Namana
Inona no atao hoe Soratra Masina?
Janoary 2024


“Inona no atao hoe soratra Masina?” Namana, Jan. 2024, 46–47.

Ireo fototry ny filazantsara

Inona no atao hoe Soratra Masina?

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Apryl Stott

Taloha elabe dia nanoratra momba an’i Jesoa Kristy sy ny fomba nanarahan’izy ireo Azy ireo mpaminany.

Amin’izao fotoana izao dia azoko vakiana ao amin’ny soratra masina izy ireny.

Ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra ahy hoe ahoana no ahafahako hitovy amin’i Jesoa.

Rehefa mamaky ny soratra masina aho dia mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra.

Voatahy aho rehefa manaraka ny zavatra voalazan’ny soratra masina.