2010–2019
Tokantrano itoeran’ny Fanahin’ny Tompo
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2019


Tokantrano itoeran’ny Fanahin’ny Tompo

Ny ampahany amin’ny fifaliana lehibe indrindra ho tsapanareo dia ho hitanareo ao anatin’ny ezaka ataonareo mba hahatonga ny tokantranonareo ho toeran’ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo sy toerana izay heniky ny fitiavana.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, feno fankasitrahana aho nasaina hiresaka aminareo amin’ity Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-taona faha-189 an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ity. Tamin’ny datin’andro androany tamin’ny taona 1830 no nananganan’i Joseph Smith ny Fiangonana teo ambany fitarihan’ny Tompo. Tao amin’ny tokantranon-dry Whitmer mianakavy tao akaikin’i Fayette New York no nananganana izany. Nisy mpikambana enina tao ary nisy olona liana hafa sahabo ho 50 isa nanatrika tao tamin’io andro io.

Na dia tsy fantatro aza ny zavatra nolazain’ny Mpaminany Joseph, na toy ny ahoana ny endriny ivelany rehefa nijoro nanoloana izany vondron’olona vitsy izany izy, dia fantatro ny zavatra tsapan’ireo olona nino an’i Jesoa Kristy ireo. Nahatsapa ny Fanahy Masina izy ireo, ary tsapany fa tao amin’ny toerana masina no nisy azy ireo. Azoko antoka fa nahatsapa ho nitambatra ho iray izy ireo.

Izany fahatsapana mahagaga izany no iriantsika rehetra ao an-tokantranontsika. Izany dia fahatsapana tonga avy amin’ilay nofaritan’i Paoly hoe fananana ny “fihevitry ny Fanahy.”1

Ny tanjoko anio dia ny hampianatra ny zavatra fantatro mikasika ny fomba ahafahantsika mahafeno ny fepetra hananana izany fahatsapana izany matetika kokoa ary hanasa izany mba haharitra kokoa ao amin’ny fianakaviantsika. Araka ny zavatra niainanareo dia fanatrareo fa tsy mora ny manao izany. Tsy maintsy sorohina ny fifandirana, ny avonavona ary ny fahotana. Ny fitiavana madion’i Kristy dia tsy maintsy miditra ao am-pon’ny olona ao amin’ny fianakaviantsika.

I Adama sy i Eva, i Lehia sy i Sarià, ary ireo ray aman-dreny fantatsika ao amin’ny soratra masina dia nahita fa fanamby sarotra tanterahina izany. Mbola misy ihany anefa ny ohatra amin’ny fifaliana maharitra ao amin’ny fianakaviana sy ny tokantrano mba hananantsika toky. Ary ireo ohatra ireo dia mampianatra antsika ny fomba ahafahantsika sy ny fianakaviantsika miaina izany. Tsaroanareo ilay tantara ao amin’ny 4 Nefia hoe:

“Ary ny zava-nitranga dia tsy nisy fifandirana teo amin’ny tany, noho ny fitiavan’ Andriamanitra, izay nitoetra tao am-pon’ny vahoaka.

“Ary tsy nisy fialonana, na adiady, na tabataba, na fijangajangana, na fandaingana, na vonoan’olona, na izay mety ho fomban’ny fahalotoam-pitondratena; ary marina tokoa fa tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy teo anivon’ny vahoaka rehetra izay noharian’ny tànan’ Andriamanitra.

“Tsy nisy mpandroba, na mpamono olona, tsy nisy koa Lamanita, na izay mety ho fombafomban’ny -ita; fa izy kosa dia iray, zanak’ i Kristy ary mpandovan’ny fanjakan’ Andriamanitra.

“Ary notahiana erỳ izy! Fa ny Tompo dia nitahy azy tamin’ izay nataony rehetra; eny, dia notahiana sy nambinina izy mandra-pahalasan’ny folo amby zato taona; ary efa lasana ny taranaka voalohany hatramin’ i Kristy, ary tsy nisy fifandirana teo amin’ny tany manontolo.”2

Araka ny fantatrareo dia tsy naharitra mandrakizay izany fotoana nahafaly izany. Ilay tantara ao amin’ny 4 Nefia dia mamari-paritra ny fambara taty aoriana izay nanambara ny fihenan’ny hery ara-panahy teo anivon’ny vondron’olona tsara iray. Lamina efa nitranga tao anatin’ireo taona maro nifandimby teo anivon’ny vahoaka iray manontolo, ny mpiara-mivavaka, ary ny tena mampalahelo indrindra dia eo anivon’ny fianakaviana izany. Rehefa mandalina io lamina io isika dia afaka mahita ny fomba azontsika hiarovana ary hampitomboana mihitsy aza ny fahatsapana fitiavana ao amin’ny fianakaviantsika.

