Namana
Ilay fety tonga lafatra ho an’i Dadabe
Janoary 2024


“Ilay fety tonga lafatra ho an’i Dadabe,” Namana, Jan. 2024, 18–19.

Ilay fety tonga lafatra ho an’i Dadabe

Nanao ahoana raha tsy nety nijanona ny orana?

Tany Samoa no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
alt text
Sary
alt text

Rahona maizina sy manjombona no nitatao teny amin’ny lanitra. Notazanin’i Alex izany.

BOOM!

Nipoapoaka hatrany ny varatra. Ranon’orana vaventy sy matevina no nirotsaka teny rehetra teny.

Nihifikifi-doha i Alex. Ratsy izany. Tsy tsara mihitsy. Indraindray avy tsy an-kijanona mandritra ny andro maromaro ny orana any Samoa. Kanefa tiany mba ho tonga lafatra ny tsingerin-taonan’i dadabeny!

Namonjy ny efitranony i Alex ary nandohalika teo am-pandriany.

“Ry Ray any An-danitra malala ô!” hoy izy. “Miangavy aho atsaharo ny orana rahampitso amin’ny fotoan’ny fety ho an’ny tsingerin-taonan’i Dadabe. Efa nalefanay ireo fanasana. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.”

Rehefa nitsangana i Alex dia nahita an’i Neny sy Dada nitsangana teo am-baravaran’efitra. Nitsiky izy ireo.

“Mino aho hoe tsy mampaninona anao raha henonay ny vavakao,” hoy i Neny.

Nitsiky i Alex. “Tsy maninona izany. Tiako fotsiny hoe ho andro miavaka ho an’i Dadabe ny rahampitso. Hiova izany raha ho mila mijanona ato anatiny isika. Tsy hanana efitrano handihizana isika!”

Notsindritsindrian’i Dada ny sorok’i Alex. “Na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny toetrandro dia ho fantatr’i Dadabe hoe tia be azy ianao”

Ny ampitson’io dia i Alex no nasain’i Dada sy Neny nanao ny vavaky ny mpianakavy. Tena mbola avy be ny orana. Ary tsy mbola toy ny hoe hijanona koa izany.

“Miangavy aho atsaharo ny orana amin’ny fotoanan’ny fety,” hoy izy. “Ary miangavy aho tahio izahay rehetra mba hanana fotoana mahafinaritra. Indrindra fa i Dadabe!”

Nijery ny lanitra foana i Alex ny maraina manontolo. Fotoana ela no lasa, tsy nisy zavatra niova. Saingy nisy zavatra nahagaga nitranga avy teo.

“Jereo!” Hoy i Alex nihiakiaka. “Misy sombin-danitra mangamanga!” Nihazakazaka nivoaka tany an-tokotany ny fianakaviany. Nanomboka niha-nisava ny rahona.

Tao anatin’ny ora vitsy dia nanjavona ny rahona! Eny fa na dia ny rano niandronandrona tamin’ny tany aza dia maina. Maimaika ery i Alex nanaingo ny tokontany. Efa ho avy tsy ho ela i Dadabe sy ireo vahiny hafa.

Rehefa tonga teo i Dadabe dia gagagaga. Nojereny ireo jiro sy ireo peta-drindrina marevaka ary ireo vahiny. “Mahafinaritra be daholo ny zava-drehetra,” hoy izy. “Misaotra betsaka anareo!”

Nahafinaritra arak’izay nantenain’i Alex azy ny fety. Nandihy tamin’ireo hira tian’i Dadabe indrindra izy ireo. Natsiro ny sakafo—indrindra fa ilay mofo voanio mamy. Niara-nihira tamin’i Dadabe mihitsy aza i Alex.

Ny ampahany tena tsara indrindra tamin’izany dia tamin’ny fotoan’ny Siva Taualuga. Ilay olona manan-danja indrindra amin’ilay andro foana no manao io dihy io. Ary mazava ho azy fa i Dadabe izany!

Nitsangana nandihy i Dadabe dia nijery an’i Alex anefa izy avy eo. “Avia miaraka amiko Alex a!” Hoy i Dadabe niantso. Nitsambikina i Alex ary nandihy teo akaikin’i Dadabe. Tsy ela dia nandihy daholo koa ny rehetra.

Sary
alt text
Sary
alt text

Niondrika namihina an’i Alex i Dadabe. “Nahatonga ahy hahatsapa ho miavaka ianao androany,” hoy Dadabe. “Tena fetin’ny tsingerin-taona tonga lafatra izany.”

Rehefa tapitra ny fety dia nijery ny lanitra i Alex. Niverina indray ny rahona mainty matevina. Nanomboka nirotsaka tamin’izy ireo indray ny orana. Saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy niraharaha intsony i Alex. Fantany fa nanampy ny toetrandro hijanona ho tsara nandritra ny fetin’i Dadabe ny Ray any An-danitra.

“Misaotra Anao tamin’ny toetrandro tsara,” hoy Alex nivavaka. “Ary misaotra Anao tamin’ny Dadabe tena mahafinaritra.”

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Augusto Zambonato