Namana
Mamela heloka tahaka an’i Nefia
Janoary 2024


“Mamela heloka tahaka an’i Nefia,” Namana, Jan. 2024, 4–5.

Mamela heloka tahaka an’i Nefia

Tsy te ho tezitra amin’i Josh mandrakizay i Aisea.

Tany Etazonia no nitrangan’ity tantara ity.

Nihazakazaka sy nandaka baolina tany amin’i Timothy mpiray ekipa taminy i Aisea. Nijery an’i Timothy nanevaeva ny tongony nihemotra sy nandaka ilay baolina ho ao anaty harato izy.

“Maty!” Hoy i Timothy nihoraka rehefa nikasika ny harato ilay baolina.

Nitehatehaka i Aisea. Nandresy ny lalao izy ireo!

Tsara ny fahatsapana nananany raha niala teo amin’ny kianja izy! Saingy nony avy teo dia niantso azy tamina anarana ratsy i Josh, iray tamin’ireo ankizy tao amin’ilay ekipa hafa.

Sary
alt text

Tampoka sy naharary an’i Aisea izany. Tsy hitany izay nolazaina. Niondrika nijery tamin’ny tany izy ary nandeha tsimoramora nankany amin’ireo mpiray ekipa taminy.

“Vitantsika iny!” Hoy i Timothy. “Tsara be ilay pasy ry Aisea.”

Saingy nety tsy nahazo aina i Aisea. Vokatry ny zavatra nolazain’i Josh taminy! Nahatsapa nalahelo sy tezitra izy.

Nahatsapa ho toy ny voatsindrin’ny enta-mavesatra izany foana i Aisea nandritra ny tontolo andro. Tsy tia an’i Josh intsony izy.

Ny alin’iny dia nipetraka niaraka tamin’ny fianakaviany i Aisea nandritra ny fotoana famakiana soratra masina. Niezaka nihaino ny anabaviny namaky izy. Saingy tsy nitsahatra nieritreritra momba ny zavatra nolazain’i Josh izy.

Namadibadika ireo pejin’ny Bokin’i Môrmônany izy. Nijanona teo amin’ny soratra masina iray teo amin’ny 1 Nefia izy. Niresaka momba ny fotoana iray izay nanehoan’ireo rahalahin’i Nefia haratsiam-panahy taminy izany.

“Ary ny zava-nitranga dia namela azy ireo tsy ankifonofono aho,” hoy ny soratra masina.*

Sary
alt text

Namela ny heloky ny rahalahiny hoe i Nefia? Hoy i Aisea tao an-tsainy. Na dia ratsy toetra be aza ve izy ireo?

Nieritreritra an’i Josh i Aisea. Tsy te hitazona ny fahatsapana ratsy nananany tamin’i Josh mandrakizay izy. Vao 10 taona monja izy!

Te ho tahaka an’i Nefia i Aisea. Afaka namela heloka an’i Josh izy tahaka an’i Nefia namela heloka ireo rahalahiny. Ary na dia mbola miteny zavatra ratsy indray aza i Josh dia hiangavy azy fotsiny izy mba tsy hanao izany.

Nahatsapa hafanana sy fiadanam-po tany anatiny izy. Toy ny nilaza ny Fanahy Masina hoe: “Zavatra tsara no ataonao.”

“Aisea, inona no nianaranao avy tamin’ireo soratra masina ireo?” Hoy i Neny nanontany.

Nitraka i Aisea. “Azafady fa soratra masina hafa no novakiako,” hoy izy. Notantarainy tamin’ny fianakaviany ny zava-nitranga tany am-pilalaovana baolina kitra.

Nofihinin’i Dada sy i Neny i Aisea. “Miala tsiny aho raha nanao ratsy taminao i Josh,” hoy i Dada. “Tsy marina ny zavatra nolazainy. Fa tsy maninona raha nahatsapa narary tamin’izany ianao.”

Nitsiky i Aisea. “Misaotra. Nisy fotoana aho tena tezitra be mihitsy. Fa amin’izao aho rehefa avy namaky soratra masina dia tsy te ho tezitra aminy intsony. Te hamela heloka azy aho. Ary efa mahazo aina tsara sahady aho!”

“Mahafinaritra izany!” Nitsiky koa i Neny. “Tsy mora foana ny mamela heloka. Fa marina ny anao. Tsy anenenana ny manao izany.”

Niondrika tao amin’ny soratra masiny i Aisea. Nanampy azy izany! Nanjavona ireo enta-mavesatra teo aloha. Nahatsapa hafanana ny fony ary feno fiadanana izany.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Alyssa Tallent