Scripture Stories
Toerana Tsara ho Fantatra


Toerana Tsara ho Fantatra

Amerika

ilay tany nampanantenaina nitondran’ Andriamanitra an’i Lehia sy ireo Jaredita

Amônihà

tanàna iray nisy olona ratsy fanahy izay tsy nety nihaino an’i Almà zanany sy i Amioleka

Babela

tanàna iray izay nananganan’ireo olona ratsy fanahy tilikambo iray mba hahafahan’izy ireo mihanika ho any an-danitra

Betlehema

Tanàna iray akaikin’i Jerosalema izay toerana nahaterahan’i Jesoa Kristy

Havoanan’i Cumôrah

Ny toerana nandevenan’i Môrônia ireo takela-bolamena izay hitan’i Joseph Smith taty aoriana

Jerosalema

ny tanàna izay naminanian’i Lehia tamin’ireo olona ratsy fanahy ary toerana nampianaran’i Jesoa Kristy sy nanomboana Azy

Jersôna

Ny tany nomen’ny Nefita ny vahoakan’i Amôna.

Nefia

Ny tanàna izay naorin’i Nefia sy ny vahoakany taorian’ny nandaozan’izy ireo an’i Lamàna sy i Lemoela ary ireo mpanara-dia azy

Ranon’i Môrmôna

ny toerana nanaovan’i Almà batisa an’ireo Nefita niova fo izay nandao ny Mpanjaka Noà

Sidôma

ilay tany izay nanorenan’i Almà zanany ny Fiangonana. Lasa toeram-ponenana vaovao ho an’ireo vahoaka nandao an’i Amônihà.

Soafeno1

ilay toerana nitoeran’ny fianakavian’i Lehia rehefa avy nandeha tany an-tany foana nandritra ny valo taona Toerana niaingan’izy ireo ho any amin’ny tany nampanantenaina.

Soafeno2

ilay toerana nahatongavan’i Jesoa Kristy tamin’ny fotoana namangiany ny Nefita.

tany nampanantenaina

izay mety ho tany hitondran’ Andriamanitra ireo olom-boafidiny. Nentiny nankany amin’ny tany nampanantenaina iray ny fianakavian’i Lehia.

Zarahemlà

tanàn-dehiben’ny Nefita izay foibe nisian’ny governemanta sy ny Fiangonana. Tao ny Mpanjaka Môzià sy ny Mpanjaka Benjamina no nipetraka. May io tanàna io tamin’ny nahafatesan’i Jesoa.