Namana
Ilay vakiteny natao tanjona
Janoary 2024


“Ilay vakiteny natao tanjona,” Namana, Jan. 2024, 36–37.

Ilay vakiteny natao tanjona

Tsy tia mamaky mafy i Anders.

Tany Etazonia no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
alt text

Nihaino ny anabaviny mamaky i Anders nandritra ny fandalinana soratra masina ataon’ny mpianakavy. Niezaka nanaraka tao amin’ny tabiletiny izy. Saingy sarotra ny nifantoka tamin’ireo teny.

Nanana fahasarotana tamin’ny famakiana foana i Anders. Tamin’ny taona lasa dia hita fa dyslexique izy. Ny hoe dislexique dia kilema amin’ny fianarana izay lasa mampahasarotra ny famakiana. Afangaron’ny atidohany ny teny sy ny litera ary mivezivezy manerana ny pejy ny masony rehefa miezaka mamaky izy.

Nahavita vaky ny andininy anjarany ireo ny anabaviny, ary ny rahalahiny no namaky ny iray nanaraka. Fa i Anders kosa tsy namaky. Tsy tia mamaky mafy izy. Manampy kely azy ny fanangezana ireo teny ao anatin’ny tabiletiny. Kanefa halany hoe miadana sy ratsy ny famakiany. Nanao diso betsaka izy! Nila nanao ezaka mafy izy ho an’ny zavatra toa mora ho an’ny hafa.

Rehefa avy namaky izy ireo dia nijery horonantsary ny fianakavian’i Anders. Momba ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo izany.

“Mametraha tanjona manokana izay manome fanamby sy manosika anao,” hoy ny Loholona Gong tao anatin’ilay horonantsary. “Mitrandraha talenta sy zava-mahaliana ary fahaiza-manao vaovao.”*

Nieritreritra momba ireo tanjona izay azony apetraka i Anders. Angamba afaka mianatra mahandro cookies izy. Na milalao baolina kitra tsara kokoa!

Ary avy eo dia nijery ilay Bokin’i Môrmôna teo ambony latabatra izy. Tsy tena tanjona mahafinaritra ny lasa mahay mamaky teny. Saingy tiany ny ho afaka hamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakaviany.

“Haiko hoe inona no tiako atao tanjona,” hoy izy tamin’i Dada.

“Inona ilay izy?” Hoy i Dada nanontany.

Nalain’i Anders ilay Bokin’i Môrmôna. “Te hamaky mafy andininy iray ao ami’ny Bokin’i Môrmôna aho isan’andro.”

“Tena ohatran’ny tanjona tsara be izany,” Hoy i Dada. “Rahoviana ianao no te hanomboka?”

“Izao dieny izao!”

Nankao amin’ny efitranony i Anders ary nakatony ny varavarana. Tsy tiany ho henon’olona izy. Ary avy eo dia nosokafany ny Bokin’i Môrmôna. Nafangarony ny sasantsasany tamin’ireo teny saingy minitra iray dia vitany ny andininy voalohany. Tsy tena ratsy izany, hoy izy nieritreritra.

Namaky soratra masina isan’andro i Anders. Sarotra izany! Tsy nahatsapa koa nefa izy hoe nihatsara. Saingy mbola nijanona nanohy izany izy.

Ary indray andro tany am-pianarana dia hoy ny mpampianany: “Oay”. Tena tsy mampino ahy ny hafainganan’ny fianaranao.”

Nitraka avy teo amin’ny enti-modiny i Anders. “Marina ve?”

Nanaiky ilay mpampianatra. “Tena mivoatra be ianao”

Nojeren’i Anders ireo teny teo amin’ny taratasiny. Lasa mora novakiana kokoa noho ny teo aloha izany. Ny tanjony hanao fanazarana hamaky soratra masina dia nanampy azy hianatra tany an-tsekoly.

Rehefa tonga tany an-trano izy dia nihazakazaka niakatra mba hamaky ny soratra masiny. Ary rehefa nijery tao amin’ny pejy izy dia mbola nihetsiketsika ihany ireo teny. Saingy mora kokoa ny naminavina hoe inona no lazain’izany.

Nientanentana ery i Anders hanatrika ny fandalinana soratra masina ataon’ny mpianakavy tamin’io alina io.

“E! Dada a!” hoy izy. “Afaka manampy mamaky ve aho anio?”

Nitsikitsiky dada. “Tena tiako izany!”

Nanaraka tsara i Anders rehefa namaky ny andininy avy ny rahalahiny sy ny anabaviny. Rehefa tonga ny anjarany dia namaky moramora andininy iray izy mba hakana antoka fa marina ny teny tsirairay lazainy. Rehefa tapitra ny vakiteniny dia nitraka izy. Nitsikitsiky taminy ny tsirairay.

Na dia tsy tena mpamaky mahay aza i Anders dia faly tamin’ny tenany izy. Fantany fa raha miasa mafy izy dia ho eo foana ny Ray any An-danitra hanampy azy.

Sary
alt text
Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Kelly Smith

  • Tafasiry mivantana miaraka amin’ny Loholona Gerrit W. Gong (worldwide broadcast, Nov. 17, 2019), Gospel Library.