Scripture Stories
Toko 28: Ny Zôramita sy ny Rameomtôma


Toko 28

Ny Zôramita sy ny Rameomtôma

Sary
Ny Zôramita: manompo sampy

Mpikambana tao amin’ny Fiangonan’ Andriamanitra ny Zôramita taloha saingy lasa ratsy fanahy sy nanompo sampy.

Sary
i Almà sy ny misiônera hafa

Tsy tian’ny Nefita ny Zôramita hikambana amin’ny Lamanita ka lasa i Almà niaraka tamin’ny misiônera sasantsasany hitory ny tenin’ Andriamanitra tamin’ny Zôramita.

Sary
Ireo Misiônera sy ny Zôramita

Gaga sady tohina ireo misiônera nahita ny fomba fitsaohan’ireo Zôramita tao amin’ny fiangonan’izy ireo, izay nantsoina hoe synagôga.

Sary
lehilahy iray mitsangana eo ambony toerana itsanganana

Teo afovoan’ny synagôga dia nanangana toerana avo natao itsanganana nantsoina hoe Rameômtôma ny Zôramita. Tsy omby afa-tsy olona iray ihany no afaka mitsangana eo amboniny.

Sary
lehilahy maninjitra ny tanany ho ambony

Nifandimby nitsangana teo ny Zôramita sady manondro lanitra no manao tsianjery vavaka iray ihany amin’ny feo mafy.

Sary
lehilahy maninjitra ny tanany ho ambony

Tao anatin’io vavaka io ny Zôramita dia nilaza fa Andriamanitra dia tsy manana vatana; fanahy fotsiny izy. Nambaran’izy ireo ihany koa fa tsy hisy Kristy izany.

Sary
lehilahy iray mivavaka eo ambony toerana itsanganana

Nihevitra ny Zôramita fa izy ireo irery ihany no nofidian’ Andriamanitra mba hovonjena any amin’ny fanjakan’ny lanitra. Nanolo-tsaotra izy ireo noho ny maha-vahoaka voafidiny azy ireo.

Sary
Zôramita: mamindra

Isaky ny avy nivavaka ny Zôramita dia nandeha nody ary tsy mivavaka na miresaka momba an’ Andriamanitra indray mandritra ny herinandro manontolo.

Sary
ny Zôramita sy ny fananan’izy ireo

Ireo Zôramita mpanan-karena dia tia volamena sy volafotsy, ary nisehoseho ny amin’ny zava-tsoa an’izao tontolo izao izy ireo. Nalahelo i Almà nahita ny faharatsian’izy ireo.

Sary
i Almà mivavaka

Nivavaka ho an’ny tenany sy ho an’ireo misiônerany izy mba hanana hery sy hahazo fiononana ary fahombiazana amin’ny asan’izy ireo.

Sary
misiônera mivavaka

Rehefa avy nangataka fanampiana mba hitondrana ny Zôramita hiverina ho amin’ny fahamarinana i Almà sy ireo misiônera hafa dia nofenoina tamin’ny Fanahy Masina izy ireo.

Sary
misiôneramisakafo

Avy eo dia samy nandeha tamin’ny lalany avy ireo misiônera nitory ny filazantsara. Nomen’ Andriamanitra sakafo sy fitafy (akanjo) izy ireo ary nataony natanjaka tamin’ny asan’izy ireo.

Sary
misiônera mampianatra olona mahantra

Tsy navela niditra tao amin’ny synagôga ireo Zôramita nahantra. Nanomboka nihaino ny misiônera ireo olona ireo.

Sary
i Almà nitory teny

Maro no nanontany an’i Almà ny zavatra tokony hataony. Nolazain’i Almà azy ireo fa tsy mila hoe ao anatin’ny synagôga izy ireo vao afaka mivavaka sy mitsaoka an’ Andriamanitra.

Sary
i Amioleka mampianatra vahoaka

Nasainy izy ireo mba hanam-pinoana an’ Andriamanitra. Avy eo i Amioleka dia nampianatra azy ireo momba an’i Jesoa Kristy sy momba ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ireo zanany.

Sary
mpino: mandao ny tanàna

Rehefa lasa ireo misiônera dia voaroaka niala ny tanàna ireo Zôramita izay nino azy ireo. Nandeha nipetraka tany amin’ny tanin’ny Jersôna miaraka amin’ny vahoakan’i Amôna ireo mpino.

Sary
olona mijery ny hafa mandao

Na dia nandrahona ny vahoakan’i Amôna aza ireo Zôramita ratsy fanahy dia nampian’ny vahoakan’i Amôna ireo Zôramita marina ka nomeny sakafo sy akanjo ary tany.