Namana
Ny fijoroana ho vavolombelona ananako manokana
Janoary 2024


“Ny fijoroana ho vavolombelona ananako manokana,” Namana, Jan. 2024, 38.

Nosoratanao

Ny fijoroana ho vavolombelona ananako manokana

Chloe no anarako ary sivy taona aho. Milalao tennis sy mihira ary maka olona ho namana no fialamboliko.

Tiako ny makaty am-piangonana ary mahafinaritra ahy ny manampy ao amin’ny Kilasin’ny Kilonga misy ahy. Mampahazo aina ahy izany. Tia manompo ny hafa ihany koa aho. Tena tiako ny fianakaviako. Nanampy an’i Anna zandrivaviko nianatra nitaingina bisikileta aho. Indraindray aho manampy ny reniko manasa lovia.

Tiako koa ny mamaky ny Bokin’i Môrmôna miaraka amin’ny fianakaviako. Indray andro aho rehefa namaky ny tantaran’i Amôna dia tsapako tao am-poko ny Fanahy Masina. Tamin’izay alina izay dia nolazaiko ny fianakaviako hoe “Fantatro amin’izay izao hoe nahoana ny olona no miteny hoe marina ny Bokin’i Môrmôna.” Tsapako tato am-poko fa ireo tantara izay novakiantsika tao amin’ny Bokin’ i Môrmôna dia tena nitranga marina.

Fantatro fa marina ny Fiangonana. Fantatro fa marina ireo tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Fantatro fa voantson’ Andriamanitra ny mpaminany. Fantatro fa afaka manampy antsika hanara-dia an’i Jesoa ireo misiônera. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Sary
alt text

Sary nataon’i Giovanni Abeille