Indro ary ilay lamin’ny fihenan-kery izay nitranga taorian’ny 200 taona niainana tao anatin’ny fiadanana lavorary entin’ny filazantsara:

Nisoko tsikelikely ny avonavona.

Tsy nifampizara intsony izay nananany ny olona.

Nanomboka nihevitra ny tenany ho nanana saranga ambony na ambany izy samy izy.

Nanomboka nihena ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy.

Nanomboka nankahala izy ireo.

Nanomboka nanao fahotana isan-karazany izy ireo.

Ny ray aman-dreny hendry dia ho mailo tsara mba hahatsikaritra ireo fisehoan-javatra ireo rehefa mitranga eo anivon’ny olona ao amin’ny fianakaviany izany. Mazava ho azy fa hampanahy azy ireo izany. Saingy ho fantatr’izy ireo fa ny antony fototra mahatonga izany dia ny fitaoman’i Satana izay miezaka ny mitarika ny olona tsara handeha amin’ny lalana iray mba hanota, ka noho izany dia tsy hanana ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Ka noho izany ny ray aman-dreny hendry dia hahatakatra fa ny zavatra tokony hararaotina hatao dia ny mitarika ny zanaka tsirairay, sy ny tenany, mba hanaiky bebe kokoa ny fanasan’ny Tompo mba hankany Aminy.

Mety ho voafetra ny fahafahanareo miantso zanaka iray hibebaka amin’ny avonavona, ohatra. Mety hiezaka handresy lahatra ny zanakareo hizara amin-kalalahan-tanana bebe kokoa ny zavatra ananany ianareo. Azonareo atao ny miangavy azy ireo mba tsy hahatsapa intsony fa tsara kokoa noho ny olona iray hafa ao amin’ny fianakaviana izy ireo. Saingy aorian’izay ianareo dia mahatsikaritra ilay fambara nofariparitako teo aloha hoe “Nanomboka nihena ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy.”

Izany no vahaolana hitarihana ny fianakavianareo hanana ilay toe-panahy matanjaka tianareo hananan’izy ireo, sy hanananareo mba hiarahanareo amin’izy ireo ao anatin’izany. Rehefa manampy azy ireo ianareo ny hampitombo finoana fa i Jesoa Kristy no Mpanavotra azy ireo izay tena tia azy, dia hahatsapa faniriana ny hibebaka izy ireo. Rehefa manao izany izy ireo dia hanomboka hisolo toerana ny avonavona ny fanetrentena. Rehefa manomboka mahatsapa ny zavatra nomen’ny Tompo azy izy ireo, dia hanana faniriana hizara izay ananany amin-kalalahan-tanana kokoa izy ireo. Hihena ny fifaninanana mba hanan-daza na ho be mpiraharaha kokoa. Horoahin’ny fitiavana ny fankahalana. Ary farany, ny faniriana hanao ny tsara dia hampatanjaka azy ireo hanohitra ny fahotana, tahaka ny nampatanjahan’izany ireo olona niova fo tamin’ny alalan’i Benjamîna Mpanjaka. Nijoro ho vavolombelona ireo vahoakan’i Benjamîna Mpanjaka fa “tsy manana fironana hanao ratsy intsony” izy ireo.3

Ka noho izany dia ny fanorenana finoana an’i Jesoa Kristy no fiantombohan’ny fandresena ny fihenan’ny hery ara-panahy ao amin’ny fianakavianareo sy ao an-tokantranonareo. Izany finoana izany no azo antoka kokoa fa hiteraka fibebahana raha ampitahaina amin’ny fampianarana entinareo hanoherana ny fambara tsirairay manambara ny fihenan’ny hery ara-panahy.

