Namana
Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy
Janoary 2024


“Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy,” Namana, Jan. 2024, 28–29.

Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy

Ho an’ny takarivan’ny mpianakavy na fandalinana ny soratra masina, na atao fialam-boly fotsiny!

1–7 janoary

Ny fijoroana ho vavolombelona anananao

Sary
alt text

Sary nataon’i Katy Dockrill

Ho an’ireo pejy fanolorana ny Bokin’i Môrmôna

Ny Bokin’i Môrmôna dia nosoratana tamin’ny takelabolamena tamin’ny voalohany. Ny olona izay nahita ireo takelaka dia nanoratra fa fantatr’izy ireo hoe marina izany (jereo ny Tenivavolombelon’ireo vavolombelona telo sy ny Tenivavolombelon’ireo vavolombelona valo). Soraty na ataovy sary ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana momba ny Bokin’i Môrmôna ary apetaho ao anatin’ny soratra masinao izany.

8–14 janoary

Fizaràna harena sarobidy

Sary
alt text

Ho an’ny 1 Nefia 1–5

Ny soratra masina dia harena sarobidy (jereo ny 1 Nefia 5:21). Manaova sarina endrika vatosoa ary hetezo tsirairay izany. Asao ny olona tsirairay hanoratra soratra masina avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna eo ambonin’ireo vatosoa. Afangaroy ireo vatosoa ary mifandimbiasa misafidy anankiray sy mamaky ny soratra masina tsirairay.

15–21 janoary

Takelaka tsotra sy sarobidy

Sary
alt text

Ho an’ny 1 Nefia 6–10

Nilaza tamin’i Nefia ny Tompo mba hanao andian-takelaka hafa ho amin’ny tanjona iray manokana sy feno fahendrena (jereo ny 1 Nefia 9). Manamboara andian-takelaka amin’ny alalan’ny taratasy mivalona na tapatapaka baoritra. (Azonao rakofana taratasy aliminiôma aza ny taratasy na ny baoritra ampiasainao) Soraty na ataovy sary eo amin’ny takelaka namboarinao ny zavatra nianaranao avy amin’ny Bokin’i Môrmôna.

22–28 janoary

Ny fitiavan’ Andriamanitra

Sary
alt text

Ho an’ny 1 Nefia 11–15

Vakio ny tantara ao amin’ny soratra masina momba ny nofin’i Lehia ao amin’ny pejy 26. Izao dia manaova sarina hazo. Asao ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana hanisy ravina iray eo amin’ilay hazo sady miteny zavatra iray izay omen’ny Ray any An-danitra antsika ka maneho fa tia antsika Izy.