra nomen’ Andriamanitra antsika—dia ny fitomboantsika mandrakizay. Kanefa isika dia miaina ao anatin’ny fotoana izay anirian’ny vevihavy maro ny tsy hiteraka sy tsy hitaiza zanaka. Tanora tokan-tena maro no manemotra ny fanambadiana mandra-pahazoana ireo zavatra ara-materialy rehetra ilaina. Niakatra roa taona mahery ny salan-taona hanambadian’ny mpikamban’ny Fiangonana ary nihena ny isan’ny zaza ateraky ny mpikamban’ny Fiangonana. I Etazonia sy ny firenena hafa sasany dia miatrika hoavy izay ahitana fa vitsy loatra ny taranaka tonga taona eo amin’ny sehatry ny maha-olon-dehibe ka tsy maharaka ny isan’olon-dehibe misotro ronono hotohanana.1 Mihoatra ny 40 isan-jaton’ny zaza teraka eto Etazonia dia ateraka reny tsy manam-bady. Marefo ireny ankizy ireny. Ireo fiovana tsirairay eo amin’ny fiarahamonina ankehitriny ireo dia samy mifanohitra amin’ny drafitry ny famonjena masin’ny Raintsika any An-danitra.

II.

Takatr’ireo vehivavy Olomasin’ny Andro Farany fa ny ho reny no laharam-pahamehana ambony indrindra ho azy ireo sy fifaliany faratampony. Nilaza ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Amin’ny ankamaroan’ny fotoana ho an’ny vehivavy dia ao an-tokantrano sy eo anivon’ny fianakaviana no ahatsapany tena ho mahavita zavatra lehibe indrindra sy hahatsapany fahasambarana lehibe indrindra. Ny vehivavy dia nomen’ Andriamanitra zavatra masina izay miseho amin’ny alalan’ny hery mangina, ny toetra maha-te-ho tia, ny fiadanana, ny toetra tsara, ny hasina, ny fahamarinana, ny fitiavana. Ary ireo hatsarana mahavariana rehetra ireo dia miseho amin’ny tena endriny mahafa-po eo amin’ny maha-reny.”

Notohizany hoe: “Ny asa lehibe indrindra azon’ny vehivavy atao dia ny mikolokolo sy mampianatra, sy miara-miaina sy mankahery ary mitaiza ny zanany ao anatin’ny fahitsiana sy ny fahamarinana. Tsy misy zavatra hafa hitovy lenta amin’izany na inona na inona asa ataony.”2

Ry reny, ry ranabavy malala, tianay amin’ny maha-ianareo anareo sy noho ny zavatra ataonareo ho anay rehetra ianareo.

Hoy ny Filoha Russell M. Nelson tao anatin’ilay hafatra manan-danja nataony tamin’ny 2015 mitondra ny lohateny hoe “Fiangaviana ho an’ireo anabaviko”:

“Tsy feno ary tsy ho feno ny fanjakan’ Andriamanitra raha tsy misy ireo vehivavy izay manao fanekempihavanana masina, ka mitandrina izany avy eo, ireo vehivavy izay afaka miteny amin’ny hery sy fahefan’ Andriamanitra!

“Ankehitriny … isika dia mila vehivavy izay mahafantatra ny fomba hanatanterahana ireo zavatra manan-danja amin’ny alalan’ny finoan’izy ireo, sy mpiaro amin’ny risim-po ny fahadiovam-pitondran-tena sy ny fianakaviana ao anatin’ny tontolo izay feno fahotana. Mila vehivavy isika izay manolo-tena hitarika ny zanak’ Andriamanitra manerana ilay lalan’ny fanekempihavanana mankany amin’ny fisandratana; vehivavy izay mahafantatra ny fomba hahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana, izay mahatakatra ny hery sy ny fiadanana avy amin’ny fanafiana masina any amin’ny tempoly; vehivavy izay mahafantatra ny fomba hahazoana fanampiana avy amin’ireo herin’ny lanitra mba hiarovana sy hampatanjahana ny zanaka sy ny fianakaviana; vehivavy izay mampianatra tsy amin-tahotra.”3

Ireo fampianarana nentanim-panahy ireo dia mifototra amin’ilay “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” izay anamafisan’ity Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ity ireo fotopampianarana sy fomba fanao izay ivon’ny drafitr’ilay Mpahary talohan’ny nanorenany ny tany.

