Scripture Stories
Toko 52: Ny faharavan’ny Jaredita


Toko 52

Ny faharavan’ny Jaredita

Sary
mpanjaka Jaredita

Lasa niha-maro isa sy nanan-karena ny Jaredita. Nisafidy mpanjaka izy ireo ho mpitarika azy ireo.

Sary
Jaredita ratsy fanahy

Taona maro no lasa ary nitombo tao anatin’ny faharatsiana ny Jaredita. Nandefa mpaminany ny Tompo hilaza azy ireo mba hibebaka raha tsy izany dia hofongorana izy ireo.

Sary
Jaredita mandositra

Tsy nohainoan’ny vahoaka ny tenin’ireo mpaminany. Notadiavin’izy ireo hovonoina izy ireo.

Sary
ady

Nisy ady sy mosary teo amin’ny tany. Jaredita maro no maty.

Sary
mitory i Etera

Nandefa mpaminany iray hafa nantsoina hoe Etera ny Tompo. Nitory hatramin’ny maraina mandra-parivan’ny andro izy nilaza tamin’ny Jaredita mba hino an’ Andriamanitra sy hibebaka.

Sary
mitory amin’ny vahoaka i Etera

Niteny tamin’ireo Jaredita i Etera, fa raha mino an’ Andriamanitra izy ireo dia indray andro any izy ireo dia hiara-hiaina amin’ny Ray any An-danitra any amin’ny tontolo iray tsaratsara kokoa.

Sary
Jaredita manery an’i Etera handeha

Nilaza zavatra maro manan-danja tamin’ny Jaredita i Etera fa tsy ninoan’izy ireo. Nataon’izy ireo izay nialany teo amin’ny tanàna.

Sary
i Etera: miafina ao anaty lava-bato

Niafina tao anaty lava-bato i Etera rehefa antoandro mba tsy hisy hamono. Rehefa alina dia nivoaka izy ary nitazana ny zava-nanjo ny Jaredita.

Sary
i Etera: manoratra eo amin’ny takelaka

Tapitra voasorany ny tantaran’ny Jaredita nandritry ny fotoana niafenany.

Sary
miresaka amin’i Kôriantomira i Etera

Nalefan’ny Tompo ho any amin’i Kôriantomira, izay mpanjaka Jaredita ratsy fanahy, i Etera. Notenenin’i Etera izy mba hibebaka raha tsy izany izy dia hahita ny famonoana ny olony rehetra.

Sary
mpiambina manenjika an’i Etera

Tsy nibebaka i Kôriantomira sy ny vahoakany. Nitady hamono an’i Etera izy fa nitsoaka i Etera ary niafina tany an-dava-bato.

Sary
lehilahy iray matory miaraka amin’ny sabatra eny an-tanana

Lasa ratsy loatra ny vahoaka hany ka nozonin’ny Tompo ny tany. Tsy afaka napetrapetraka ny fitaovan’izy ireo sy ny sabatr’ izy ireo fa ny ampitso dia tsy hita ireny zavatra ireny.

Sary
ady

Nandray anjara tamin’ny ady avokoa ny Jaredita rehetra anisan’izany ireo zaza amam-behivavy. I Kôriantomira no nitarika ny tafika iray ary lehilahy iray nantsoina hoe Siza no nitarika ny tafika ilany.

Sary
Kôriantomira sy i Siza miady

Samy olona ratsy i Kôriantomira sy i Siza. Niala tamin’ny Jaredita ny Fanahy Masina noho ny faharatsian’izy ireo. Nanana fahefana feno teo amin’izy ireo i Satana.

Sary
i Kôriantomira

Niady ny Jaredita mandra-paha hoe i Kôriantomira sy i Siza no sisa tavela. Rehefa torana i Siza noho ny fahaverezan-drà be dia notapahan’i Kôriantomira ny lohany.

Sary
i Kôriantomira sy ireo vahoakan’i Zarahemlà

Voamarina ny faminian’i Etera manao hoe: i Kôriantomira no Jaredita sisa ho velona. Hitan’ny vahoakan’ i Zarahemlà izy.

Sary
Etera manoratra eo amin’ny takelaka

Nofaranan’i Etera ny tantaran’ny Jaredita. Fongotra izy ireo noho ny faharatsian’izy ireo. Taty aoriana dia hitan’ny Nefita ireo takelaka nisy ny tantaran’ireo Jaredita.