Scripture Stories
Toko 33: Mpomba ny mpanjaka mifanohitra amin’ny olona afaka


Toko 33

Mpomba ny Mpanjaka mifanohitra amin’ny olona afaka

Sary
i Pahôràna miresaka amin’ny hafa

Nisy Nefita sasantsasany izay nitady an’i Pahôràna lohan’ny mpitsara mba hanova ny lalàna sasany.

Sary
olona tezitra

Rehefa nandà i Pahôràna dia tezitra ny olona ka nitady ny hanala an’i Pahôràna tsy ho lohan’ny mpitsara. Mpanjaka no tian’izy ireo fa tsy mpitsara.

Sary
lehilahy roa miresaka

Nantsoina hoe olon’ny mpanjaka izy ireo ka nanantena fa ny iray amin’izy ireo no ho lasa mpanjaka sy handidy ny vahoaka.

Sary
vondron’olona mivavaka

Ireo Nefita izay te hitazona an’i Pahôràna ho lohan’ny mpitsara dia nantsoina hoe olona afaka. Te hanana fahafahana miaina sy manompo araky ny safidiny izy ireo.

Sary
olona milahatra mba hifidy

Nifidy ny vahoaka na homba ny olona afaka na homba ny mpomba ny mpanjaka. Nifidy ho an’ny olona afaka ny ankamaroan’izy ireo.

Sary
Tafika Lamanita

Nandritra izany fotoana izany dia nanomana tafika Lamanita lehibe hanafika ny Nefita i Amalekià.

Sary
mpomba ny mpanjaka

Raha naheno momba ny fiavian’ny Lamanita ireo mpomba ny mpanjaka dia nifaly ary nandà ny hiaro ny firenen’izy ireo.

Sary
i Môrônia mijery ireo mpomba ny mpanjaka

Tezitra tamin’ny mpomba ny mpanjaka i Kapiteny Môrônia noho ny tsy fetezan’izy ireo hiady. Efa niasa mafy ho an’ny fiarovana ny fahafahan’ny Nefita izy.

Sary
miresaka amin’ny governora i Môrônia

Nangataka fahefana tamin’ny governora izy hanery ny mpomba ny mpanjaka hiady amin’ny Lamanita na hamono azy ireo ho faty.

Sary
miresaka amin’i Môrônia ny governora

Rehefa nanome izany fahefana izany an’i Môrônia ny governora Pahôràna dia nitondra ny tafikany hiady amin’ireo mpomba ny mpanjaka i Môrônia.

Sary
Nefita sy Lamanita miady

Maro ireo mpomba ny mpanjaka no maty. Ny sasany nampidirana am-ponja. Ny sisa dia nanaiky hanampy amin’ny fiarovana ny fireneny amin’ny Lamanita.