Scripture Stories
Toko 5: Ny dia tany an-tany foana


Toko 5

Ny dia tany an-tany foana

Sary
mandeha an-tany foana ireo mpirahalahy

Tian’ny Tompo ny hananan’ny zanakalahin’i Lehia vady izay hampianatra ny zanak’izy ireo ny filazantsara. Niteny tamin’i Lehia Izy mba haniraka ireo zanany lahy hiverina any Jerosalema haka ny ankohonan’i Isimaela.

Sary
i Nefia miresaka amin’i Isimaela

Niverina tany Jerosalema i Nefia sy ny rahalahiny. Notenenin’izy ireo tamin’i Isimaela ny zavatra izay tian’ny Tompo ho ataony. Nino azy ireo i Isimaela ary nanaraka ireo zanakalahin’i Lehia izy sy ny ankohonany.

Sary
Tezitra tamin’i Nefia i Lamàna sy i Lemoela

Nandritra ny dian’izy ireo tany an-tany foana, dia tezitra i Lamàna sy i Lemoela sy ny sasany tamin’ny ankohonan’i Isimaela. Te hiverina any Jerosalema izy ireo.

Sary
miresaka amin’i Lamàna sy i Lemoela i Nefia

Nampahatsiaro an’i Lamàna sy i Lemoela ny zavatra rehetra efa nataon’ny Tompo ho azy ireo i Nefia. Noteneniny izy ireo mba hanana finoana bebe kokoa. Tezitra tamin’i Nefia izy ireo saingy tsy niverina tany Jerosalema.

Sary
mpifankatia miroso amin’ny fanambadiana

Nanambady ny zanakavavin’i Isimaela i Nefia sy ny rahalahiny ary i Zôrama taorian’izany.

Sary
i Lehia mihazona ny Liahona

Niteny tamin’i Lehia ny Tompo mba hanohy ny diany. Ny ampitson’iny dia nahita bola varahina nantsoina hoe Liahona tao ivelan’ny lainy i Lehia. Nanondro ny làlana tokony handehanana any an-tany foana ilay izy.

Sary
fianakaviana manohy ny dia

Nanangona sakafo sy voa ary nangorona ny lain’izy ireo ny ankohonan’i Lehia. Nandeha namakivaky tany foana nandritra ny andro maro izy ireo, nanaraka ny torolàlan’ny Liahona.

Sary
mihaza

Nihaza tamin’ny tsipìka sy zanatsìpika i Nefia sy ny rahalahiny mba hahazoany sakafo mandritra ny dian’izy ireo.

Sary
tsipìka tapaka

Tapaka ny tsipìkan’i Nefia vita amin’ny vy, ary godraka ny tsipìkan’ny rahalahiny. Tsy afaka namono biby ireo mpirahalahy, ka noana ny rehetra. Tezitra i Lamàna sy Lemoela.

Sary
tsipìka vita amin’ny hazo

Nanamboatra tsipìka tamin’ny hazo i Nefia ary nanontany ny rainy hoe aiza no tokony handehanany hihaza. Nandray torolalana tamin’ny Liahona i Lehia. Nanaraka ny torolalana i Nefia ary nahita biby maro izy.

Sary
i Lehia mihazona Liahona

Rehefa mahatoky sy mazoto ary rehefa mankato ihany ny ankohonan’i Lehia vao nandeha ny Liahona.

Sary
Niverina niaraka tamin’ny sakafo i Nefia

Niverina niaraka tamin’ny biby azony i Nefia. Faly ny rehetra fa nahazo sakafo. Nanenina tamin’ny fahatezerany izy ireo ka nisaotra an’Andrimanitra noho ny fitahiany azy ireo.

Sary
Ireo zanakavavin’i Ismaela

Tsy mora ny dia. Matetika no vizana, sy noana ary mangetaheta ny ankohonan’i Lehia. Nodimandry i Isimaela ary dia nalahelo azy ireo zanany vavy. Nimoimoy tamin’i Lehia izy ireo.

Sary
i Lamàna sy i Lemoela

Nimoimoy ihany koa i Lamàna sy i Lemoela. Tsy nino izy ireo hoe niresaka tamin’i Nefia ny Tompo. Naniry ny hamono an’i Lehia sy Nefia izy ireo, ary hiverina any Jerosalema.

Sary
i Lamàna sy i Lemoela

Niteny tamin’ i Lamàna sy i Lemoela ny feon’ny Tompo. Niteny tamin’izy ireo izany mba tsy ho tezitra amin’i Lehia sy Nefia. Nibebaka i Lamàna sy i Lemoela.

Sary
Ny fianakavian’i Lehia

Nanohy ny dian’izy ireo izay sarotra ny fianakavian’i Lehia. Nanampy sy nankahery azy ireo Andriamanitra. Nisy zaza teraka Nanan-janakalahy roa hafa i Lehia sy i Sarià, izay nantsoina hoe i Jakôba sy i Josefa.

Sary
fianakaviana manohy ny dia

Rehefa nandeha nandritry ny valo taona tany an-tany foana ny fianakavian’i Lehia, dia tonga teo amoron’ny ranomasina. Nahita voankazo sy tantely teo izy ireo. Nantsoin’izy ireo hoe Soafeno ilay toerana.