Namana
Mihaino ny Fanahy Masina
Janoary 2024


“Mihaino ny Fanahy Masina,” Namana, Jan. 2024, 17.

Zavatra mahafinaritra

Mihaino ny Fanahy Masina

Ataovy miaraka amin’ny fianakaviana ity fiaraha-mientana ity mba hianarana mikasika ny Fanahy Masina.

  1. Sary
    alt text

    Sary nataon’i Zhen Liu

    Misafidiana olona iray atao “mpitady.” Miala ao anatin’ilay efitrano io olona io mandra-panafenan’ireo olon-kafa zavatra iray toy ny vato na kilalao.

  2. Sary
    alt text

    Asaivo miditra ilay mpitady.

  3. Sary
    alt text

    Misy olona iray mibitsibitsika manampy an’ilay mpitady hahita ny nanafenana ilay zavatra. Ary ny hafa miteny amin’ny feo tsotra na feo mafy mba handrebirebena azy ireo.

  4. Sary
    alt text

    Rehefa hitan’ilay olona ilay zavatra dia makà olona vaovao indray atao mpitady.

Miresaha momba ny fomba hiresahan’ny Fanahy Masina aminao amin’ny alalan’ny eritreritra ao an-tsainao sy ny fahatsapana ao am-ponao. Afaka mitari-dalana anao izy sy manampy anao hanao safidy tsara. Raha toa ianao manaraka ireo eritreritra sy fahatsapana avy Aminy ireo dia afaka mahatsapa fifaliana sy fiadanam-po.

Fotoana mahafinaritra

Sary
alt text

Manaova “cookies” voankazo nosilahana hohanina miaraka amin’ny fianakavianao! Silaho manify ny poara na paoma iray. Avy eo dia raraho fangarony toy ny totom-boanjo, tantely, noix, chips sôkôla na didina kôkô.