Namana
Afaka mitondra fiovana ianareo
Janoary 2024


“Afaka mitondra fiovana ianareo,” Namana, Jan. 2024, 32.

Namana mankany amin’ny namana

Afaka mitondra fiovana ianareo

Avy tamin’ny tafa sy dinika nifanaovana tamin’i Olivia Kitterman sy Rachel Peterson.

Tena tia anao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Koa satria tia anao Izy Ireo dia nanasa anao hanao fanekempihavanana na fampanantenana aminao Izy ireo. Manomboka manao ireo fampanantenana ireo ianao rehefa vita batisa.

Aorian’ny batisanao dia mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina ianao. Lasa mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ianao. Midika izany fa matoky anao ny Ray any An-danitra fa hitandrina ny fanekempihavanana nataonao ianao.

Inona no azonao atao hitandremana ireo fanekempihavanana nataonao amin’ny maha mpikambana feno anao ao amin’ny Fiangonana? Afaka mandray tsara ireo vao tonga ao amin’ny Kilonga ianao. Afaka mipetraka eo akaikin’olona vaovao ianao ary manampy azy ireo hianatra an’ireo hira. Afaka manampy amin’ny fiaraha-mientan’ny Kilonga ianao. Afaka manao mpitarika ao amin’ny fianakavianao koa ianao. Afaka mangataka hanao vavaky ny mpianakavy ianao na mizara ny zavatra izay nianaranao tao amin’ny Kilonga.

Rehefa avy mandray ny Fanahy Masina ianao dia afaka mahita ny zavatra ilain’ny hafa amin’ny fomba vaovao. Afaka mivavaka amin’ny Ray any An-danirtra ianao ary miteny hoe: “Ampio aho hahafantatra hoe iza no olona azoko ampiana androany.” Avy eo dia hanampy anao ny Fanahy Masina hahatsikaritra ireo olona izay mipetraka irery na miteny aminao hiarahaba namana iray. Afaka manova zavatra goavana ianao rehefa misafidy ny hanampy ny hafa. Manao fihetsika amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonan’ny Ray any An-danitra ianao!

Tian’ny Ray any An-danitra ianao. Tiany ianao hitarika amin’ny alalan’ny ohatra asehoanao na aiza na aiza alehanao mba ahafahanao mitondra ny hafa hanakaiky kokoa Azy. Saingy tsy voatery hanao izany irery ianao. Tsy hitsahatra ny hanampy anao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Afaka mahatoky tena ianao satria fantatrao fa miaraka aminao Izy ireo. Afaka maka sary an-tsaina an’i Jesoa mijoro mandrakariva eo anilanao ianao.

  • “Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay,” Liahona, ôkt. 2022, 4–11.