Scripture Stories
Ireo Teny Tsara ho Fantatra


Ireo Teny Tsara ho Fantatra

a

ady

ady ifanaovan’ny fahavalo na tafika mifanandrina

akanjo tohitena

fitafiana lava sy malalaka

akanjo vy

Fitafiana anaovan’ny miaramila ho fiarovana ny tenan’izy ireo rehefa an’ady

Sary
akanjo vy

akanjo vy

alitara

toerana ambony masina vita amin’ny tany na vato izay anaovana vavaka na sorona atolotra an’ Andriamanitra

Sary
alitara

alitara

ampinga

ampahany amin’ny akanjo fiarovana izay miaro ny vatana ambonin’ny miaramila tsy ho voan’ny sabatra na fiadiana hafa

andevo

olona izay voatery hiasa ho an’ny olon-kafa

anjam-by

sary ohatra tamin’ny nofin’i Lehia izay midika ho tenin’ Andriamanitra

anjely

iraka iray avy amin’ Andriamanitra

antsamotady

fiadiana hitorahana vato

Sary
antsamotady

b

batisa

ôrdônansy ataon’ny olona iray manam-pahefana avy amin’ Andriamanitra ka manasitrika olona ao anaty rano tanteraka dia avy eo manainga azy hivoaka avy ao. Takina ny batisa mba hahatongavana ho mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Sary
batisa

batisa

d

didy

zavatra izay asain’ Andriamanitra ataon’ny olona mba hahazoan’izy ireo fifaliana

e

efitra

tany foana midadasika izay tsy misy tanàna na olona

f F

fahafahana

fahafahana manao safidy

fahafahana

fahafahana manao safidy

fahafoizan-tena

mahafoy zavatra iray manan-danja ho an’ Andriamanitra

fahagagana

zavatra miseho na mitranga tsy fahita izay mampiseho ny herin’ Andriamanitra

fahitana

endrika fanambarana

fahotana

ny fandikana lalàna

fampanantenana

fianianana na fanekena hanao na ho tonga zavatra iray

Fanahy Lehibe

ny anaran’ Andriamanitra amin’ny Lamanita

fanandevozana

tsy manana fahafahana, miasa mandritra ny andro manontolo ho an’ny tombotsoan’ny hafa

fanasan’ny Tompo

ôrdônansy iray izay misy lehilahy manana ny fisoronana manamasina sy mizara ny mofo sy ny rano ho an’ny olon-kafa. Ny fanasan’ny Tompo dia mampahatsiaro ny olona an’i Jesoa Kristy.

fanekempihavanana

fanomezan-toky ifanaovan’ Andriamanitra sy olona iray

fanevan’ny fahafahana

hafatra nosoratan’ny Kapiteny Môrônia mba hanentanana ny vahoakany hiaro ny fahahafahany

Sary
fanevan’ny fahafahana

fanevan’ny fahafahana

feno ny Fanahy Masina

manana ny Fanahy Masina izay miteny fahamarinana amin’ny saina sy ny fon’ny olona iray mikasika ny zavatra izay marina

fiadanana, fandriampahalemana

fietseham-po tony na fotoana tsy misy ady

fiadiana

zavatra entina mandratra na mamono olon-kafa toy ny sabatra na ny lefona

fiainana mandrakizay

miaina mandrakizay miaraka amin’ Andriamanitra

fijoroana ho vavolombelona

fahatsapana na fahafantarana fa marina ny filazantsara

fikasan-dratsy

manomana teti-dratsy hamelezana olona iray

filazantsara

ireo fampianaran’i Jesoa Kristy

finoana

mino an’i Jesoa Kristy

fisoronana

fahefana hanao asa amin’ny anaran’ Andriamanitra

fitsaohana

fanompoana na fanarahana olona na zavatra iray

h

hazon’aina

hazo tamin’ny nofin’i Lehia izay midika ny fitiavan’ Andriamanitra

hery

tanjaky ny tsara na ny ratsy. Matetika izy io no fanampiana manokana na fankaherezana avy amin’ Andriamanitra

j

jamba

tsy afaka mahita

k

kapiteny

mpitondra tafika

kibay

fiadiana hikapohana biby na olona

Sary
kibay

l L

lanitra

toerana iainan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy

lefona

tapakazo maranitra sy matsilotsilo fanatrobarana

Sary
lefona

Liahona

bola varahina nomen’ Andriamanitra ny ankohonan’i Lehia mba hahitany ny làlana tokony nandehanany tany an-tany foana. Tsy nandeha ilay izy raha tsy marina ny ankohonan’i Lehia.

Sary
Liahona

m M

mahatakatra

mahafantatra na mahazo hevitra iray

mahatoky

manohy mankato ireo didin’ Andriamanitra

mamela heloka

manadino ireo zava-dratsy izay nataon’ny olona iray ary mitia izany olona izany

Maminany

ny famaritana tranga iray mialoha ny hitrangany

mamo

very saina noho ny fisotroana toaka be loatra

mamongotra

mamarana na mandrava tanteraka zavatra iray toy ny tanàna na fiainana

mampitsangana amin’ny maty

manome aina indray olona na zavatra

manangana

manamboatra na manorina zavatra

manasazy

mahatonga na mamela zavatra ratsy hitranga amin’ny olona iray. Matetika dia voasazy ny olona rehefa tsy mankato an’ Andriamanitra.

