Namana
Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy
Janoary 2024


“Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy,” Namana, Jan. 2024, 24–25.

Fantaro ny momba ny Bokin’i Môrmôna

Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy

Sary
alt text

Ny Bokin’i Môrmôna dia bokin-tsoratra masina. Tahaka ny Baiboly, izany dia mampianatra antsika misimisy kokoa momba an’i Jesoa Kristy. Izany no mahatonga azy antsoina hoe “Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy.”

Ny Bokin’i Môrmôna dia ahitana ny tantaran’ireo mpaminany izay nampianatra fa i Jesoa Kristy dia ho tonga eto an-tany. Izany koa dia miresaka momba ny fomba nitsidihany an’i Amerika taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty sy ny nampianarany ny vahoaka tany. Mampianatra antsika izany hoe ahoana no ahafahantsika manara-dia Azy koa.

Tia anao i Jesoa ary hanampy anao Izy. Hafatra iray manan-danja ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izany.

Sary
alt text

Fikarohana ao amin’ny soratra masina!

  • Inona no boky voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna?

  • Iza no anaran’ny ray sy renin’i Nefia?

  • Iza avy ireo mpirahalahy tao amin’ny fianakavian’i Nefia any amin’ny fiandohan’ny Bokin’ i Môrmôna?

Afaka mamaky ny Bokin’i Môrmôna aho!

Rehefa avy mamaky ianao dia lokoy ny ampahany amin’ilay sary. Azonao atao ny mamaky ireo soratra masina ireo miaraka amin’ny vakiteny isan-kerinandro ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Jared Beckstrand