Namana
Inona no ao an-tsainao?
Janoary 2024


“Inona no ao an-tsainao?” Namana, Jan. 2024, 42.

Inona no ao an-tsainao?

Rehefa mametraka tanjona aho dia tsy tsaroako intsony izy ireny. Ahoana no hanatratrarako ireo tanjoko?

—Reaching avy any Reykjavík

Ry Reaching malala,

Aza manahy: Raha resaka fametrahana sy fanadinoana tanjona dia tsy irery ianao. Zavatra manahiran-tsaina ny olona maro izany. Mahay mametraka tanjona daholo isika rehetra. Raha ny marina, ny fanatratrarana ireo tanjona ireo no ampahany tena sarotra. Ireto misy hevitra mety hanampy!

Amim-pitiavana,

Ny Namana

  1. Ataovy ngeza ny nofinofy fa atombohy amin’ny kely. Tsara ny mametraka fanamby ho an’ny tenanao. Saingy tsarovy fa manan-kery koa ireo tanjona kelikely. “Amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra no anatanterahana ny zavatra lehibe” (Almà 37:6).

  2. Farito mazava tsara izany. “Hanampy ao an-trano aho.” Tanjona tsara izany saingy somary tsy mazava. “Hanampy ao an-trano aho amin’ny fampirimako ny entako isan’andro.” Tanjona tsara be izany. Voafaritra tsara izany. Drafitra izany.

  3. Zarao ny tanjonao. Resaho amin’ny ray aman-dreny, na mpampianatra na namana ny tanjonao. Angataho izy ireo hanohana anao. Indraindray ny hany tosika ilainao dia olona iray mijery sy mankahery anao.

  4. Manaova fampahatsiahivana. Raha toa ka tianao ho tadidy ireo tanjonao dia soraty izy ireny. Soraty eny amin’ny toerana izay tazanao isan’andro ireo tanjonao. Lokoy sy ataovy miavaka izany!

  5. Manàna finoana. “Mila manana finoana an’ Andriamanitra isika,” hoy ny Filoha M. Russell Ballard. “Mila manana finoana ny Tompo Jesoa Kristy. Ary ô, tena tokony hanana finoana ny tenantsika isika.”* Vitanao izany! Hanampy anao Andriamanitra!

Sary
alt text

Sary nataon’i Shawna J. C. Tenney

  • “Manaova zavatra izay mitondra fiovana,” Namana, Jan. 1983, 71.