Scripture Stories
Toko 22: Ny asa fitoriana nataon’i Almà tany Amônihà


Toko 22

Ny asa fitoriana nataon’i Almà tany Amônihà

Sary
i Almà sy i Nefihà

Niahiahy momba ny faharatsian’ny Nefia i Almà ka dia nanapa-kevitra izy hanokana ny fotoanany rehetra amin’ny fitoriana ny filazantsara. Nifidy an’i Nefihà mba hisolo azy ho lohan’ny mpitsara izy.

Sary
i Almà mipetraka amin’ny tany

Nampianatra ny filazantsara nanerana ny tany i Almà. Raha nanandrana nitory teny tao Amônihà izy, dia tsy nihaino azy ny olona. Nandroaka azy hivoaka ivelan’ny tanàna izy ireo.

Sary
Almà

Nalahelo noho ny faharatsian’ny mponina tao Amônihà i Almà. Nandeha nankany amin’ny tanàna hafa izy.

Sary
Anjely miresaka amin’i Almà

Nisy anjely iray niseho ka nankahery an’i Almà. Nilaza taminy ny anjely mba hiverina any Amônihà ary hitory teny indray. Niverina haingana i Almà.

Sary
i Almà mangataka sakafo amin’ny lehilahy iray

Nahatsiaro noana i Almà. Raha niditra tao an-tanàna izy, dia nangataka sakafo tamin’ny lehilahy iray. Nisy anjely efa niteny tamin’ilay lehilahy fa ho avy i Almà ary i Almà dia mpaminanin’ Andriamanitra.

Sary
i Amioleka manome sakafo an’i Alma

Io lehilahy io, izay antsoina hoe Amioleka, dia nitondra an’i Almà tao an-tranony ary nanome sakafo azy. Nijanona tao amin’i Amioleka sy ny ankohonany nandritra ny andro maro i Almà. Nisaotra an’ Andriamanitra noho i Amioleka mianakavy izy ka nitsodrano azy ireo.

Sary
miresaka i Almà sy i Amioleka

Niteny tamin’i Amioleka momba ny antsony mba hampianatra ny mponina ao Amônihà i Almà. Nanaraka an’i Almà hampianatra ny vahoaka i Amioleka. Nanampy azy ireo ny Fanahy Masina.

Sary
i Almà mitory teny

Nandidy ny vahoaka mba hibebaka i Almà fa raha tsy izany dia hamongotra azy ireo Andriamanitra. Nolazainy fa ho avy i Jesoa Kristy ary hamonjy ireo izay nanam-pinoana Azy sy nibebaka.

Sary
olona tezitra tamin’i Almà

Lasa tezitra ny vahoaka tao Amônihà. Nitady ny hanipy an’i Almà ao an-trano maizina izy ireo nefa niaro azy Andriamanitra.

Sary
mampianatra i Almà sy i Amioleka

Avy eo dia nanomboka nampianatra i Amioleka. Maro tamin’ny olona no nahafantatra an’i Amioleka.Tsy vahiny tahaka an’i Almà izy. Nolazainy azy ireo ny amin’ilay anjely izay hitany.

Sary
i Amioleka sy i Almà

Nolazain’i Amioleka fa mpaminan’ Andriamanitra i Almà ka marina ny zavatra izay nolazainy. Gaga ny vahoaka raha nihaino ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Amioleka.

Sary
i Zezrôma miaraka amin’i Amioleka sy i Almà

Tezitra ny sasany tamin’ ny olona, indrindra indrindra ny lehilahy ratsy fanahy iray antsoina hoe Zezrôma. Nitady ny hamitaka an’i Amioleka tamin’ny fanontaniana izy ireo, fa izy (Amioleka) dia nilaza fa fantany ny tetik’izy ireo.

Sary
miresaka amin’i Almà i Zezrôma

Nitady ny hamongotra izay tsara rehetra i Zezrôma. Namorona olana izy, dia avy eo nandoa vola taminy ny vahoaka hamahàna ny olana izay noforoniny.

Sary
i Zezrôma miaraka amin’i Amioleka sy i Almà

Tsy afaka namitaka an’i Amioleka i Zezrôma ka nanolotra vola ho azy izy raha ekeny ny hilaza fa tsy misy Andriamanitra. Fantatr’i Amioleka fa velona Andriamanitra ary fantany fa i Zezrôma dia nahafantra izany koa nefa vola no tiany bebe kokoa noho Andriamanitra.

Sary
i Zezrôma sy ny hafa

Avy eo dia nampianatra an’i Zezrôma momba an’i Jesoa Kristy sy ny fitsanganana amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay i Amioleka. Gaga izaitsizy ny vahoaka. Nanomboka nangovitra noho ny tahotra i Zezrôma.

Sary
mampianatra an’i Zezrôma i Almà

Fantatr’i Zezrôma fa teo amin’i Almà sy Amioleka ny herin’ Andriamanitra satria nahafantatra ny eritreriny izy ireo. Nametraka fanontaniana i Zezrôma ka nihaino raha nampianatra ny filazantsara azy i Almà.

