Namana
Manara-dia an’i Jesoa any Thaïlande
Janoary 2024


“Manara-dia an’i Jesoa any Thaïlande,” Namana, Jan. 2024, 6–7.

Manara-dia an’i Jesoa any Thaïlande

Fantaro i Panya

Sary
alt text

Ny fomba fanarahan’i Panya an’i Jesoa

Manasa ny havany ho any am-pianagonana miaraka aminy i Panya. Rehefa tonga any izy dia ampian’i Panya mba hahatsapa ho voaray tsara. Ampiany izy hifankahafantatra amin’ireo ankizy hafa ao amin’ny Kilonga sy hahazo namana.

Rehefa ao an-trano dia i Panya no manasa ny boatin-tsakafony sy ny kirarony. “Faly aho rehefa manampy,” hoy Panya. Miara-mipetraka amin’ny nenitoany sy ny renibeny izy, ary tiany ny manampy azy ireo. Izy koa no mamalona ny bodofotsiny isa-maraina.

Maty vao tsy ela ny maman’i Panya. Rehefa malahelo ny reniny i Panya dia manampy azy hivavaka amin’ny Ray any An-danitra ny nenitoany. Mahatsiaro hoe tiana izy rehefa avy mivavaka. “Rehefa mivavaka aho dia tsapako hoe miaraka amiko i Jesoa,” hoy izy.

Sary
alt text

Panya miaraka amin’ny renibeny sy ny nenitoany.

Ny mombamomba an’i Panya

Sary
alt text

Taona: 7

Fiaviana: Nonthaburi, Thaïlande

Fiteny: Thai

Tanjona: Ho lasa mpitefibikan’ny atitrano ary manaingo ireo efitrano anatina trano sy trano lehibe

Fialamboly: Mandihy, mandeha bisikleta, mianatra piano, milomano, sy mamaky boky, ary taekwondo

Fianakaviana: Panya, nenitoa, ary Bebe.

Ireo zavatra tian’i Panya indrindra

Tantara momba an’i Jesoa: Tamin’Izy natao batisa (jereo ny Matio 3:13–17)

Fialantsasatra na fomba fanaon’ny fianakaviana: Krismasy sy dia ataon’ny mpianakavy

Voankazo sy legioma: Voaloboka fotsy sy kôkômbra

Loko: Volomparasy

Hiran’ny Kilonga: “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 99)

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF