Scripture Stories
Toko 16: Ny fandosiran’i Limia Mpanjaka sy ny vahoakany


Toko 16

Ny fandosiran’i Limia Mpanjaka sy ny vahoakany

Sary
Lamanita manara-maso olona eny an-tsaha

Nosamborin’ny Lamanita ny maro tamin’ireo Nefita izay tsy nandositra niaraka tamin’i Noà mpanjaka. Nentin’ny Lamanita izy ireo ary nomeny tany saingy nampandoaviny hetra mavesatra.

Sary
i Limia mpanjaka

Nataon’ny Nefita mpanjakany vaovao i Limia. Zanak’i Noà mpanjaka i Limia saingy tsy ratsy fanahy tahaka ny rainy izy. Lehilahy tsara izy.

Sary
Lamanita mikaravasy Nefita

Niezaka ny hamerina ny fihavanana tamin’ny Lamanita i Limia, saingy mbola nanohy niambina azy ihany sy mbola nasiaka taminy ihany izy ireo.

Sary
Nefita voasambotra

Indray andro dia nahita vahiny teo ivelan’ny tanàna i Limia Mpanjaka. Nampidiriny am-ponja izy ireo. Ireo vahiny ireo dia Nefita avy any Zarahemlà.

Sary
i Amôna miresaka amin’i Limia

I Amôna no anaran’ny mpitarika azy ireo. Faly nahita azy i Limia Mpanjaka. Fantany fa afaka hanampy ny vahoakany handositra ny Lamanita i Amôna.

Sary
i Limia Mpanjaka miresaka amin’ny vahoaka

Nampivory ny vahoakany i Limia mpanjaka. Nampatsiaro azy ireo izy fa ny faharatsian’izy ireo no nahatonga azy ireo ho voatazon’ny Lamanita.

Sary
i Limia miresaka

Niteny tamin’ny vahoakany izy mba hibebaka, hatoky an’ Andriamanitra ary hankato ny didy. Avy eo dia hanampy azy ireo handositra Andriamanitra.

Sary
Lamanita miresaka

Fantatry ny Nefita fa matetika ny Lamanita izay miambina ny tanàna no mamo amin’ny alina.

Sary
Nefita mitondra divay ho an’ireo mpiambina

Iny alina iny, i Limia mpanjaka dia nandefa divay fanampiny mba ho fanomezana ho an’ny mpiambina.

Sary
i Limia sy ny vahoakany mandositra

Afaka nandalo ireo mpiambina mamo ka nandositra i Limia mpanjaka sy ny vahoakany.

Sary
vahoaka voaray an-tanan-droa tao Zarahemlà

Nitarika an’i Limia Mpanjaka sy ny vahoakany namakivaky ny tany foana nankany Zarahemlà i Amôna. Voaray an-tanan-droa izy ireo tao.