Namana
Tafatafa tamin’i Eilish mikasika ny Fanahy Masina
Janoary 2024


“Tafatafa tamin’i Eilish mikasika ny Fanahy Masina,” Namana, Jan. 2024, 40–41.

Tafatafa tamin’i Eilish mikasika ny Fanahy Masina

Zazavavy 12 taona avy any amin’ny Faritra antsinanan’i Singapour i Eilish. Nanontanianay izy momba ny fomba hanampian’ny Fanahy Masina azy?

Lazao aminay ny mombamomba anao.

Sary
alt text
Sary
alt text
Sary
alt text

Tena tiako ny mamaky boky sy manao baolina vôley, ary matematika no taranja tiako indrindra. Lasagne no sakafo tena tiako ary mena no loko tiako indrindra. Rehefa lehibe aho dia manantena ny ho mpisolo vava ary hiasa ao amin’ny fitsarana.

Toy ny ahoana izany Fanahy Masina izany aminao?

Ho ahy ny Fanahy Masina dia toy ny fananana namana akaiky. Tsapako ho olona iray izay azoko ianteherana Izy rehefa mitandrina ireo didy sy ireo fanekempihavanana ataoko amin’ Andriamanitra aho. Eritreretiko ho toy ny mpitari-dalana sy namako Izy. Afaka manampy ahy manao safidy tsara Izy.

Inona no torohevitra homenao ny olona izay tsy mahazo antoka raha toa izy ireo ka efa nahatsapa ny Fanahy Masina?

Sary
alt text

Indraindray koa aho mahatsapa ho tsy mahazo antoka raha toa ka mahatsapa ny Fanahy Masina. Fa rehefa tena mieritreritra momba izany ianao sy mamaky ny soratra masina ary mivavaka ary mahatsapa zavatra tsara momba izany, dia Fanahy Masina izany. Indraindray ny fandrenesana ny Fanahy Masina dia tsy fahatsapana fotsiny. Mety ho eritreritra na hevitra koa izany. Raha toa mbola sahiran-tsaina ianao dia afaka mivavaka foana sy mangataka fanampiana amin’ny Tompo indray.

Oviana ianao no nahatsapa ny Fanahy Masina?

Sary
alt text

Nilalao tamina fifaninana vôley aho tamin’ny taona lasa. Tahaka ireo mpiray ekipa tamiko rehetra dia mba natahotra koa aho. Raha vao nanomboka nilalao aho dia efa resy tamin’ny lalao roa voalohany ny ekipanay. Kivy izahay. Avy eo niteny zavatra ratsy ireo mpijery ary vao mainka niharatsy kokoa ny fahatsapana nanananay. Resy izahay.

Rehefa nanontanian’ny reniko aho hoe nanao ahoana ilay izy dia nanomboka nitomany aho. Tena diso fanantenenana aho. Nandeha tany an’efitranoko aho izay toerana mahafinaritra sy mangina, ary nivavaka. Rehefa vita ny vavaka nataoko dia nahatsapa tony kokoa sy feno fiadanana kokoa ny tao am-poko. Fantatro hoe nankahery ahy ny Fanahy Masina ary mbola hanampy ahy hatrany Izy. Amin’ny fifaninanana izay ho avy amin’ity taona ity dia fantatro fa hiaraka amiko Izy rehefa milalao aho.

Sary
alt text

Ahoana ihany koa no fomba nanampian’ny Fanahy Masina anao?

Sary
alt text

Nanampy ahy ihany koa ny Fanahy Masina rehefa nifindra avy tany amin’ny Kilonga nankany amin’ny Zatovovavy aho. Nientanentana aho fa hiditra tao amin’ny Zatovovavy. Saingy sahiran-tsaina koa aho tetsy ankilany. Somary nalahelo kely koa aho handao ny Kilonga.

Talohan’ny kilasiko voalohany dia nivavaka aho nangataka tamin’ny Ray any An-danitra hanampy ahy hankafy ny tao amin’ny Zotovovavy. Nahatsapa fiadanana tao am-poko aho raha vao nandingana tao amin’ny kilasiko vaovao. Vonona ny hianatra aho. Nanampy ahy izany mba hahatsiaro fa ho eo foana ny Fanahy Masina ho ahy!

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Annabel Tempest