Ny zavatra tsara indrindra azonareo atao dia ny maneho ohatra. Tokony hahita anareo hitombo amin’ny finoanareo an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ireo olona ao amin’ny fianakavianareo sy ny olona hafa. Vao haingana ianareo no nomena fanampiana lehibe. Nomena fandaharam-pampianarana avy amin’ny fitaomam-panahy ho an’ny fianakaviana sy ny isam-batan’olona ireo ray aman-dreny ao amin’ny Fiangonana. Rehefa mampiasa izany ianareo dia hampiorina ny finoanareo sy ny finoan’ireo zanakareo an’i Jesoa Kristy Tompo.

Mitombo finoana

Nitombo ny finoanareo ny Mpamonjy rehefa nanaraka ny sosokevitra naroson’ny Filoha Russell M. Nelson mba hamerina hamaky ny Bokin’i Môrmôna ianareo. Nasinareo marika ireo andinin-tsoratra masina sy teny izay niresaka momba ny Mpamonjy. Nitombo ny finoanareo an’i Jesoa Kristy. Kanefa tahaka ny zava-maniry vaovao, ny finoana an’i Jesoa Kristy tahaka izany dia hihena raha tsy manana fahavononana tsy an-kiato hisaintsaina sy hivavaka ianareo mba hampitomboana an’izany.

Ny ohatra hasehonareo amin’ny fitomboana finoana dia mety tsy hoharahin’ireo olona ao amin’ny fianakavianareo amin’izao fotoana izao. Saingy afaka mahazo fankaherezana sy fampiononana avy amin’ny zavatra niainan’i Almà Zanany ianareo. Tao anatin’ny filany tamim-panaintainana fibebahana sy famelan-keloka, dia nahatsiaro ny finoan’ny rainy an’i Jesoa Kristy izy. Mety hahatsiaro ny finoanareo ny Mpamonjy ireo zanakareo amin’ny fotoana iray izay ilany mafy fibebahana. Hoy i Almà raha niresaka izany fotoana izany hoe:

“Ary ny zava-nitranga, raha nampijalian’ny fijaliana toy izany aho ka mbola norotidrotehan’ny fahatsiarovana ny fahotako maro dia indro nahatsiaro koa aho ho efa nandre ny raiko naminany tamin’ny vahoaka ny momba ny fiavian’ izany Jesoa Kristy izany, izay Zanak’ Andriamanitra mba hanonitra ny fahotan’ izao tontolo izao.

“Ankehitriny, raha nifantoka tamin’ izany eritreritra izany ny saiko, dia nihiaka tao am-poko aho hoe: Ry Jesoa ô, Ianao Ilay Zanak’ Andriamanitra, mamindra fo amiko, izay ao anatin’ny ngidin’ny afero sy voahodidin’ny gadra maharitra mandrakizain’ny fahafatesana.

“Ary ankehitriny, indro, nony nieritreritra izany aho, dia tsy nety nahatsiaro intsony ny fanaintainako; eny, tsy norotidrotehan’ny fahatsiarovana ny fahotako intsony aho.”4

Mivavaka amim-pitiavana

Ankoatra ny ohatra asehonareo amin’ny fitomboana finoana, ny fiarahanareo mianakavy mivavaka dia afaka mitana anjara asa manan-danja amin’ny fanaovana ny tokantrano ho toerana masina. Misy olona iray izay mazàna no safidiana mba hanao ny tonom-bavaka ho an’ny fianakaviana. Rehefa atao amin’ Andriamanitra mazava tsara ho an’ireo olona mandohalika sy mihaino ny vavaka dia mitombo ao anatin’izy ireo ny finoana. Afaka mahatsapa ireo teny fanehoam-pitiavana ho an’ny Ray any An-danitra sy ho an’ny Mpamonjy izy ireo. Ary rehefa manonona ny anaran’ireo olona mandohalika ao anatin’izany faribolana izay mila fanampiana izany ilay olona mivavaka, dia afaka mahatsapa fitiavana ho azy ireo sy ho an’ny olona tsirairay ao amin’ilay fianakaviana ny rehetra.

Na dia tsy mipetraka ao amin’ilay tokantrano aza ny olona ao amin’ny fianakaviana dia afaka miteraka fahatsapana fitiavana ny vavaka. Ny vavaka atao ao amin’ny fianakaviana dia afaka manana fiantraikany manerana izao tontolo izao. Efa imbetsaka aho no nahare fa nisy olona iray tao amin’ny fianakaviana tany alavitra tany izay nivavaka tamin’ny ora mitovy sy nilaza zavatra mitovy tamin’ny ahy. Ho ahy, ilay fomba fiteny mahazatra hoe “Ny fianakaviana miara-mivavaka dia manana fifandraisana mafy orina” dia azo hitarina hoe “Ny fianakaviana miara-mivavaka dia miaraka, na dia rehefa misara-toerana aza izy ireo.”