III.

Amin’izao aho dia hitodika amin’ireo vondrona tanora kokoa amin’ny mpanatrika eto. Ry anabaviko tanora isany, noho ny fahalalanareo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tafaverina tamin’ny laoniny dia miavaka ianareo. Ny fahalalanareo dia hahafahanareo hiharitra sy handresy ireo fahasarotana eo amin’ny lalan’ny fahamatorana. Mbola kely ianareo dia nandray anjara tamina tetik’asa sy fandaharam-pianarana izay nampivelatra ireo talentanareo, toy ny fanoratana, sy ny fitenenana ary ny fahaizana manao drafitra. Nianatra ny ho tompon’andraikitra ianareo, ary koa ny fomba hanoherana ny fakam-panahy handainga, hangala-tahaka, hangalatra, na handray zava-pisotro mahamamo na zava-mahadomelina.

Ny maha-olona miavaka anareo dia hitan’ny Oniversite Caroline du Nord tamin’ny fikarohana nataon’izy ireo momba ny zatovo Amerikana sy ny fivavahana. Toy izao no lohatenin-dahatsoratra iray tao amin’ny Charlotte Observer: “Hitan’ny fikarohana fa fa tena matanjaka raha oharina amin’ireo ny mitovy taona aminy ny zatovo Môrmôna amin’ny fiatrehana ny rarin-tsain’ny fialana sakana.” Nofaranan’ilay lahatsoratra fa hoe “Ny Môrmôna no mahomby indrindra amin’ny fanalavirana ny fihetsika mampidi-doza, amin’ny fianarana tsara any an-tsekoly ary amin’ny fananana fanantenana ny amin’ny hoavy.” Ny iray tamin’ireo mpikaroka tao amin’ilay fanadihadiana izay nanadihady ny maro tamin’ireo tanorantsika dia nilaza hoe “Saika manerana ireo sokajy rehetra nodinihanay dia nisy maodely iray nazava: ny Môrmôna no laharana voalohany.”4

Nahoana ianareo no mahomby kokoa amin’ireo fahasarotana eo amin’ny lalan’ny fahamatorana? Ry zatovovavy, satria ianareo dia mahatakatra ny drafitra lehiben’ny fahasambaran’ny Raintsika any An-danitra. Io drafitra io dia milaza anareo hoe iza ianareo ary inona no tanjon’ny fiainanareo. Ny zatovo manana io fahatakarana io no lohalaharana amin’ny famahan’olana, ary lohalaharana amin’ny fisafidianana ny tsara. Fantatrareo fa afaka mahazo ny fanampian’ny Tompo ianareo amin’ny fandresena ireo fahasarotana rehetra eo amin’ny lalan’ny fahamatorana.

Ny antony iray hafa mahatonga anareo ho mahomby kokoa dia noho ianareo mahatakatra fa ianareo dia zanaky ny Ray any An-danitra izay tia anareo. Azoko antoka fa hainareo ilay hira fihirantsika hoe “Chers enfants, sur vous Dieu veille.” Ity ilay andininy voalohany nohiraintsika sy ninoantsika rehetra:

Rankizy lalaina, Andriamanitra dia eo akaikinareo,

Miahy anareo andro aman’alina,

Ary finaritra ny hiantso anareo hoe zanany, ka hitahy anareo,

Raha toa ianareo miezaka manao ny marina.5

Misy fampianarana roa ao amin’io andalana io: Voalohany, eo akaikintsika ny Raintsika any An-danitra ary miahy antsika andro aman’alina. Eritrereto anie e! Tia antsika Andriamanitra, eo akaikintsika Izy, ary miahy antsika. Faharoa, finaritra ny hitahy antsika Izy rehefa “miezaka manao ny marina” isika. Tena mampionona tokoa izany manoloana ireo tebiteby sy zava-tsarotra atrehantsika.

