Scripture Stories
Toko 10: I Jakôba sy i Serema


Toko 10

I Jakôba sy i Serema

Sary
i Nefia manome ireo takelaka amin’i Jakôba

Mialoha ny nahafatesan’i Nefia dia nomeny an’i Jakôba zandriny lahy ireo takelaka nosoratany. Olo-marina i Jakôba.

Sary
i Jakôba manoratra eo amin’ireo takelaka

Nolazain’i Nefia i Jakôba mba hanoratra ireo zavatra izay hanampy ny olona hino an’i Jesoa Kristy.

Sary
i Nefia mitsodrano an’i Jakôba

Nomen’i Nefia hery i Jakôba mba ho mpisorona ao amin’ny Fiangonana sy hampianatra ny Nefita ny tenin’ Andriamanitra.

Sary
i Jakôba mampianatra ny olona

Rehefa maty i Nefia dia maro tamin’ireo Nefita no lasa ratsy. Nampianatra ny olona i Jakôba ary niteny azy ireo mba hibebaka amin’ny zavatra ratsy nataon’izy ireo.

Sary
i Serema mampianatra

Nisy lehilahy olon-dratsy izay nantsoina hoe Serama nandeha teo anivon’ny Nefita ka nampianatra azy ireo tsy hino an’i Jesoa Kristy.

Sary
i Serema

Nambaran’i Serema tamin’ny olona fa tsy hisy Kristy izany. Maro ny olona nino an’i Serema.

Sary
i Serema mifanditra amin’i Jakôba

Nampianatra ny olona i Jakôba mba hino an’i Kristy. Te hifanditra tamin’i Jakôba sy handresy lahatra azy i Serema fa tsy hisy Kristy izany.

Sary
i Jakôba sy i Serema

Tsy azo nohozongozonina ny finoan’i Jakôba an’i Jesoa Kristy. Efa nahita anjely sy nahare ny feon’ny Tompo izy. Fantany fa ho avy i Jesoa.

Sary
i Jakôba mijoro ho vavolombelona amin’i Serema

Nomba an’i Jakôba ny Fanahy Masina rehefa nanambara ny fijoroany ho vavolombelona nanany momba an’i Jesoa Kristy tamin’i Serema izy.

Sary
i Serema mangataka famantarana

Nangataka famantarana i Serema. Tiany i Jakôba mba hanaporofo taminy fa misy Andriamanitra. Nitady ny hahita fahagagana izy.

Sary
Jakôba

Tsy nety nangataka famantarana tamin’ Andriamanitra i Jakôba. Nambarany fa efa fantatr’i Serema hoe marina ny zavatra nampianarin’i Jakôba.

Sary
i Jakôba sy i Serema

Nolazain’i Jakôba fa raha ataon’ Andriamanitra moana i Serema dia izay no ho famantarana ny herin’ Andriamanitra.

Sary
i Serema mianjera

Nianjera teo no ho eo i Serema. Tsy afaka nitsangana nandritra ny andro maro izy.

Sary
i Serema

Nalemy i Serema ary fantany fa ho faty izy. Nasainy nivory ny olona.

Sary
i Serema miresaka amin’ny olona

Nambarany azy ireo fa nandainga izy. Nolazainy fa tokony hino an’i Jesoa Kristy izy ireo.

Sary
i Serema

Rehefa tapitra ny tenin’i Serema tamin’ny olona dia maty izy. Nahatsapa ny herin’ Andriamanitra ny olona ka nianjera tamin’ny tany.

Sary
i Jakôba niaraka tamin’ny hafa

Nanomboka nibebaka sy namaky soratra masina ny olona. Niaina tao anatin’ny fiadanana sy fifankatiavana izy ireo. Faly i Jakôba ary fantany fa namaly ny vavaka nataony Andriamanitra.