Mampianatra ny fibebahana dieny any am-boalohany

Koa satria tsy misy lavorary isika na dia iray aza ary mora tohina, dia tsy afaka ny ho tonga toeram-pialofana masina ny fianakaviana raha tsy rehefa mibebaka haingana sy amin-kitsimpo isika. Afaka maneho ohatra ny ray aman-dreny. Azo ibebahana haingana sy amin-kitsimpo ny teny mahery sy ny eritreritra feno haratsiam-panahy. Ny teny tsotra hoe “Mifona aho” dia afaka manasitrana ny ratram-po ary sady manasa ny famelan-keloka no manasa ny fitiavana.

Ny Mpaminany Joseph Smith dia ohatra ho antsika teo am-piatrehany ireo famelezana azy am-pitaka sy ireo mpamadika, eny fa na ireo tsy fitovian-kevitra nisy tao amin’ny fianakaviany aza. Namela heloka haingana izy na dia fantany aza fa mety hamely azy indray ny olona mpamely azy. Nangataka famelan-keloka izy, ary nanome izany malalaka.5

Mamboly toe-tsaina tia mitory ny filazantsara

Tapa-kevitra ny hanolotra ny filazantsara ho an’ny olon-drehetra ireo zanakalahin’i Môzià. Tonga avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo manokana tamin’ny fibebahana io faniriana io. Tsy tantin’izy ireo ny nieritreritra hoe hisy olona hiaritra ny voka-dratsy ateraky ny fahotana tahaka izay niaretany. Noho izany dia niatrika fandavana, fotoan-tsarotra, ary loza an-taonany maro izy ireo mba hanolorana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho an’ireo fahavalony. Rehefa nanao izany izy ireo dia nahita fifaliana tao amin’ireo olona maro izay nibebaka ary nahatsapa ny fifaliana avy amin’ny famelan-keloka tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy.

Hitombo ny faniriana ananan’ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika mba hizara ny filazantsara rehefa mahatsapa ny fifaliana avy amin’ny famelan-keloka izy ireo. Izany dia afaka ny ho tonga na dia eo am-panavaozan’izy ireo ny fanekempihavanany aza rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo izy ireo. Ny toe-tsaina tia mitory ny filazantsara dia hitombo ao an-tokantranontsika rehefa mahatsapa ny fifaliana avy amin’ny famelan-keloka mandritra ny fotoan’ny fanasan’ny Tompo ny zanaka sy ny ray aman-dreny. Noho ny ohatry ny fanajana asehon’izy ireo dia afaka mifanampy ny ray aman-dreny sy ny zanaka mba hahatsapa izany fifaliana izany. Izany fifaliana izany dia mahavita hatramin’ny mamadika ny tokantranontsika ho lasa ivontoerana fanofanana misiônera. Mety tsy handeha hanompo hanao asa fitoriana daholo ny rehetra, saingy ny rehetra dia hahatsapa ilay faniriana hizara ny filazantsara, izay nahatonga azy ireo hahatsapa famelan-keloka sy fiadanana. Ary na manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno amin’izao fotoana izao na tsia dia afaka mahatsapa ny fifaliana amin’ny fanolorana ny filazantsara ho an’ny hafa daholo ny rehetra.

Mitsidika ny tempoly

Na ho an’ny ray aman-dreny na ny zanaka dia ny tempoly no fahafahana tsara indrindra hahafahana mahatsapa hoe toy ny ahoana izany toerana misy an’ Andriamanitra izany sy hahafahana mitia izany. Marina izany, indrindra fa rehefa mbola kely ny zanaka. Teraka miaraka amin’ny Fahazavan’i Kristy ny ankizy. Na ny zazakely aza dia afaka mahatsapa fa masina ny tempoly. Koa satria tia ireo zanany mbola kely ny ray aman-dreny, ny tempoly dia maneho amin’izy ireo ny fanantenana fa afaka mitia mandrakizay ireo zanany ao anatin’ny fianakaviany mandrakizay izy ireo.