manasitrana

manao izay hahatsara na hahasitrana olona marary na voaratra iray

mandika teny

manova teny iray ho amin’ny teny hafa

mandositra

mitsoaka amin’ny olona iray

manendry

fanomezana ny hery sy ny fahefan’ny fisoronana

Sary
manendry

manendry

manenjika

milaza zavatra tsy marina momba olona iray mba hamelezana azy

manetry tena

azo ampianarina sy mikatsaka ny hanao ny sitrapon’ Andriamanitra

mangalatra

maka zavatra izay an’olon-kafa

mankato

manao izay rehetra nangatahina na nandidiana

manombo

mamono ho faty amin’ny alalan’ny famantsihana na famatorana ny tanana sy ny tongotra eo amin’ny hazofijaliana iray

marenina

tsy afaka maheno

marina

zavatra izay avy amin’ Andriamanitra Ny olo-marina dia ireo izay manaraka ny didin’ Andriamanitra.

marina

zavatra tena niseho na zavatra tsara na rariny

marisika

mahafantatra sy miaro ny zavatra izay rariny

miaramila

olona miady ho an’ny tafika iray

mibebaka

mahatsapa alahelo noho ny zavatra natao na nieritreretina sy ny fanomezan-toky fa tsy hamerina izany

miditra ho mpikambana

lasa tafiditra ao anatin’ny vondrona iray

mifady hanina

tsy mihinana sakafo sy tsy misotro rano eo am-pikatsahana fanampiana ara-panahy

mikapa hodi-doha

ny fandidiana ny tendron’ny lohan’olona iray

mikomy

tsy mankato na manohitra ireo didy

mino

mahatsapa na mahafantatra fa marina ny zavatra iray

misiônera

olona iray izay mampianatra ny hafa ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy

mitahy

manome zavatra ho an’olona iray izay ho tombotsoan’ilay olona. Ny mitahy ny fanasan’ny Tompo dia ny mangataka amin’ Andriamanitra mba hanaiky ilay mofo sy ilay rano ho toy ny tandindon’i Jesoa Kristy.

mitora-bato

mitoraka vato amina olona iray mandra-pahafatiny

mivavaka

ny firesahana amin’ Andriamanitra, sy fanolorana fisaorana Azy ary fangatahana fitahiana

mosary

tsy fahampian’ny sakafo noho ny orana tsy avy sy ny voly tsy mety vokatra

mpaminany

olona nantsoin’ Andriamanitra mba hanambara amin’ny olona ny sitrapon’ Andriamanitra

mpanjaka

ny mpitondran’ny vondron’olona iray

mpanompo

olona izay miasa na manompo olona iray toy ny mpanjaka

mpianatra

olona izay manaraka an’i Jesoa ka miezaka ny hitovy Aminy

mpikambana

olona iray izay mpikambana ao amina fiangonana iray na vondrona iray

mpitarika

olona izay mitarika andian’olona iray

mpitsara

mpitondra izay mametraka ny dikan’ny lalàna na ny fomba tokony hitandreman’ny olona azy ireny

n

nofy

tantara mandeha amin’ny eritreritry ny olona iray mandritry ny torimasony

ô O

ôrdônansy

lanonana na asa masina iray izay misy dika ara-panahy toy ny batisa na ny fanasan’ny Tompo

Orima sy Tomima

fitaovana manokana omen’ Andriamanitra ny mpaminany hanampiana azy ireo handika teny sy hahazo fanambarana

r

ratsy

zavatra ratsy

ratsy

zavatra izay tsy avy amin’ Andriamanitra. Ny olona ratsy fanahy dia tia an’i Satana ary tsy mitandrina ny didin’ Andriamanitra.

s

sabatra

lelam-by maranitra sy lavalava entina mandidy na manatrobaka

Sary
sabatra

sambofiara

lakana lehibe hitondrana olona na entana

Sary
sambofiara

sambofiara

sampy

zavatra tompoin’ny olona izay tsy avy amin’ Andriamanitra

synagoga

karazana trano hivorian’ny olona hiderana an’ Andriamanitra

t

tafika

andiana miaramila vonona hiady

takela-barahina

rakitsoratra iray misy ny didin’ Andriamanitra sy ny fifandraisana tamin’ny razamben’i Lehia

Sary
takela-barahina

takela-barahina

takela-bolamena

rakitsoratra nosoratana tamin’ny takelaka volamena manify Nafenin’i Môrônia tao amin’ny havoana Kumôrà ireny ka i Joseph Smith no namoaka azy taty aoriana.

Sary
takela-bolamena

takela-bolamena

takelaka

ravin-taratasy manify vita amin’ny vy izay nanoratan’ny olona ny fampianaran’ Andriamanitra sy ny tantaran’ny vahoaka

Sary
takelaka

takelaka

tempoly

tranon’ Andriamanitra

Sary
tempoly

tempoly

tilikambo

trano na sehatra avo be azon’ny olona hijoroana

Sary
tilikambo

tilikambo

toeram-pitsarana

toerana iray tamin’ny fanjakana Nefita izay nohazonin’ny lohan’ny mpitsara

tranomaizina

toerana fametrahana olona izay nahavita heloka iray

tsipìka

hazo lava misy tady mifatotra amin’ny tendrony roa ampiasaina amin’ny fitifirana zanatsipìka

Sary
tsipìka

v

vaovao mahafaly

filazana fampanantenana na fankaherezana avy amin’ Andriamanitra

z

zanatsipìka

fiadiana misy lohany maranitra fampiasa amin’ny ady na fihazana

Sary
zanatsipìka

zanatsipìka