Eny, ry zatovovavy, ianareo dia voatahy ary mahatalanjona, kanefa tahaka ireo zanaky ny Ray any An-danitra rehetra ianareo, mila “miezaka manao ny marina.”

Eto aho dia afaka manoro hevitra anareo amin’ny karazan-javatra maro, saingy roa ihany no nosafidiko ho resahana.

Ny torohevitro voalohany dia mahakasika ny telefaonina finday. Ny fanadihadiana iray natao manerana ny firenena dia nahitana fa ny antsasa-manilan’ny zatovo eto Etazonia dia nilaza fa mandany fotoana be loatra eo amin’ny telefaonina findainy. Mihoatra ny 40 isan-jato no nilaza fa mitebiteby izy ireo rehefa tafasaraka amin’ny telefaonina findainy.6 Mpitranga kokoa io eo amin’ny vehivavy raha oharina amin’ny lehilahy. Ry anabaviko tanora isany, sy ireo vehivavy olon-dehibe koa, ho voatahy ianareo raha toa ka mametra ny fampiasanareo sy ny fiankinan-dohanareo amin’ny telefaonina finday.

Ny torohevitro faharoa dia mbola manan-danja kokoa aza. Meteza ho tsara fanahy amin’ny hafa. Ny hatsaram-panahy dia zavatra izay efa ataon’ny maro amin’ireo zatovontsika. Misy vondron-jatovo sasany any amin’ny fiarahamonina sasantsasany izay naneho ny fomba fanaovana izany ho antsika rehetra. Nanentana ny fanahinay ny fihetsika maneho hatsaram-panahy nataon’ireo zatovontsika tamin’ireo izay mila fitiavana sy fanampiana. Amin’ny fomba maro no ifanomezanareo izany fifanampiana sy ifanehoanareo izany fifankativana izany. Irianay ny mba hanarahan’ny rehetra ny ohatrareo.

Etsy andaniny dia fantatsika fa i Satana dia maka fanahy antsika rehetra mba ho ratsy fanahy ary misy ohatra maro amin’izany hatrany na dia eo anivon’ireo ankizy sy ny zatovo aza. Ny haratsiam-panahy mitohy dia antsoina amin’ny fomba maro toy ny hoe hetraketraka, fiombonana hanoherana olona iray, na fiombonana hanilihana ny hafa. Ireo ohatra ireo dia fampijaliana ankitsirano ny mpiara-mianatra na namana. Ry anabaviko tanora isany, tsy mahafaly ny Tompo raha toa ka mihetraketraka na ratsy fanahy amin’ny hafa isika.

Ity misy ohatra iray. Mahafantatra zatovolahy iray aho, mpitsoa-ponenana eto Utah, izay rabirabiana noho izy hoe tsy mitovy amin’ny rehetra, anisan’izany noho ny fitenenany amin’ny tenindrazany indraindray. Nampijalian’ny vondron-jatovo iray manan-katao izy mandra-pisendaotrany tamin’ny fomba izay nahatonga azy ho nampidirina am-ponja nandritra ny 70 andro mahery, fotoana izay nandinihan’ny fanjakana ny hamerenana azy any amin’ny tany niaviany. Tsy haiko hoe inona no nampirongatra ity andian-jatovo ity, izay maro tamin’izy ireo no Olomasin’ny Andro Farany toa anareo, kanefa hitako ny fiantraikan’ny haratsiam-panahin’izy ireo, dia traikefa nampidi-doza sy fatiantoka tamin’ny iray tamin’ireo zanak’ Andriamanitra izany. Ny fihetsika kely maneho haratsiam-panahy dia mety hiteraka voka-dratsy lehibe.

