Namana
Maneho ny fiarahabana avy aty Thaïlande!
Janoary 2024


“Maneho ny fiarahabana avy aty Thaïlande!” Namana, Jan. 2024, 8–9.

Maneho ny fiarahabana avy aty Thaïlande!

Fantaro ireo zanaky ny Ray any An-danitra manerana izao tontolo izao.

I Thaïlande dia firenena iray ao atsimo atsinanan’i Azia. Olona eo ho eo amin’ny 72 tapitrisa eo no mipetraka any.

Fiteny

Sary
alt text

Thai no fiteny ôfisialin’ilay firenena. Misy tarehin-tsoratra 72 ny abidia Thai.

Fetin’ny Songkran

Sary
alt text

Amin’ny alalan’ny fifampitifirana rano goavana indrindra maneran-tany no ankalazan’ireo vahoakan’i Thaïlande ny taombaovaon’izy ireo. Mifanopatopa rano izy ireo mba hahatsiarovana fa tokony ho sasana hiala ireo zavatra ratsy. Maharitra telo andro izany!

La grotte du tigre (Lavabaton’nytigra)

Sary
alt text

Ny Tempolin’ny La grotte du tigre dia tempoly bodista izay fanaovan’olona fitsaohana sy vavaka. Tsy maintsy miakatra zana-tohatra 1260 ianao raha te ho tonga eny. Misy dian-tongotra tigra ao anatin’ilay lavabato!

Tsena mitsingevana

Sary
alt text

Any Thaïlande ny olona dia afaka miantsena anatina lakan-drano izay toy ny fivarotana mitsingevana. Ny renirano no fomba iray hahafahana mitety ny tanàna ao an-drenivohitra. Tranobe maro no misy tsatokazo izay mitazona azy ireo eo ambony rano.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Mackinzie Rekers