Namana
Hery ao amin’ny Bokin’i Môrmôna
Janoary 2024


“Hery ao amin’ny Bokin’i Môrmôna,” Namana, Jan. 2024, 2–3.

Avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Hery ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Nalaina avy tamin’ny “Ny Bokin’i Môrmôna: Hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy? Liahona, nôv. 2017, 60–63; sy “Ny fandraisan’ireo rahavavy anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely,” Liahona, nôv. 2018, 68–70.

Sary
alt text

Rehefa mieritreritra momba ny Bokin’i Môrmôna aho dia mieritreritra momba ny teny hoe hery. Ireo fahamarinana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia manana ny hery manasitrana, mankahery, mampatanjaka, ary mamelombelona ny fanahintsika.

Ny Bokin’i Môrmôna dia …

  • Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy. Mpaminany maro izay nanoratra izany no nahita an’i Jesoa Kristy. Ny Bokin’i Môrmôna dia ahitana ny tenivavolombelon’izy ireo momba Azy.

  • Rakitsoratra mirakitra ny asa fanompoan’ny vahoaka niaina tao Amerika fahiny elabe.

  • Marina!

Manasa anao aho hamaky ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa mamaky ianao dia te hamporisika anao aho mba hanisy marika ireo andininy izay miresaka momba ny Mpamonjy. Hanakaiky Azy kokoa ianao amin’ny alalan’io dingana io. Ary hisy fiovana, fahagagana mihitsy aza, hanomboka hitranga.

Mitady an’i Jesoa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Sary
alt text

Nanasa antsika ny Filoha Nelson mba hikaroka ireo anaran’i Jesoa rehefa mamaky ny Bokin’i Môrmôna. Manana anarana maro i Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masina. Ireto misy sasantsasany azonao jerena!

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Ankavia: One by One (Tsirairay) nataon’i Walter Rane; ankavanana: sary nataon’i Apryl Stott