Namana
Fotoana famakiana soratra masina mampatory
Janoary 2024


“Fotoana famakiana soratra masina mampatory,” Namana, Jan. 2024, 30–31.

Fotoana famakiana soratra masina mampatory

Na dia maraina loatra aza tamin’izay dia fantatr’i Elvira fa tsy hahafaty antoka ny mamaky ny soratra masina.

Tany Norvège no nitrangan’ity tantara ity.

Ny feon’i Dada no nanaitra an’i Elvira. “Fotoan’ny soratra masina ô!,” hoy izy.

Tafapetraka teo am-pandriany izy ary nikosoka ny masony mbola raiki-tory. Mbola maizina ny tany ivelany. Ary nangatsiaka ny andro! Tsy te hiala teo amin’ny fandriany malemilemy i Elvira.

Nilaza i Neny fa ny famakiana ny soratra masina no fomba hahafahan’izy ireo mahafantatra kokoa an’i Jesoa. Kanefa tena sarotra ny mamaky soratra masina isa-maraina!

Niakatra moramora tamin’ny tohatra i Elvira ary nipetraka teo akaikin’i Sigrid zokiny vavy teo amin’ny seza lava. Namihina ondana izy ary nifono tao anatin’ny hafanan’ilay bodofotsiny malemilemy. Tao an’efitrano hafa ireo anadahiny nanomboka ny kilasin’ny semineran’izy ireo an-jotra.

Naneno ny findain’i Dada. Noraisiny izany ary nipoitra teo amin’ny efijery ireo fianakaviana. Vita omana i Nenitoa Liv ary efa vonona handeha hiasa. I Dorthea zanak’i Nenitoa kosa mbola manao akanjo mandry tahaka an’i Elvira.

Sary
alt text

Nokopakopahan’i Elvira tanana izy ireo tao anatin’ilay antso an-tsary sady nanoaka izy. Miaraka amin’i Nenitoa Liv sy i Dorthea foana izy ireo amin’ny fotoana famakiana soratra masina. Mipetraka any amin’ny faritra hafa any Norvège izy ireo miala adiny efatra eo. Tsotra kokoa ho azy rehetra ny mamaky ny soratra masina rehefa nanana tanjona ny hifampiantso izy ireo isan’andro. Ary tian’i Elvira ny mahita an’i Dorthea!

Minitra vitsy taorian’izay dia nanatrika an’ilay antso koa i Neny. “Akory ry zavavy a!” hoy izy. Nandeha namita iraka noho ny asa izy tamin’io herinandro io kanefa mbola niantso ihany mba hanatanterahana ny fotoanan’ny soratra masina ho an’ny fianakaviana.

Nivavaka izy ireo. Avy eo dia nosokafan’i Elvira ny soratra masiny. Niara-namaky ny Bokin’i Môrmôna izy ireo. Nifandimby namaky andininy ny tsirairay.

Nihaino ny hafa mamaky i Elvira saingy tena sarotra ny mihazona tsy hatory. Resi-tory teo ambony seza lava i Sigrid. Nodomin’i Elvira izy. Saingy nisy zavatra tao anatin’ilay andininy nisarika ny sainy.

“Ary nahatazana anja-by iray aho, ary izany dia nitohy nanaraka ny moron’ny renirano, sy nitondra nankeo amin’ny hazo izay nijoroako teo anilany,” hoy i Dorthea namaky.*

“Fantatro izany tantara izany!” Hoy Elvira. “Nofin’i Lehia izany.” Nahita horonan-tsary momba ny soratra masina mikasika izany izy. Nisy hazo tsara tarehy namoa voa fotsy, ary ny olona dia nitazona tamin’ilay anja-by mba hahafahan’izy ireo tonga eny amin’izany.

Sary
alt text

“Tadidinao ve hoe mitovy amin’ny inona ilay anja-by?” hoy Neny nanontany.

“Soratra Masina ve?”

“Marina izany!” Hoy i Dada. “Nampianatra i Nefia taty aoriana fa ny anja-by dia tahaka ny tenin’ Andriamanitra. Ahoana araka ny hevitrao no ahafahantsika mitazona an’ilay anja-by tahaka izay nataon’ireo olona tao amin’ny nofin’i Lehia?”

“Mitazona amin’ilay anja-by isika amin’izao fotoana izao!” Ningain’i Elvira ambony ny Bokin’i Môrmônany. “Amin’ny alalan’ny fanana fotoana ho an’ny soratra masina.”

Nihatokatoka nanaiky i Neny. “Rehefa mamaky ny soratra masina isika dia lasa akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy. Tahaka ireo vahoaka izay nanakaiky ilay hazon’aina rehefa nitazona tamin’ilay anja-by ihany.

Raha mbola nanohy namaky izy ireo dia naka sary an-tsaina ny tenany nihazona amin’ilay anja-by sy nandeha manatona ilay hazo tsara tarehy i Elvira. Tsy nahatsapa ho te hatory intsony izy.

Kely sisa dia tokony handeha. Nila nandeha niasa i Nenitoa Liv sy Neny. Ary nila niomana ho any am-pianarana i Elvira sy Sigrid ary Dorthea.

“Veloma daholo!” Nikopakopaka ny fianakaviany teo amin’ny efijery i Elvira. “Tiako ianareo!”

Rehefa nihazakazaka nidina tany ambany hiomana ho any an-tsekoly i Elvira dia nahatsapa hafanana tao anatiny. Tsy hoe noho ny bodofotsiny mafana. Fantany fa ilay fahatsapana hafanana dia ny Fanahy Masina izay nilaza taminy fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Fomba tsara iray hanombohana ny andro izany!

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Hector Borlasca