Toko 49
i Môrmôna sy ny fampianarany
Farany dia lasa ratsy fanahy daholo ny vahoaka rehetra na Nefita na Lamanita.
Nisy olo-marina iray antsoina hoe Amarôna izay nitazona ireo rakitsoratra masina. Ny Fanahy Masina dia nandidy azy hanafina izany mba ho voaro tsara.
Natoron’i Amarôna an’i Môrmôna, izay zaza lahy folo taona, ny toerana nanafenana ireo rakitsoratra. Fantatr’i Amarôna fa azony itokisana i Môrmôna.
Rehefa feno 24 taona i Môrmôna dia tokony haka ny takelak’i Nefia izy ary hanoratra eo amin’izany ny momba ny vahoakany.
Rehefa feno 11 taona i Môrmôna dia nisy ady teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita. Nandresy ny Nefita ka niverina indray ny fandriampahalemana.
Nefa noho ny faharatsiana lehibe’ny Nefita dia nesorin’ny Tompo ny mpianatra telo ka nifarana ny fahagagana sy ny fanasitranana. Tsy nitarika ny olona intsony ny Fanahy Masina.
Rehefa feno 15 taona i Môrmôna dia nitsidik’azy i Jesoa Kristy. Nianatra bebe kokoa momba ny Mpamonjy sy ny fahatsarany i Môrmôna.
Naniry ny hitory tamin’ny vahoaka i Môrmôna nefa tsy nasain’ i Jesoa hanao izany izy satria ratsy fanahy loatra ny vahoaka. Tena nanohitra an’ Andriamanitra ny fon’izy ireo.
Vetivety dia nisy ady iray hafa indray nanomboka. Lava ranjanana sy natanjaka i Môrmôna ka nifidy azy hitarika ny tafik’izy ireo ny Nefita.
Niady tamin’ny Lamanita nandritra ny taona maro ny Nefita. Niezaka namporisika ny vahoakany mba hiady ho an’ny ankohonan’izy ireo sy ny tokantranon’izy ireo i Môrmôna.
Nefa lasa ratsy loatra ny Nefita ka tsy nanampy azy ireo ny Tompo.
Niteny tamin’ny Nefita i Môrmôna fa voaro izy ireo raha mibebaka sy anao batisa. Saingy nandà ny vahoaka.
Nirehareha noho ny herin’izy ireo izy ireo ka nilaza fa hovonoin’izy ireo ny Lamanita rehetra. Noho ny faharatsian’ny Nefita dia tsy nanaiky hitarik’azy ireo intsony i Môrmôna.
Nanomboka nandresy ny Nefita tamin’ny ady rehetra ny Lamanita. Nanapa-kevitra ny hitarika ny tafika Nefita indray i Môrmôna.
Fantany fa tsy handresy amin’io ady io ny Nefita ratsy fanahy. Tsy nibebaka na nivavaka ho an’ny fanampiana nilain’izy ireo izy ireo.
Nalain’i Môrmôna tao amin’ilay havoana nanafenan’i Amarôna azy ireo raikitsoratra ka nanoratra ho an’ireo olona izay hamaky izany indray andro any izy.
Ny faniriany dia ny ahafantaran’ny olon-dehetra, ao anatin’izany koa ny Jiosy, ny momba an’i Jesoa Kristy, ny hibebahan’izy ireo sy ny hanaovana batisa azy ireo ary ny hiainan’izy ireo ny filazantsara ka ho voatahy.
Nanainga an’i Môrmôna ny Fanahy mba hametraka ny takelaka kelin’i Nefia, izay nisy ny faminaniana momba ny fiavian’i Kristy, miaraka amin’ny takelak’i Môrmôna.
Nentin’i Môrmôna tany amin’ny tanin’i Komôrà ny Nefita ary teo izy ireo no niomana hiady amin’ny Lamanita indray.
Nihahantitra i Môrmôna. Fantany fa io no ho ady farany. Tsy tiany ho hita sy hopotehan’ny Lamanita ireo rakitsoratra masina.
Noho izany dia nomeny ny zanany Môrônia ireo takelak’ i Môrmôna ary ny sisa dia nafeniny tao amin’ny havoana Komôrà.
Nanafika ny Lamanita ka nahafaty ny Nefita rehetra afa-tsy 24. Naratra tamin’izany i Môrmôna.
Nalahelo i Môrmôna noho ny fahafatesan’ny Nefita maro nefa fantany fa ny fandavan’izy ireo an’i Jesoa no nahafaty azy ireo.
Niezaka nampianatra ny fahamarinana tamin’ny Nefita i Môrmôna. Nolazainy azy ireo ny maha-zava-dehibe ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy.
Niezaka izy nampianatra azy ireo momba ny fananana fanantenana amin’ny alalan’ny sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy sy ny fananana fiantrana izay fitiavana madio an’i Kristy.
Ary nanoratra taratasy ho an’i Môrônia zanany, izay nampianatra ny filazantsara ny Nefita ihany koa, i Môrmôna.
Nanoratra momba ny faharatsian’ny Nefita i Môrmôna. Niteny tamin’i Môrônia izy mba hitoetra ho mahatoky ao amin’i Jesoa Kristy.
Novonoin’ny Lamanita i Môrmôna sy ny Nefita rehetra afa-tsy i Môrônia izay namarana ny fanoratana ireo rakitsoratra.