Scripture Stories
Toko 13: Zenifa


Toko 13

Zenifa

Sary
Nefita mamindra

Nandao ny tranon’izy ireo tao Zarahemlà i Zenifa sy ny andiana Nefita iray ary nandeha tany amin’ny tanin’i Nefia, izay toerana nipetrahan’ny Nefita teo aloha.

Sary
miresaka amin’ny Mpanjaka Lamàna ireo Nefita

Hitan’izy ireo fa nisy Lamanita nipetraka teo amin’ilay tany. Niditra tao an-tanàna i Zenifa sy ny efatra amin’ny lehilahiny mba hiresaka amin’ny mpanjaka. Nangataka tamin’i Lamàna mpanjaka izy ireo raha toa ka afaka ny hipetraka amin’io tany io.

Sary
i Lamàna Mpanjaka

Nolazain’i Lamàna mpanjaka fa afaka mahazo tanàna roa amin’ireo tanànany izy ireo. Nirian’ny mpanjaka ny hipetrahan’izy ireo eo amin’ny taniny mba hahafahany manao azy ireo ho andevony.

Sary
ireo Nefita mamboly

Nanangana trano ny vahaokan’i Zenifa ary nanamboatra ny tamboho manodidina ny tanànan’izy ireo. Namboly karazana voa sy voankazo maro izy ireo. Nanana andiam-biby maro ihany koa izy ireo.

Sary
manafika ny Nefita ireo Lamanita

Nolazain’i Lamàna Mpanjaka tamin’ny vahoakany fa lasa nihamahery loatra ny Nefita. Tao aorian’izay dia nisy Lamanita maro nandeha nanafika ny Nefita sy nangalatra ny biby fiompin’izy ireo sy ny vokatr’izy ireo.

Sary
mandositra ny Nefita

Nihazakazaka nankany amin’ny tanànan’i Nefia ireo Nefita. Teo dia nomen’i Zenifa fiadiana amin’ny tsipìka sy zanatsipìka, sabatra, famaky ary antsamotady ny vahoaka. Nandeha niady tamin’ny Lamanita izy ireo.

Sary
ireo Nefita mivavaka

Talohan’ny niadian’izy ireo dia nivavaka ny Nefita, nangataka fanampiana tamin’ Andriamanitra. Nomen’ Andriamanitra hery fanampy ny Nefita ka nandresy ny Lamanita izy ireo.

Sary
mpiambina miaraka amin’ny ondry

Taorian’ny ady dia nametraka mpiambina nanodidina ny tanàna i Zenifa. Te hiaro ny vahoakany sy ny biby fiompin’izy ireo amin’ireo Lamanita izy.

Sary
mehivavy mandrary

Niaina tao anaty fandriampahalemana nandritry ny taona maro ny Nefita. Niasa tany an-tsaha ny lehilahy ary nanenona sy nanamboatra akanjo ny vehivavy.

Sary
ady

Maty i Lamàna mpanjaka ary lasa mpanjaka ny zanany lahy. Nandefa ny tafikany hiady amin’ny Nefita ny mpanjaka vaovao.

Sary
ny Nefita mijery ireo Lamanita

Nahazo hery avy tamin’ Andriamanitra indray ny Nefita. Maro ny Lamanita voavonon’izy ireo ary nandositra ny ambiny.