Ny sasany aminareo dia manana sarin’ny tempoly ao an-tokantranonareo. Noho ny fisian’ny tempoly fanampiny aorina manerana izao tontolo izao dia maro ireo ray aman-dreny afaka mitsidika ny faritry ny tempoly miaraka amin’ny fianakaviany. Misy fianakaviana vitsivitsy mety ho afaka mihitsy aza hanatrika varavarana misokatra rehefa misy tempoly aorina. Ny ray aman-dreny dia afaka manontany ny zanany ny zavatra tsapany rehefa teo akaiky na tao anatin’ny tempoly izy ireo.

Ny ray aman-dreny tsirairay dia afaka mijoro ho vavolombelona mikasika ny lanjan’ny tempoly ho azy ireo. Ny Filoha Ezra Taft Benson, izay tia ny tempoly dia niresaka matetika mikasika ny nijereny ny reniny nipasoka tamim-pitandremana ny akanjony fanao any amin’ny tempoly.6 Niresaka mikasika ny fahatsiarovany fony izy zazalahy izy izay nijery ny fianakaviany rehefa nandao ny tokantranony izy ireo mba ho any amin’ny tempoly.

Rehefa izy no Filohan’ny Fiangonana dia nankany amin’ny tempoly tamin’ny andro iray manokana isan-kerinandro izy. Nanao asa atao any amin’ny tempoly ho an’ny razambe iray foana izy. Avy tamin’ny ohatra nasehon’ny ray aman-dreniny ny ankamaroan’izany.

Ny fjijoroako ho vavolombelona

Ny ampahany amin’ny fifaliana lehibe indrindra ho tsapanareo dia ho hitanareo ao anatin’ny ezaka ataonareo mba hahatonga ny tokantranonareo ho toeran’ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo sy toerana izay heniky ny fitiavana, dia ny fitiavana madion’i Kristy. Ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara dia nanomboka tamin’ny fanontaniana feno fanetrentena nosaintsainina tao amin’ny tokantrano sahirana iray, ary afaka mitohy ao amin’ny tokantranontsika tsirairay avy izany rehefa manohy mametraka sy mampihatra ny fitsipiky ny filazantsara ao isika. Izany no fanantenako sy faniriako lalina hatramin’ny naha-zazalahy kely ahy. Efa nahatsikaritra kely ireo tokantrano tahaka izany ianareo rehetra. Maro aminareo no nanorina niaraka tamin’ny fanampian’ny Tompo tokantrano heniky ny Fanahy.

Ny sasany dia niezaka tamin’ny fony manontolo mba hahazo izany fitahiana izany, kanefa tsy nahazo. Ny fampanantenana omeko anareo dia fampanantenana iray nataon’ny mpikambana iray ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamiko. Nilaza taminy aho fa noho ny safidy nataon’ny sasany tamin’ireo havanay dia nampanahy ahy ny hahafahanay ho tafaraka mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy. Hoy izy araka ny fahaizako mitadidy izany hoe: “Tsy ilay tena olana no mampanahy anao. Miaina mba ho mendrika ny fanjakana selestialy fotsiny ianao dia hahafinaritra kokoa mihoatra ny azonao eritreretina ny momba ny fianakavianao.”

Mino aho fa hanolotra izany fanantenana mahafaly izany izy ho antsika rehetra eto amin’ny fiainana an-tany izay nanao izay azontsika natao rehetra mba hahatonga ny tenantsika sy ny fianakaviantsika ho mendrika ny fiainana mandrakizay. Fantatro fa drafitry ny fahasambarana ny drafitry ny Ray any An-danitra. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny drafiny dia mahatonga ny tsirairay avy amintsika izay nanao ny tsara indrindra vitantsika ho afaka ny hofehezina ao anatina fianakaviana mandrakizay.

Fantatro fa ireo fanalahidin’ny fisoronana naverina tamin’i Joseph Smith dia nampitampitaina tsy nisy fahatapahany avy tamin’ireo mpaminany nankamin’ny Filoha Russell M. Nelson. Ireo fanalahidy ireo no ahafahana manatanteraka ny famehezana ireo fianakaviana amin’izao fotoana izao. Fantatro fa tia antsika izay fanahy zanany amin’ny fitiavana tsy misy tomika ny Ray any An-danitra. Fantatro fa noho ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy dia afaka mibebaka isika, ho voadio ary ho lasa mendrika ny hiaina mandrakizay ao anatina fianakaviana be fitiavana miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra sy miaraka amin’ny Zanany Malalany, dia i Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.