Sary
fianakaviana mamaky soratra masina

Nisy olona izay nino an’i Almà sy i Amioleka ka nanomboka nibebaka sy nandalina ny soratra masina.

Sary
Voafatotra i Almà sy i Amioleka

Nefa ny ankamaroan’ny olona dia nitady ny hamono an’i Almà sy i Amioleka. Namatotra azy ireo izy ireo ary nitondra azy ireo teo anoloan’ny lohan’ny mpitsara.

Sary
miaro an’i Almà sy i Amioleka i Zezrôma

Nalahelo noho ny ratsy nataony sy ny lainga nampianariny ny vahoaka i Zezrôma. Nangataka tamin’ny vahoaka izy mba hamela an’i Almà sy i Amioleka handeha.

Sary
Noroahina any ivelany ireo mpino

Voaroaka hivoaka ny tanàna i Zezrôma sy ny lehilahy hafa izay nino ny fampianaran’i Almà sy i Amioleka. Nitora-bato azy ireo ny olon-dratsy.

Sary
lehilahy mandoro vehivavy sy soratra masina

Avy eo dia nalain’ny olon-dratsy ny vehivavy sy ny ankizy mpino ka natsipiny tany anaty afo, niaraka tamin’ny soratra masiny.

Sary
i Almà sy i Amioleka mijery ny afo

Voatery hijery ny vehivavy sy ny ankizy maty tao anaty afo i Almà sy i Amioleka. Saika hampiasa ny herin’ Andriamanitra hamonjena azy ireo i Amioleka.

Sary
miresaka amin’i Amioleka i Almà

Fa niteny tamin’i Amioleka i Almà fa tsy tokony ho sakanany ny famonoana satria ho tafaraka amin’ Andriamanitra tsy ho ela ireo olona novonoina ireo ary hofaizina ireo olon-dratsy.

Sary
Voatefaka i Almà

Nitefaka an’i Almà sy i Amioleka imbetsaka ny lohan’ny mpitsara ary noesoiny izy ireo satria tsy voavonjin’izy ireo ny zaza amam-behivavy nodorana tao anaty afo. Avy eo dia natsipiny tao am-ponja izy ireo.

Sary
Tao am-ponja i Almà sy i Amioleka

Nisy olon-dratsy hafa tonga tao am-ponja ka nampijaly an’i Almà sy Amioleka tamin’ny fomba maro, anisan’izany ny tsy fanomezana sakafo sy ny fandrorana azy ireo.

Sary
lohan’ny mpitsara teo amin’i Almà sy Amioleka

Niteny tamin’i Almà sy i Amioleka ny lohan’ny mpitsara fa raha afaka mampiasa ny herin’ Andriamanitra mba hanafahana azy ireo izy ireo dia hino izy. Avy eo dia notefahiny indray izy ireo.

Sary
mivavaka i Almà sy i Amioleka

Nitsangana i Almà sy i Amioleka. Nivavaka i Almà ary nangataka tamin’ Andriamanitra mba hampatanjaka azy ireo noho ny finoan’izy ireo an’i Kristy.

Sary
i Almà sy i Amioleka manapaka tady

Feno ny herin’ Andriamanitra i Almà sy i Amioleka ary dia notapahin’izy ireo ny tady izay nitazona azy ireo. Natahotra ny olon-dratsy ary niezaka handositra nefa lavo tamin’ny tany izy ireo.

Sary
mirodana ny rindrin’ny fonja

Nihorohoro ny tany ary nirodana teo ambonin’ireo olon-dratsy ny rindrin’ny fonja. Niaro an’i Almà sy i Amioleka Andriamanitra ka tsy naratra izy ireo.

Sary
Nivoaka avy tao amin’ny fonja nirodana i Almà sy i Amioleka

Tonga nijery izay zava-nitranga ny mponina tao Amônihà. Raha nahita an’i Almà sy i Amioleka nivoakan’ny fonja nirodana izy ireo dia natahotra ka nandositra.

Sary
i Almà sy i Amioleka

Naniraka an’i Almà sy i Amioleka ho any Sidôma ny Tompo. Tany no nahitan’izy ireo ny olo-marina. Tany ihany koa i Zezrôma ary narary be izy.

Sary
mitsodrano an’i Zezrôma i Almà

Faly i Zezrôma raha nahita an’i Almà sy i Amioleka. Natahotra izy sao maty noho ny ratsy izay nataony izy ireo. Nangataka fanasitranana taminy izy.

Sary
Zezrôma

Nino an’i Jesoa Kristy i Zezrôma ka nibebaka tamin’ny fahotany. Raha nivavaka ho azy i Almà dia tonga dia sitrana i Zezrôma.

Sary
i Zezrôma atao batisa

Natao batisa i Zezrôma ary nanomboka nitory ny filazantsara. Maro koa ny olona hafa vita batisa.

Sary
olona maty eny an-dalana

Araka ny faminaniana nataon’i Almà dia matin’ny tafika Lamanita ny olon-dratsy rehetra tao Amônihà.