Rehefa nandre io tantara io aho dia nampitahaiko tamin’ny zavatra nolazain’ny Filoha Nelson mpaminanintsika nandritra ny fampaherezam-panahy niarahany vao tsy ela tamin’ireo zatovo maneran-tany. Tamin’ny nangatahany anareo sy ireo zatovo maro hafa mba hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely no nilazany hoe: “Miavaha; aza mitovy amin’izao tontolo izao. Izaho sy ianao dia mahafantatra fa ianareo dia tokony ho fahazavana ho an’izao tontolo izao. Noho izany dia ilain’ny Tompo ianareo mba hanahaka, sy hiresaka, sy hanao zavatra, ary hiakanjo toy ny tena mpianatr’i Jesoa Kristy.7

Ilay tafika zatovo izay anasan’ny Filoha Nelson anareo mba hidirana dia tsy hifaneho haratsiam-panahy. Izy ireo dia hanaraka ny fampianaran’ny Mpamonjy hoe hanampy sy ho tia ary hiraharaha ny hafa, eny fa na dia ny hanome koa ny takolaka ilany aza rehefa nisy nanao ratsy antsika.

Nandritra ny lahateny tamin’ny fihaonambe iray nanodidina ny taona izay nahaterahan’ny ankamaroanareo, dia noderain’ny Filoha Gordon B. Hinckley ireo “zatovovavy meva izay miezaka miaina ny filazantsara.” Nanoritsoritra azy ireo izy, tahaka ny fahatsapako ny tokony hanoritsoritana anareo:

“Malala-tanana eo amin’ny samy izy ireo izy ireo. Mikatsaka ny hifankahery izy ireo. Tombontsoa ho an’ny ray aman-dreniny sy ny tokantrano niaviany izy ireo. Mihamanakaiky ny maha-vehivavy olon-dehibe izy ireo ary hitondra mandritra ny androm-piainany ireo soatoavina izay hery manosika azy ireo amin’izao fotoana izao.”8

Amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo ahy no ilazako anareo ry zatovovavy fa izao tontolo izao dia mila ny hatsaranareo sy ny fitiavanareo. Aoka ianareo hifaneho hatsaram-panahy. I Jesoa dia nampianatra antsika hifankatia sy hitondra ny hafa tahaka ny fomba tiantsika hitondrana antsika. Rehefa miezaka ny ho tsara fanahy isika dia manakaiky kokoa Azy sy ny toetrany feno fitiavana.

Ry anabaviko malala isany, raha mandray anjara amina hetraketraka ianareo na zavatra lomorina, na samirery izany na ao anatina vondrona, dia manapaha-hevitra ny hiova izao ary ny hamporisika ny hafa hiova. Izany no torohevitro ary manome izany anareo aho amin’ny maha-mpanompon’i Jesoa Kristy Tompo ahy satria ny Fanahiny no nitaona ahy hiresaka aminareo momba io lohahevitra manan-danja io. Mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy, ilay Mpamonjy antsika aho, izay nampianatra antsika mba hifankatia tahaka ny nitiavany antsika. Enga anie isika hanatanteraka izany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Sara Berg, “Nation’s Latest Challenge: Too Few Children,” AMA Wire, 18 jona 2018, wire.ama-assn.org.

  2. Les enseignements de Gordon B. Hinckley (1997), 387, 390; jereo koa ny M. Russell Ballard, “Mothers and DaughtersLiahona, mey 2010, 18 (teny notsongaina hita ao amin’ny Filles dans mon royaume: L’histoire et l’oeuvre de la Société de Secours [2011], 156).

  3. Russell M. Nelson, “Fiangaviana ho an’ireo anabaviko,” Liahona, nôv. 2015, 96; jereo koa ny Russell M. Nelson, “Children of the Covenant,” Ensign, mey 1995, 33.

  4. Io fanadihadiana io dia navoakan’ny Oxford University Press ka nitondra ny lohateny hoe Christian Smith and Melinda Lundquist Denton, Soul Searching: The Religious and Spiritual Lives of American Teenagers (2005).

  5. “Chers enfants, sur vous Dieu veille,” Cantiques, lah. 190.

  6. Jereo ny “In Our Opinion: You Don’t Need to Be Captured by Screen Time,” Deseret News, 31 aôg. 2018, deseretnews.com.

  7. Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” (Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), 8, HopeofIsrael.lds.org.

  8. Gordon B. Hinckley, “The Need for Greater Kindness,” Liahona, mey 2006, 60–61.